- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Haino aman-jery manao an-tendrony sy ny fandisoam-baovao

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Zavakanto & Kolontsaina

Mpitoraka bilaogy iray tsy nitonona anarana ao amin'ny NewzJapan.com [1] no mitefotefoka ny fandrakofam-baovao nataon'ny CNN momba an'i Japana. Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Ny Halloween any Japana sy ny Tsy Fahampian'ny Firakohana nataon'ny  CNN [2] [amin'ny teny Anglisy] nilaza ilay mpitoraka bilaogy fa dia “gaga sy nivalaketraka” tamin'ny hamaivànana niresahan'ny sasantsasany tamin'ny lahatsoratra nosoratan-dry zareo momba ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao Japoney.