- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Hifidy sa tsy hifidy?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fifidianana, Teknolojia

Miady hevitra amin'izay mahamety ny hifidianana na tsy hifidianana mpikambana parlemantera hotontosaina ny 9 novambra 2010 ity ny fiarahamonin'ny Twitter Jordaniana.

Mandefa andian-tsioka an-tserasera tahaka ity manaraka ity [1] ny mpanao fanentanana miaraka amin'ny governemanta, Sm3naSotak (Avelao ho henonay ny feonao) :

Why Vote? To break the stereotype! “Young people are lazy, they don't care, they won't vote.” Let's prove them wrong! #JO #JoElections

Nahoana no hifidy? hanala ilay fijery mahazatra! “kamo ny tanora, tsy miraharaha ka tsy hifidy.” Andao porofoina fa diso izany #JO #JoElections

Niteraka [valiny henjakenjana] teo amin'ny mampiasa Twitter tahaka an'i  Tarawneh [2] sy Hamzeh [3], izany fanentanana izany ka nanoratan'izy ireomifandimby tahaka izao:

@sm3nasotak telling us 2 vote 2 avoid being labelled with generalizations isn't a great strategy. dont mock our inteligence plz #JoElections

@sm3nasotak paika tsy mety loatra ny manao safobemantsina miteny aminay hifidy mba tsy ho [vosoketa]. Aza ambaniana kosa ny fahaizanay azafady #JoElections

@sm3nasotak Voting in #JoElections is an endorsement of a system that doesn't give people equal representation. Why should I endorse it? #JO

@sm3nasotak fanekena ilay rafitra tsy mampitovy isan-tsolontena ara-drariny ho an'ny vahoaka ny mifidy amin'ny #JoElections. Nahoana aho no hizaka izany? #JO

Avy eo moa dia nasehon'i Hamzeh ny andian-tsioka [4] manaporofo ny fitongilanan'ny fizarana ny ny isan-tsolotena:

An MP from Amman represents on avg 93k ppl while an MP from Karak represents on avg only 27k! & they dare ask why I won't vote? #JOElections

Misolotena olona tokony ho 93000 eo ho eo ny depiote avy any Amman raha olona 27000 kosa no isoloan'ny depiote avy any Karak tena dia nahoana ry zareo no mahasahy manontany ahy hoe nahoana no tsy hifidy? #JOElections

Manoratra i Mohammed Yousef [5]:

I won't cheat myself, I won't cheat Jordan: I'm boycotting #JoElections

Tsy hamita-tena aho ary tsy hamitaka an'i Jordania: manao ankivy ny fifidianana aho #JoElections

MJalaljel ni-tweet [6]:

Most of the smart/educated/thoughtful ppI I know (including me) r not voting…

Tsy hifidy ny ankamaroan'ny olona misaina sy manampahaizana (tahaka ahy)…

Saingy taorian'izay izy dia nankao amin'ny vohikala iray [7] manome ny mombamomba ireo kandidà hirotsaka ho parlemanter tsirairay:

#jo But for those who're voting in the next #JoElections, you HAVE TO check this before making your decision:http://www.ftf-jordan.org

Saingy ho an'ireo hifidy amin'ny fifidianana manaraka, HAMARINO aloha ity mialoha ny hanapahan-kevitra: http://www.ftf-jordan.org

Misy mpampiasa Twitter vitsivitsy kosa, mifanohitra amin'izany, fa mazoto tokoa amin'ny fanohanana ny fifidianana sady mandrisika ny hafa hifidy.Nisioka i Yasser Burgan [8]:

Will be flying to #Jordan tomorrow to go exercise my constitutional right & duty: to #Vote in the #JoElections

Hisidina ho any Jordania rahampitso hampihatra ny zoko sy ny adidiko araka ny lalampanorenana: Hifidy

Maro ihany koa ny namaly sioka [RT] ny fitsapana natao tany an-toerana [9], notarihan'ilay mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Jordaniana Aymen al-Saket. Nivezivezy tamin'ny mpisioka an-tserasera tamin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra #jo ny valin'izany fitsapana [sondage] izany. Tsy nampahafantarin'i Al-Saket ny isan'ny valiny azony, fa nahazo valiny farafahakeliny 35 izy, izay nanambarany fa 40% no tena mazoto amin'ny fisiahana an-tserasera ny fifidianana #jo. Asehon'ny valin'izany ary fa ny 19,8% tamin'ny namaly no nilaza tsy hifidy ampitahaina amin'ny 80,2% nilaza ny hifidy.

Niteny i Al-Saket fa hifidy izy satria,

1. It is a Constitutional Right.

2. There is a need to initiate the change, to start it, not make it.

3. If I don't vote, Parliament Members will be chosen on my behalf.

1. Zo araka ny lalampanorenana izany
2. Misy ny filana hanombohana ny fiovana, manomboka azy fa tsy manatontosa azy.
3. Raha tsy hifidy aho dia hiteny amin'ny anarako [ihany] ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta.