01 Novambra 2010

Tantara tamin'ny 01 Novambra 2010

Azerbaijan: Tandindonin-doza ny Fahalalahana maneho hevitra

GV Mpisolovava  01 Novambra 2010

Ilay tatitra dia vokatry ny iraka fanadihadiana nitambaram-be natao momba ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra teo anelanelan'ny 7 sy 9 Septambra 2010. Ireo solontenan'ny iraka dia nihaona tamina mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy, nanangona fijoroana vavolombelona avy amin'ireo sisam-paty tamin'ireo fanafihana mahery vaika, ary koa tamin'ny havan'ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy voatana am-ponja, isan'ireny i Hikmet Hajizade, rain'ilay mpitoraka bilaogy Adnan Hajizade izay notanana am-ponja. Ireo solontenan'ny iraka koa dia nanatanteraka fihaonana niarahana tamin'y fiarahamonin'olon-tsotra sy ny solontenan'ny governemanta.