- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Tandindonin-doza ny Fahalalahana maneho hevitra

Sokajy: Azerbaijan, GV Mpisolovava

Lahatsoratra nasaina avy amin'i Rebecca Vincent, Advocacy Assistant ho an'i  Azerbaijan sy Tomponandraikitry ny Fandaharan'asa Eraopa ao amin'ny  ARTICLE 19 [1]. Ho fanampim-baovao misimisy kokoa, iangaviana ianao hifandray amin'i  Rebecca Vincent amin'ny mailaka: rebecca [ at ] article19 [ dot ] org.

LAHATSORATRA AM-BILAOGY: Nosintonina avy amin'ny tati-baovao nitondra ny lohateny hoe Tandindonin-doza ny fahalalahana maneho hevitra: ny fikororosin'ny tontolon'ny asa fanelezam-baovao ao Azerbaijan [2].

Ilay tatitra dia vokatry ny  iraka fanadihadiana nitambaram-be natao momba ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra teo anelanelan'ny 7 sy 9 Septambra 2010. Ireo solontenan'ny iraka dia nihaona tamina mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy, nanangona fijoroana vavolombelona avy amin'ireo sisam-paty tamin'ireo fanafihana mahery vaika, ary koa tamin'ny havan'ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy voatàna am-ponja, isan'ireny i Hikmet Hajizade, rain'ilay mpitoraka bilaogy Adnan Hajizade izay notanana am-ponja. Ireo solontenan'ny iraka koa dia nanatanteraka fihaonana niarahana tamin'ny fiarahamonin'olon-tsotra sy ny solontenan'ny governemanta.

Hikmet Hajizade, rain'ilay mpitoraka bilaogy Adnan Hajizade izay notanana am-ponja

Ny fikororosin'ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ilay firenena dia vokatry ny fironana maro mampiahiahy, toy ny fitohizan'ny fandefasana any am-ponja ny mpanao gazety na mpitoraka bilaogy mivoy fanehoan-kevitra miaty fanakianana; ny sangodina herisetra mitohy atao amin'ireo mpanao gazety ary ny toerana tsimatimanota misy an'ireo izay manao ireny fihetsika ireny; sy ny fitohizan'ny fametrahana ny fitorohana imasom-bahoaka ho toy ny heloka bevava ao anatin'ny lalàna ao an-toerana. Tena mampiahiahy ireny fironana ireny, indrindra indrindra fa efa manakaiky ny fifidianana parlemantera, kendrena hatao ny 7 Novambra 2010.

Ireo solontenan'ny iraka dia nahatsikaritra fa ny tsy fanànana toky lalim-paka misy eo amin'ny fiarahamonin'ny mpanely vaovao dia voatsentsin'ny tanjaka sy ny hafanam-po manjàka amin'ireo mpitoraka bilaogy sy ireo mpampita vaovao an-tsoratra hafa amin'ny aterineto. Raha eo ambany saokan'ny governemanta ireo fampitam-baovao mahazatra (nentim-paharazana) na miatrika tsindry aloka avy amin'ny manampahefana, dia afaka kosa nameno ny banga ny fampitam-baovao amin'ny aterineto ary nahavita nandrakotra tamin'ny fomba mahaliana ny tena zava-misy.

Ny fifanandrinan'ny haino amanjery vaovao sy ny haino amanjery nentin-drazana

Tsy mazava tsara ny toerana misy an'ireo mpitoraka bilaogy sy olon-tsotra mpanao gazety ao  Azerbaijan. Ny filohan'ny Departemanta sosialy sy politika ao amin'ny Fiadidiana ny Fitondram-panjakana, Ali Hasanov, dia nilaza ho ren'ny rehetra fa  “tsy mpanao gazety ny mpitoraka bilaogy” mba ho làlana iray  hialàna ny fanakianana iraisam-pirenena miantso fanafahana ho an'ireo mpitoraka bilaogy roa nofonjaina.

Ny sasany tamin'ireo mpitoraka bilaogy tafahaona tamin'ny iraka dia mitaraina mikasika ny tsy fanekena azy ireo ho toy ny mpanao gazety sy ny tsy fahafahan-dry zareo misitraka ny zo sy ny tombontsoa sosialy omena ny mpanao gazety. Kanefa, ny fanerena ny mpitoraka bilaogy mba hisoratra anarana any amin'ny Ministeran'ny Fitsarana dia mety hitondra loza mankamin'ny fisiana sokajina mpitoraka bilaogy eken'ny manampahefana ny fisiany, sy ny sokajy iray hafa  “mpitoraka bilaogy tsy ara-dalàna,” izay ho mora ianjadian'ny faneriterena.

Misedra olana noho izany ireo mpitoraka bilaogy amin'ny ezaka ho fanangonana vaovao ofisialy satria tsy heverina ho toy ny mpanao gazety izy ireny. Nefa koa maro amin'ireo tsy miankina sy mpanao gazety mpanohitra no miatrika an'io olana io.

Tontolo iray mavitrika amin'ny fitorahana bolongana

Misy fahasamihafàny ihany ny isa nomen'ireo olona natonin'ny iraka. Raha ny isa ofisialy, ampahatelon'ny mponina (olona 2.5 tapitrisa) ihany no manana fahafahana miditra amin'ny aterineto. Nipariaka be tsy nisy toy izany ny tontolon'ny fitorahana bolongana tato anatin'ny telo taona farany. Iray aliona no lazaina fa mavitrika, nefa rehefa tena zahàna dia an-jatony eo ihany ireo tena mametraka ny dian-tànany ao amin'ny tontolon'ny fitorahana bolongana Azerbaijani.

