- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbabwe: Minisitry ny Varotra sy ny Indostria mampiasa twitter mba hamoahana ny adin-tsainy

Sokajy: Afrika Mainty, Zimbaboe, Politika, Teknolojia

[1]

Ny 22 Oktobra 2010, i Hope, zimbaboeiana mpitoraka bilaogy, dia nahamarika fitorahana twitter nirarak'ompana avy amin'ny  Professeur Welshman Ncube [2], Minisitry ny Varotra sy ny Indostria ao Zimbabwe sady Sekretera Jeneralin'ny  antoko MDC [3].

Tao anaty lahatsoratra am-bilaogy iray nivoaka tamin'ny Sokwanele: This is Zimbabwe [4] nitondra ny lohateny, “Mampiasa ny twitter ny Profesora Welshman Ncube mba hizaràna ny adin-tsainy,” [5] hoy i Hope nanoratra:

Ny sombintsombiny mba hitako dia ampy  hamoha ny fahalinako hitsidika ny twitter-ny mba hamaky misimisy kokoa. Hitako avy eo fa hay efa ho adiny roa izy no nanoratra foana tao, ary ny fitambaran'ny bitsika (tweets) avy aminy dia tena fanambaràna atao anaty aterneto.

Nampakatra sasantsasany tamin'ireo famoahana farany nivoaka tao amin'ny famahanan'i Prof. Ncube [6]:

Ho anareo izay tsy mampiasa twitter, dia adikako eto ambany ieto izy ireny, amin'ny endrika mitsipotipotika araka izay nivoahany tao amin'ny famahananyu, arakaraky ny fotoana nivoahany:

Amin'ny maha antoko (MDC) dia niasa nifanaraka tanteraka tamin'ny soatoavinay izahay. Amin'ny maha MDC tsy niady seza velively izahay.

Ho anay dia tsy resaka seza no inona fa ny hoe inona no azonay atao mba hanatsaràna ny fiainam-bahoaka.

Miady saina izahay noho ireo mpiara-miombon'antoka aminay nanao izay hampitarazoka ny fametrahana manontlo ny  GPA momba ireo olana toy ny fanendrena an-dry  Gono, Tomana sy Bennett [Avy amin'ny mpandika: GPA na Global Political Agreement no milahatra amin'ny an'ny Malagasy hoe Fifanarahana Ara-Politika amin'ny Ankapobeny]

Tsy ireny fanendrena ireny akory no hataontsika sàkana tsy hampihatra ireo teboka hafa rehetra nifanekentsika

Nambarantsika fa tsy ny teboka toy  ireny olana ireny no hanakana antsika tsy hampihatra feno farafaharatsiny ireo hafa voarakitry ny GPA.

Indrisy fa na ny  MDC-T, na ny  ZANU PF dia samy nampiasa ireny zavatra ireny ho fitaovana hiadiam-barotra hiarovana ny tombontsoan'antokon-dry zareo

Raha ny fivakisana no jerena, tena lalim-paka ny alahelonay noho ny tsy fahombiazan'ny fifampiresahana ho famitrànana ho tokana ny MDC. Nanana fifanekena iray tamin'ny MDCT ho fampiraisana izahay.

Tapaka ilay izy fa ny andro tokony ho nanaovanay ny fanambaràna dia nandà ireo zava-boarakitry ny fifanatonana ny MDC-T ary nanampy fitakiana vaovao hafa indray

Noho izany, ny antony tsy ananantsika MDC tokana dia satria nandà nireo mpiara-miombon'antoka. Izay no voarakitra

Ireto ambany ireto ny sasantsasany tamin'ireo bitsika nalefany faramparany.
Fihaonan'ny Kabinetra [7]:

Tao amin'ny Kabinetra androany!!! Tsy nisy nikofohana!

Momba ny fanitsiana ny lalampanorenana [8]:

Izaho indray tsy hanohana fanitsiana lalampanorenana mba ho fihazonana ny sasany aminay eo amin'ny toerana misy anay ankehitriny toy ny (tohiny) http://tl.gd/6llaq5

Momba ny herisetra [9]:

Fitaovana famaliana faty ho antsika ny herisetra.  Over e past 6 months, cooperation among the political parties has been undermined, especially by ZANU #randomquote

On thieves [10]:

Ny mpangalatra, manomboka amin'ny fangalaran vatomamy izy ireny ary miafara amin'ny fanafihana mitam-piadina.


Ny amin'ny filàna ny fifanatonana ao anaty governemanta iraisana
:

Ao anatina fifandroritana, mandeha ho azy ho an'ireo antoko ao anatin'ny fiaraha-mitantana ny fifampiresahana amin'ny hafa alohan'ny hanapahana hevitra

Mikasika ny zavatra ataon'i Mugabe mifanohitra amin'ny fanahin'ny governemanta iraisana [11]:

Ny fanamafisana amin'ny toerany ireo Governora nataon'ny Filoha dia mifanohitra amin'ny fanahin'ny G.P.A raha ny fijerinay azy, ary mazava loatra fa tsy hankasitraka ny toy izany izahay

Faly i Hope [5] amin'ny fahitàna Zimbaboeiana iray mpanao politika any anaty  saingy…

Tsy maintsy ambarako fa ny hafaliako nahita Zimbaboeiana iray mpanao politika  mampiasa twitter dia tsy mahasarona velively ny ahiahiko lalina: raha toa ka ho tapaka ny GPA, hitondra an'i Zimbabwe ho aiza izany?

Tsy misy mihitsy afaka hilaza fa an-dàlana ho any amin'ny fandriana fahalemana isika, ary tsy misy afaka hilaza fa hoe efa tafapetraka avokoa ireo fitaovana fototra mba hisian'ny fifidianana malalaka sy madio ary demaokrasia marin-toerana.