Tantara tamin'ny 03 Novambra 2010
Côte d'Ivoire: Fifidianana filoham-pirenena an-tsary
Nanatontosa ny fandrotsaham-batony tamin'ny alalan'ny fifidianana filoham-pirenena voalohany indray tao anatin'ny folo taona izao ny alahady 31 oktobra teo ny mpifidy voasoratra anarana any Côte d'Ivoire. Indreto ny sary voafantina hita tao amin'ny Twitter nandritra ny androm-pifidianana
Zeorzia: Fandinihana momba ny Fampianarana sy Fianarana
Mampianatra sy Mianatra miaraka amin'i Georgie Georgia (TLG) dia tetik'asa iray novolavolain'ny Minisiteran'ny Fampianarana sy ny Siansa any Zeorzia (MES) hikendrena manokana ireo olona tompon'ny teny miisa 1000 mahay miteny anglisy ka te hampianatra any amin'ny sekoly any an-toerana mandritra ny taom-pianarana 2010-2011. Ny andiany voalohany amin'ireo mpampianatra ireo no...
Shina: Lisitra maintin'ireo mponin'ny aterineto
Mponin'ny aterineto 80 no nataon'ny governemanta ao Shanghai ao anaty lisitra mainty ary navoaka ho fanta-bahoaka ny anarana sy ny laharana IP ampiasain-dry zareo tao amin'ny tranonkala the Expose Channel of Shanghai Internet Social Credibility. Ny ankamaroan'ireo mponin'ny aterineto tafiditra ao anaty lisitra dia voampanga ho nanohintohina toy ny hoe ...
Nalàn'i Torkia ny fanakànana ny YouTube, saingy ho fotoana fohy monja ve izay famahàna izay?
Voasakana tao Torkia hatramin'ny 2007 ny YouTube. Ankehitriny, sambany tao anatin'ny roa taona, azo tsidihana indray izao ao Torkia ilay tranonkala fifampizaràna lahatsary be mpampiasa. Satria naverina nosokafana indray ilay tranonkala, naverina napetraka ireo lahatsary fototry ny fanakànana tany aloha tany. Dia ho fotoana fohy ihany ve ilay famahàna sa efa hizotra mankany amin'ny fahalalahan'ny aterineto i Torkia?