FOKO: Tamboho Gasy

Ny mpitoraka bilaogy ao amin’ny Rising Voices mpikambana ao amin’ny FOKO Madagasikara dia mankafia manoratra mikasika ny tontolo manodidina azy ireo. Ariniaina ao amin’ny Dago Tiako dia milaza ny mombamomba ny “Tamboho gasy” – Tamboho Malagasy nentim-paharazana:

Tamboho gasy. Sary: Ariniaina

Raha mivoaka an’Antananarivo ianao, dia mety mahatsikaritra  tany “ngazana” (tsy misy trano na voly) voahodidina rindrina miloko volontany. Ireo rindrina ireo no antsoina hoe “tamboho gasy”. Ny taranaka ankehitriny, na Malagasy na vahiny, dia talanjona foana rehefa mahita an’ireto rindrina ireto noho ny fahafantarany fa izy ireto dia namboarina efa zato taona mahery izay.

Tahaka ny ankizy rehetra, tamin’ny fahazazako, dia zatra nametraka fanontaniana betsaka aho hoe ahoana, maninona… ny zavatra no natao. Tsaroako, indray andro, tao an-jaridaina aho niaraka tamin’ny raiko ary nahasintona ny masoko ny ilany iray amin'ny fefinay izay niavaka tamin’ny rindrina hafa. Noho izany, nanomboka nametraka fanontaniana aho. Nazavain’ny raiko fa “tambohon’ny Ntaolo” io ary vita tamin’ny tany, rano ary tain’omby.

Andry ao amin'ny Cyber observer dia manoratra momba ny kolikoly ao amin'ny fireneny:

Transparency international dia namoaka tao anatin’ny tatitra nataony fa hatramin’ny fiantombohan’ny Tetezamita, ny toetry ny kolikoly eto Madagasikara dia niharatsy. Araka io tatitra io, Madagasikara izao dia eo amin’ny laharana faha-13 amin’ny lisitra firenena miisa 178.

Ny sehatra rehetra mahakasika ny fitantanan’ny fanjakana dia “tafiditra” avokoa.

Tahina dia mampita fanangonan-tsonia amin’ny aterineto izay tohanan’ny WWF mba hampiatoana ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna eto Madagasikara.

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Ariniaina

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.