[Raha tsy misy filazana manokana, ny rohy rehetra ato dia amin'ny teny espaniola] Patricio Contreras, Fabián Muñoz, ary José Luis Mansilla, mpianatra telo amin'ny sampana Siansa Politika sy Fitantanana ao amin'ny Anjerimanontolon'i los Lagos, no hamakivaky 1016 km an-tongotra ho fanoherana ny fitsitotongan'ny kalitao sy ny fiakaram-bidin'ny Fanabeazana Siliana. Ilay Dia lavitr'ezaka ho an'ny fanabeazam-bahoaka dia nanomboka tao Puerto Mont ny Alakamisy 30 septambra ary ny tanjona hitodiana dia i Santiago, renivohitr'i Chile (Chili). Ny Dia lavitr'ezaka nataon-dry zareo dia nahazo tohana sy fandrisihana mientanentana avy amin'ny tontolon'ny fitorahana bilaogy sy ireo tambajotra sosialy. Tsy dia misy loatra tati-baovao momba ity Dia lavitr'ezaka ity avy amin'ireo haino amanjery Siliana.
Caminata Santiago, na Hitody any Santiago, (@destinosantiago) no anaran'ny kaonty Twitter-ndry zareo ary manana olona efa maherin'ny 400 manaraka azy. Ny teny fanevan-dry zareo dia ny hoe “ante la educación de mercado estudiante organizado” (Mpianatra Mivondrona hanohitra ny Fanabeazana Mifototra fotsiny amin'ny Ara-Bola). Amin'ny alalan'ny pejy Facebook-ndry zareo sy tambajotra sosialy hafa koa no ifanohanan-dry zareo sy anapariahany ny vaovao momba ny hetsika ataony isaky ny faritra samihafa lalovany manerana an'i Chile:
Tres estudiantes de la Universidad de Los Lagos, dan inicio a esta caminata por la Educación Chilena el día Jueves 30 de septiembre a las 14:00 horas. Sabemos que esto nos compete a todos, esperamos que para ti sea significativa esta consigna, durante el camino que se desarrolla a Santiago se espera que más estudiantes se acoplen a esta gran causa.
Ny hevitra dia nipoitra nandritry ny iray tamin'ireo fihaonan'ny Chilean Student Confederation (CONFECH [es]) na Fiombonamben'ny Mpianatra any Chile, ka tamin'izany no nifaneken-dry zareo niaraka tamina mpianatra avy amina Anjerimanontolo hafa ny amin'io tetika fanoherana io ho setrin'ny politikan'ny governemantan'i Sebastián Piñera hametraka ny fitantana ho an'ny tsy miankina. Ireny politika ireny izay niroborobo teo ambanin'ny governemanta roa farany nifandimby teo, tanatin'ny politikan'ny Concertación (Fiaraha-mitantana), araka ny tatitry ny bilaogy mitantara ilay dian'ny fanoherana [es].
Tany ampiandohana, dia mpianatra telo monja no nandroso hevitra ny hanaovana Dia lavitr'ezaka hatrany Santiago, fomba iray hisarihana ny saina ho any amin'ny fanabeazam-bahoaka sy ny tokony hamonjena azy. Nitohy niroso hatrany ry zareo ary nahazo mpanaraka marobe ho amin'ny hetsika ataony. Avy ao amin'ny kaonty Twitter-ndry zareo, ilay vondrona dia miteny fa [es]:
NO SOLO LOS MINEROS NOS DIERON UNA LECCION @destinosantiago LO HACEN POR TU EDUCACION…por TUS HIJOS, POR TI RT
Ale Botinelli (@alebottinelli) dia mitondra ny fanohanany amin'ny alàlan'ity sioka ity:
400 kms de Convicciones!! Estudiantes marchan a Santiago por Educación digna y de calidad! @destinosantiago RT
Tamin'ny fandalovany tamin'ireo tanàn-dehibe any atsimon'i Chili, nihaona tamin-kafaliana ireo mpianatra: Ireo mpianatra telo avy amin'ny Anjerimanontolo izay nandao an'i Puerto Mont tamin'ny 30 septambra lasa teo ary nisy mpianatra telo hafa nirotsaka koa avy ao Osorno, dia tonga tao Temuco 12 andro taty aoriana, renivohitry ny faritra Araucanía. Noraisin'ny naman-dry zareo tao amin'ny Anjerimanontolon'i Frontera (UFRO) izy ireo ary nitombo koa teo ny mpanara-dia hafa nanatevin-daharana an-dry zareo.
Ny bilaogy Trinchera de la Imagen dia miteny fa ilay Dia lavitr'ezaka dia mikendry ny hanaitra ny sain'ny maro hibanjina ny zava-mitranga eo amin'ny fanabeazana amin'izao fotoana raha mbola eo an-dalam-pandinihana azy indrindra ny Tetibolam-Panjakana 2011. Dinihana ny fandraisan'anjaran'ny fanjakana amin'ny resaka fanabeazana.
Ni fitakiana dia mikendry ny hahazoana vola mismisy kokoa ho an'ny fanabeazana sy hanavaozana lalàna maro, raha ny filazan'ny bilaogy G80 [es].
En el Sistema Educacional chileno, priman los principios del Mercado, antes que un Estado responsable de entregar una Educación de Calidad para todos. Lo anterior conlleva a que en Chile exista una Educación para ricos y otra para pobres, donde los que pueden pagar el lucro de la educación privada o particular subvencionada pueden optar a una Educación de Calidad. Ante esto, decimos FIN AL LUCRO, CALIDAD PARA TODOS.
Ho an'ny Fiombonamben'ny Mpianatra Siliana (CONFECH) indray dia nanambara ry zareo tao amin'ny bilaogin-dry zareo hoe [es]:
por acuerdo unánime respalda y se adhiere a la manifestación iniciada por los Estudiantes de la Federación de la Universidad de los Lagos (Campus Puerto Montt), quienes emprendieron una caminata desde la ciudad señalada rumbo a la capital del País, convocando además a estudiantes que en el trayecto se plegarán a dicha manifestación, en repudio a la agenda privatizadora del Gobierno, en defensa y desarrollo de la educación pública
Comunicaciones FECH dia manolotra ilay Dia lavitr'ezaka ho toy ny hetsika fanoherana am-pilaminana miezaka misarika ny saina amin'ny tsy fahombiazan'ny rafi-panabeazana Siliana, izay tsy mitsaha-mitombo ny sarany ary miantraika amin'ny fahafaha-manjifan'ny isan-tokantrano sy ny mpianatra. Ny saran'ny fidirana amin'ny anjerimanontolo izay mametraka an'i Chili ho laharana faha-enina manerantany amin'ny halafosany. Ny tatitra dia milaza fa efa nialàn'ny Fanjakana madiodio:
Según expresó Cesar Mallipán, en un diario local: “a medida que vamos avanzando, pretendemos seguir socializando nuestras demandas sobre la urgente necesidad de un mayor financiamiento de las universidades estatales, y la democratización de esta.”
Pulso: Porque Chile Late [es] sy Redmedios [es] dia mitatitra mikasika ilay Dia lavitr'ezaka sady manentana ny hafa hirotsaka:
“Estudiantes de todo Chile de las Universidades se suman en el camino”
Mandritra izany ao amin'ny Twitter, be ny hafatra sy fanentanana ho fanohanana sy firaisankina nivoaka. Ohatra iray ny hafatr'i Veronica Ramirez (@noalachibueno):
Me gustaria que se unieran cada dia mas estudiantes a la caminata por la educacion publica de calidad.
Rene Aucapan (@ReneAucapan) sy mpampiasa Twitter hafa no nanomboka niantso fanohanana bebe kokoa tamin'ny alalan'ireo tambajotra sosialy:
Yo tambien Apoyo la Caminata de Estudiantes Por la Educacion Publica #YoApoyoCaminataEstudiantesUniversitarios
Caminata Santiago (@destinosantiago) dia mamoaka fanampim-baovao isanandro mikasika ireo tanan-dehibe lalovany ary momba ny hetsika fampahafantarana ataon'ny mpianatry ny Anjerimanontolo. Ny hafatra dia mafy sy mazava:
Y donde están los que decían que los caminantes se iban a volver a mitad de camino? Por la Educación Pública de Calidad,Fuerza Compas!! RT!!