- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara : Antenaiko ho “pont” hatramin'ny faha-16 mihitsy aza!

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fifidianana, Hehy, Mediam-bahoaka

Ny mpiblaogy Lay Andriamialy dia mitatitra ireo fomba fijery samihafa ananan'ny sarambambem-bahoaka [1] manoloana ity fitsapan-kevibahoaka momba ny lalam-panorenana vaovao ity:

- Est-ce que le 17 Nov sera férié?
– J'espère et même que le 16 soit pont

“- Ho andro tsy fiasana ve izany ny faha-17-n'ny volana Novambra?
– Antenaiko ho ‘pont’ hatramin'ny faha-16 mihitsy aza”

[ndlr. ny “pont” na tetezana amin'ny teny frantsay dia andro tokony iasana fa noho izy eo anelanelan'ny andro roa tsy fiasana dia azon'ny fitondrana ambara ho “tetezana” izany hoe tsy iasana fa natao iampitana avy amin'ny andro tsy fiasana voalohany hoamin'ilay manaraka. Ary satria andro fiasana ny faha-15 Novambra, dia tsy ho “pont” velively izany ny faha-16 fa HATSIKANA].