Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

09 Novambra 2010

Tantara tamin'ny 09 Novambra 2010

Rosia: Mihamaro ny mpanao gazety misy midaroka

Igor Podgorny no mitatitra ny nidarohana an'i Sergey Mikhailov, mpanao gazetin'i Saratov, izay nitranga ny 5 Novambra 2010. Kommersant koa manoratra ny nidarohana an'i Anatoliy Adamchuk mpanao gazety avy ao an-tanànan'i Zhukovskiy (faritra Moskoa) sady mpiaro ny  alan'i Khimki . Tamin'ny 7 novambra 2010 moa i Adamchuk no nisy nidaroka.

Kiobà: Fiaraha-mientana an-tserasera taoriana fianjerana voromby

Nisy voromby nianjera tany akaikin'ny tanànan'i Guasimal, miorina eo ho eo amin'ny 15 kilometatra avy eo amin'ny faritanin'i Sancti Spiritus afovoan'i Kiobà. 68 ny isan'ny maty. Minitra vitsivitsy toriana dia nifampita vaovao momba ity lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity tamin'ny alalan'ny Twitter ny Kiobàna.

Haiti: lahatsary mety mahavonjy aina

Indroa nitsidika an'i Haiti hirotsaka an-tsitrapo hanao izay vitany any an-toerana ilay farmasiana vavy mipetraka any San Francisco sady mpamaham-bolongana Dr. Jan Gurley hatramin'ny nisian'ny horohorontany tamin'ny 12 Janoary. Nifanandrify tamin'ny nielezan'ny valan'aretina cholera izay nahafatesana olona an-jatony sy an'arivony nampidirina hopitaly indray hatramin'ny nipoiran'ny trangan'aretina voalohany ny 19 oktobra...

Jordania: Hifidy sa tsy hifidy?

Miady hevitra amin'izay mahamety ny hifidianana na tsy hifidianana mpikambana parlemantera hotontosaina ny 9 novambra 2010 ity ny fiarahamonin'ny Twitter Jordaniana.

Danimarka: TV Kiorda Voampanga ho Manohana Mpampihorohoro

Voarohirohy ho manohana terorista (mpampihorohoro), hoy ny mpampanoa lalàna any Danimarka ny Roj TV, Fahitalavitra iray mandeha amin'ny zanabolana miteny amin'ny fiteny kiorda ary miorina any Danimarka. Mety ho foanana ny fahazon-dàlan'ny fahitalavitra rehefa mandeha ny fanadihadiana. Ny mpanao famotorana avy amin'ny fanjakana moa dia milaza fa miray tendro amin'ny...