- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Thailandy: Fatin-jazarano 2000 tao amina toeram-pivavahana Bodista

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahasalamàna, Lalàna, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Raha sendra misy fatin-jazarano iray tratra, matetika mivaivay ny fanamelohana no hita indrindra avy amin'ny sehatra mpitahiry nentin-drazana. Nefa inona no fepetra mifandraika azo raisina rehefa fatin-jazarano 2000 [1] no hita any amina toeram-pivavahana Bodista?

Mbola samy maka saina ny rehetra any Thailandy taorian'ny dona ara-tsaina nateraky ny fahatratrarana fatin-jazarano 2000 tany an-tempoly iray any Wat Phai Ngern. Namelona indray ny adihevitra izany momba ny hoe sao dia efa tonga ny fotoana tokony hanavaozana ny lalàn'ny firenena momba ny fanalàn-jaza.

Tsy eken'ny lalàna ny fanalàn-jaza any Thailand raha tsy mifanaraka amina fepetra. Azo atao ny manàla zaza raha nisy nanolana ilay vehivavy, raha misy fiantraikany eo amin'ny fahasalamàny ny vohoka na tsy ara-dalàna ny zaza ao an-kibony. Voavinavina ho manodidina ny vehivavy 150 000 – 200 000 [2] isan-taona no manantona toeram-pitsaboana tsy miankina, mba hanala zaza an-tsokosoko.

Mino ny Praiminisitra any an-toerana firenena fa efa mety tsara ny lalàna momba ny fanalàn-jaza. Ny soso-kevitra omeny dia ny fanabeazana [3] bebe kokoa ny tanora. Maneho hevitra manoloana izany fanambaràna izany i tulsathit, mpampiasa Twitter

togiab: [4] RT @tulsathit: Tsoriko fa manorisory ahy ny valintenin'ny Praiminisitra momba ny fanalàn-jaza tsy ara-dalàna: Mety tsara ny lalàna, tsy ao tsara ny lanja ara-sosialy, ary tokony hakatona ireo tobim-pahasalamàna tsy ara-dalàna.

Nanaitra ny solombavambahoaka [5] iray hanolo-kevitra ny tokony haha-ara-dalàna ny fanalàn-jaza. Nefa nanaitra ny Bangkok Pundit [6] ny tanjony, dia ny hampihena ny vahoaka “ratsy kalitao” ao min'ny firenena

Na dia mampiantrano orinasam-piraisana ara-nofo maro sy mavitrika aza i Thailandy, maro ny Thailandey no mpisaina araka ny nentin-drazana rehefa resaka ara-pananahana, ary manohitra tanteraka ny fanaovana ny fanalàn-jaza ho ara-dalàna ireo mafana fo Bodista.

Ankehitriny, mety hoe ny fidinan'ny taham-panaovana asa ratsy no vokatra faran'izany politika izany, nefa hanolo-kevitra ny hanaovana ny fanalàn-jaza ho eken'ny lalàna, mba hampihena ny isan'ireo olona tsy tiana ao amin'ny fiaraha-monina? Ny noeritreretin'i BP voalohany dia hoe, fa inona no tao an-tsainy e? Nahoana loatra ny olona iray no hanambara am-pahibemaso fa iray amin'ireo tombontsoan'ny fanalàn-jaza ny fihenan'ny vahoaka “ratsy kalitao”?

Manahy ny Thai Film Journal fa antony hafa no nitahirizana [7] ireo zazarano ireo tao amin'io toeram-pivavahana io

Nefa nanontany tena aho raha misy antony hafa nitahirizana ireo zazarano ireo. Ny horonantsary Thai dia nampiseho  finoanoam-poana fa manana hery maizina ny zazarano.

Ireto misy santionany amin'ny fanehoan-kevitra twitter avy any Bangkok amin'ilay adihevitra niverina momba ny fanalàn-jaza

WomenLearnThai: [8] @Thai_Talk Zazarano 1500 hafa tao Wat Phai Ngern Chotanaram… Tena ohatran'ny marary aho izany.
thegreglowe: [9] Mampiseho mazava ny loza hita tany Wat Phai Ngern fa tokony hanavao ny lalàny mikasika ny fanalàn-jaza i Thailand ary tokony hanome an'ireo vehivavy ny fikarakaràna sahaza azy
Citybiitch: [10] Aoka mba hajanona amin'izay ny fitaterana ny vaovao momba ny fanalan-jaza e!! Na hovainao tahaka ny inona aza ny lalàna, mbola ho eo foana izany, adala!!
ResponseAP: [11] RT @juarawee: RT @tulsathit: Fanadihadiana Dusit — 65.6 % ny olona nohadihadiana no manaiky ny fanaovana ny fanalàn-jaza ho ara-dalàna. 12.6% tsy manaiky. 47% ny olona mino fa zon'ny tsirairay ny fanalàn-jaza.
isamare: [12] @bangkokpundit @tri26 nefa tsy tokony atao antony haneken'ny lalàna ny fanalàn-jaza izany fanambaràna izany
moui: [13] @kafeeme Te-hiteny fotsiny hoe raha misy moanina manaiky ny fanalàn-jaza dia tokony ho lehilahy tsotra ihany izy izany.
pracob: [14] Fimailo ho an'ny lehilahy dia pilina ho an'ny vehivavy, safidy tsara noho ny fanalàn-jaza izany. Na izany aza dia tokony hihetsiketsika ihany ny fanabeazana ara-pananahana
sinneyxx: [15] Andriamanitra o!! Inona no nitranga tany Thailandy? Manodidina ny 1000 ny fanalàn-jaza tao anatin'ny iray volana? Mandria am-piadanana ireo zaza ireo ☹
NCMissionsMom: [16] RT @tulsathit: Maherin'ny 2000 izao ny isan'ireo fatin-jazarano hita tao amin'ny toeram-pivavahana Pai Ngern. Loham-paka hita maso momba ny fanalan-jaza tsy ara-dalàna any Thailandy izany.
KhlongBangSue: [17] @forestmat tena mampalahelo sy mampatahotra. Tokony hiteraka horakoraka avy amin'ny vahoaka amin'ny lalàn'ny fanalàn-jaza ankehitriny izany sary izany