- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Tanàna nodoran'ny Dahalo nandritra ny halatr'omby

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina

Notafihin'ny Dahalo ny tanànan'Ampasimbe sy Ankenihenibe [teny Frantsay [1] | ndlr. any Fenoarivobe, faritra Bongolava, tamin'ny Talata 28 Septambra 2010] ary dia samy nangalarany omby miisa 18 sy 15. Raha lasa nanenjika ireto Dahalo ireo vatan-dehilahy tao an-tanànan'Ampasimbe, dia kilan'ny afo tsy tra-drano ireo trano tao an-tanàna nohon'ny rivotra izay nitsioka mafy [ndlr. trano 18 may ary tsy manan-kialofana mahatratra 122].