- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Côte d'Ivoire: Fifidianana filoham-pirenena an-tsary

Sokajy: Afrika Mainty, Eoropa Andrefana, Cote d'Ivoire, Frantsa, Ady & Fifandirana, Fifidianana, Vaovao Mafana

Nanatontosa ny fandrotsaham-batony [1] tamin'ny alalan'ny fifidianana filoham-pirenena [2] voalohany indray tao anatin'ny folo taona izao ny alahady 31 oktobra teo ny mpifidy voasoratra anarana any Côte d'Ivoire, izany dia noho ny ady an-trano [3] izay vaky nanomboka ny taona 2002 sy ny fifandirana nanaraka izany. In'enina nahemotra ny fifidianana nanomboka ny 2005 rehefa tonga teo amin'ny fetrany ny fe-potoana 5 taona nitondran'i Laurent Gbagbo amin'ny fomba ofisialy noho ny savorovoro nanodidina ny fanesorana ny fiadiana teny ampelatanan'ny mpioko sy ny lisi-pifidianana. Hotanterahina amin'ny 28 novambra ho avy izao moa ny dingana faharoa.

Na dia nisinisy ihany aza ny fahatarana teo amin'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana dia nilamina ihany tamin'ny ankapobeny ny fandrotsaham-bato. Nanangana  kaonty Twitter [4] ny African Elections Project [5] hanaraha-maso ny fivoaran'ny fifidianana nandritra ny dingana voalohany, ary nisioka an-tsarasera (ni-tweet) tamin'ny alalan'ny fampiasana ny tenifototra #civ2010 [6] kosa olo-tsotra tia mitati-baovao sy ny mpisioka an-tserasera tany Côte d'Ivoire nandritra io tontolo andron'ny fifidianana io. Indreto ny sary voafantina hita tao amin'ny Twitter nandritra ny androm-pifidianana:

[7]

Filaharana teo ivelan ny biraom-pifidianana iray tany Abidjan. Saripika AEP

[8]

Filaharana teo ivelan ny biraom-pifidianana hafa tany Abidjan. Saripika AEP

[9]

Mpifidy iray falifaly nampiseho ny fanondrony voamarika ranomainty avy nifidy. Saripikan i Nnenna Nwakanma

Raha somary afa-po sy nilamindamina ny mpifidy tany Côte d'Ivoire nandritra ny androm-pifidianana, dia hita ho nanam-pahasahiranana kosa ireo mpiray tanindrazana aminy any Frantsa tamin'ny fanefana ny adidiny. Teo ho eo amin'ny 11.500 eo ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana tany amin'ny biraom-pifidianana 28 nisy tany amin'ny faritr'i Paris, saingy  araka ny nolazain'ny France24 [10] dia maro tamin'izy ireo no tsy nisokatra tamin'ny alahady ka niteraka hatezerana tamin'ny mpifidy. Naka sary ireo 500 nivorivory ivelan'ny masoivoho Ivoariana tao an-drenivohitra frantsay boriborintany faha-16 ny mpisioka an-tserasera Jolan K [11] .

[12]

Ireo Ivoariana miandry ny fotoana hifidianany eo ivelan'ny masoivoho any Paris. Saripikan i Jolan K

Ny mpanoratra Amerikana Carol Spindel izay nanoratra boky momba ny fiainana an-tanàna ambanivohitra Ivoariana iray nitondra ny lohateny hoe In the shadow of the sacred grove [13], roapolo taona lasa izay dia nizotra nankany Côte d'Ivoire indray hiresaka momba ny fifidianana filoham-pirenena. Noho io toe-javatra iray io indrindra no nananganany bolongana iray, One village votes [14], izay anangonany antontan-kevitra miresaka ny fomba fifidianana. Tamin'ny alahady moa dia namoaka sary maromaro [15] nitranga nandritra ny fifidianana tany avaratr'i Korhogo izy:

[15]

Fifidianana tany Korhogo. Saripikan i Carol Spindel

Andro vitsy lasa izay dia namangy fikambanam-behivavy iray izay nianatra ny fomba atao rehefa mifidy tao anaty aizina, miaraka amin'ny fanilo sy ny dikasarin'ny vatom-pifidianana tany an-tanàna kely ambanivohitra akaiky an'i Korhogo i Carol:

[16]

Vehivavy nianatra ny fomba fifidianana andro vitsy nialoha ny fifidianana. Saripikan i Carol Spindel.

Tokony ambara amin'ny fomba ofisialy ao anatin'ny 72 ora manaraka moa ny valim-pifidianana tamin'ny alahady teo.