- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Horohorontany, Tsunami, Fipoahana Volokano ao anatin'ny 48 ora

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina
[1]

Sary mampiseho ny vokatry ny fipoahan'ny volokano, ay amin'ny pejy FB an'i Jogjaku

Tsy vahiny intsony amin'ny loza ara-boajanahary i Indonezia nanomboka tamin'izy tsy afa-niady tamin'ny rivodoza, ny horohorontany ary ny fipoahana volokano noho ny toerana misy azy rahateo ao amin'ny Pacific Ring of Fire (zetran'afon'ny Pasifika) [2]. Nefa tamin'ity herinandro ity, tratran'ny tsy nampoizina i Indonezia rehefa nifanesy nianjady [3] tamin'ny nosy ny horohorontany, tsunami sy ny fipoahana volokano tao anatin'ny 48 ora latsaka monja. Eritreretina ho mihoatra ny 500 [4] ny maty ary fianakaviana an'arivony maro no mila famonjena maika.

Efa tafakatra sahady ao amin'ny Facebook ny sarin'ny fiantraikan'ireto loza telo [5] ireto. Potsero eto [6] raha hijery ireo sarin'ny fipoahan'ny volokano Merapi, iray amin'ireo volokano mpihetsiketsika sy mampidi-doza indrindra maneran-tany. Mandritra izany ny nosy Mentawai, tratran'ny tsunami ka ireto ny sary [7]. Azo jerena ato ny saritanin'i [8] Mentawai.

Tweets avy any Jakarta

mellydjie: [9] Loza ara-boajanahary maro nianjady amin'i Indonezia, tena mampalahelo…ny firehetan'ny ala, fihotsahan'ny tany, horohorontany, tondra-drano, tsunami. Ndeha hivavaka ho an'i #Indonezia.
veranotariza09: [10] RT @devinoliver: Horohorontany, tsunami goavana,tondra-drano ary fipoahana volokano no niseho nandritra ny 48ora lasa teo. Mba #mivavaha hoan'iIndonezia
marshawenur: [11] @Ryota_sw yea, somary mitokantokana ihany ny toerana nisian'ny tsunami, nosikely maromaro. Ka somary sarotra ihany ny ho any ho an'ireo mpamonjy voina. Mampalahelo
NinRex: [12] RT @radhialyani: Ny fipoahan'i merapi, tsunami tany mentawai & aceh, horohorontany tany jogja & tasik, niseho tamin'ny andro iray avokoa: 26
winnielimawan: [13] Aza mitsahatra #mivavaka ho an'i Indonezia, mila fanarenana isika ho an'izay nitranga: horohorontany, tsunami, fipoahana volokano, tondra-drano. Andriamanitra ô, areno ny firenenay
myBny: [14] ndeha hiray hina sy hifandray tànana mba hanampy ireo namantsika any Wasior, Mentawai ary ny tendrombohitr'i Merapi (indonezia)
Gupta1978: [15] Amin'ny fotoana toa izao no ahatsapàko, tsy misy dikany ny loza mihatra amiko raha mitàha amin'ny anareo ry rahalahy sy ranabavy isany, vahoakan'i Mentawai sy Merapi.Andriamanitra hitahy!
tatterscoops: [16] Miarahaba! andro mandrahona indray aty Jakarta. Miara-ory amin'ireo trà-doza any Mentawai, Merapi aho, ary aoka tsy hadino koa ny vahoaka Wasior any Papua
FadhilaAgustina: [17] Tsy ampy ny mivavaka fotsiny ho an'ireo trà-doza any Mentawai sy ny afovoan'i java,mila sakafo sy akanjo ary fanafody izy ireo mba hivelomana…

Nampatsiahy ny tsirairay ny lozan'i Aceh [18] taona vitsy lasa izay ny tsunami farany teo, sy ny tondra-drano [19] tany Papua Andrefana tamin'ny voalohandohan'ny volana Oktobra teo.

[20]

Sary avy amin'ny pejy FB an'i Jogjaku

Ny hafatra fampaherezana avy amin'ilay mpihira Justin Bieber dia nentin'ny mpampiasa aterineto sasany hanasongadina ny “fahataràn'ny hetsika” avy amin'ny governemanta

justinbieber: [21] vao avy nahare momba ny horohorontany tany Indonezia. aoka isika tsirairay samy hivavaka ho an'ny olona any. #prayforindonesia
martinmanurung: [22] RT @hansdavidian: Ho an'Atoa Filoha, resin'i @justinbieber ianao tamin'ny fanehoana ny fiaraha-miory amin'ireo mpiray tanindrazana aminao izay lavo. Ianao Atoa dia henatra ho an'ny firenentsika.

Lasa resaka nalaza ny tenifototra #prayforindonesia [23] tao amin'ny Twitter nandritra ny andro maro. Ireto misy santionany amin'ny hafatra twitter avy any Malaizia [24], Singapore [25], ary Manila [26].

[23]

resaka maneran-tany momba ny #prayforindonesia ao amin'ny trendsmap

Vondrona maro no mikarakara ny ezaka famonjena, ao koa ny vondrom-piarahamonin'ny mpitoraka blaogy [27].

• Vokovoko Mena Indoneziana: Kaonty BCA Laharana 0353112233; Anaran'ny kaonty: Palang Merah Indonesia
• Lazis Muhammadiyah: BCA No. 8780171171;Mandiri No. 1230099008999; BNI Syariah No. 0091539444
• Vondron'ny mpitoraka blaogy: Manome vatsy ho an'i Jl Langsat 1 Laharana 16, Mayestik, Jakarta Atsimo  Ismira Lutfia & Nurfika Osman

Maneho hevitra [28] momba ny valinteny avy amin'ireo fikambanana sy olon-tsotra isan-karazany i Cafe Salemba

Mirary fiononana feno ho an'ireo tratran'ny tsunami tany Mentawai, Sumatra ary ny fipoahan'ny volokano tany an-tendrombohitr'i Merapi any Afovoan'i Java, tamin'ity herinandro ity aho.
Indrisy fa ny eo ihany no miverina: fahataràn'ny hetsika sy tsy fahampian'ny fandaminana avy amin'ny governemanta, minisitra vendrana manameloka ireo trà-doza ho tsy nanaraka ny lalàn'Andriamanitra, figafian'ny fampitàm-baovao, mpampiasa aterineto tsy manàm-panahy ka mamoaka sarin'ireo trà-doza tsaboina, sy ny sisa.