Bloqosfer 2010, sehatra iray fifanakalozan-dresaka ho an'ireo mpitoraka biolaogy no natao taorian'ny nahataperan'ny iraka nanomboka ny 10 hatramin'ny 12 Septambra 2010. Noraisina ho toy ny fanomezam-boninahitra ny firoboroboan'ny tontolon'ny fitorahana bolongana Azerbaijani nandritra ireo telo taona lasa izy io, na koa ho toy ny fiaingàna vaovao. Raha araka an'i Elnur Kelbizadeh, 50 ny mpitoraka bilaogy tonga nanatrika azy io, ary toy ny fotoana iray hisehoana ho tahaka ny hoe fianakaviambe iray sy hanamafisan-dry zareo ny fifandraisany ho an'ireo mpitoraka bilaogy, ireo manampahaizana manokana amin'ny haino amanjery vaovao sy ireo manampahaizana hafa momba ny aterineto, eny fa hatramin'ireo solontena avy amin'ny indostria sy ny fiarahamonina sivily. Nanatrika ilay hetsika ny solontena avy amin'ny manampahefana. Ny sasany tamin'ireo mpitoraka bilaogy dia nitaraina noho ny tsy niresahana ny tranga famonjàna mahazo ireo mpitoraka bilaogy roa nandritra ilay sehatra fifanakalozan-dresaka, fa ny hafa kosa nanazava hoe ny endrika sosialin'ny fitorahana bilaogy no foto-dresaka fa tsy ny olana ara-politika.

Nisy resaka tanaty aterineto naka toerana teo amin'ireo mpitoraka bilaogy avy any  Azerbaijan, Armenia sy Georgia. Araka ny hevitry ny mpitoraka bilaogy iray nandray fitenenana nandritry ny fihaonambe iraisam-pirenena iray natao tany  Budapest ny 20 hatramin'ny 22 Septambra 2010, rehefa misy zava-tsy manjary midona amin'ireo mpitoraka bilaogy any  Azerbaijan, mety hanaraka izany ohatra izany koa ireo firenena mpifanolo-bodirindrina toa an'i Armenia sy Georgia.

Haino amanjery mihetsiketsika amin'ny aterineto

Misy porofo velona manome fanantenana ny amin'ny fisian'ny haino amanjery anaty aterineto mihetsiketsika sy miroborobo, isan'izany ny  fahitalavitra anaty aterineto toy ny  Obyektiv TV, ANTV, sy Kanal 13. Ireo mampiasa ny tontolo niomerika ho fanaovana tatitra, fampielezana hevitra sy fampahafantarana dia nampiseho fahavononana sy fitokisana izay  fambara tsara ho an'ny hoavy. Nifandrombaka nandray ireo tombontsoa entin'ny  Web 2.0 ny tanora. Ny sasany tamin'ireo tranonkala be mpahalàla, toy ny  Tac.az, dia nanomboka nijery ny olana mahazo ny tanora ao Azerbaijan. Havaodsutorpag.com, open.az, contact.az, sy irfs.az koa dia isan'izay nahazo taham-pihainoana nahaliana. Facebook izao efa manana mpampiasa manodiodina ny  170,000 manerana ny firenena, ny ankamaroany dia 18 ka hatramin'ny 30 taona. Tsy dia malàza loatra ny  Twitter, na dia teo aza ny “Revolisiona Maitso / Green Revolution” tany Iran izay nitondra ny anjara birikiny ho fampahafantarana azy io bebe kokoa tany Azerbaijan, araka ny filazan'ireo mpitoraka bilaogy tafaresaka tamin'ny iraka.

Miaraka amin'ny fifidianana parlemantera hatao ny Novambra 2010, misy vondrona sy pejy Facebook mipongatra, noforonin'ireo endrika diso fantatra eo amin'ny sehatra politika toa an'ilay mpanao fanadihadiana ara-politika sady mpirotsaka hofidiana manana ny lanjany, Ilgar Mammadov na Erkin Gedirli, mpisolovava iray izay efa manana mpikambana maherin'ny 400 ao amin'ny vondrona natsangany. Iaraha-mahita ny tsy fahampian'ny  hamaroana lafy  raha ny resaka haino amanjery sy ny olan'ny fidirana amin'ireny  haino amanjery ireny ho an'ireo mpikambana avy amin'ny sehatra politika mpanohitra, fa afaka tsara manome sehatra ho an'ireo mpanakiana ny governemanta hanehoany hevitra kosa ny haino amanjery sosialy sy anaty aterineto.

Ireo fikambanana sivy nandray anjara tamin'ilay iraka nitambaram-be dia mpikambana daholo ao amin'ny Vondrona Fiaraha-mientana Iraisampirenena ho an'i Azerbaijan, ary miara-miasa mavitrika hanàndratra sy hiaro ny zo maha-olona. Ireo fikambanana nandray anjara dia ahitàna ny : ARTICLE 19 [1]; Freedom House [3]; Index on Censorship [4]; International Federation of Journalists [5]; Media Diversity Institute [6]; Open Society Foundations [7]; Press Now [8]; Reporters Without Borders [9]; sy World Association of Newspapers and News Publishers [10].