- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: Nodimandry ny filoha teo aloha Nestor Kirchner

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ny marainabe, ny andron'ny alarobia, ny filoha teo aloha, Nestor Kirchner, sady vadin'ny filoha ankehitriny Cristina Fernandez no nodimandry noho ny aretim-po tany Calafate, toerana any Patagonian toerana izay niainany tamin'ny herintaona.

Niteraka fivorivoriana isan-karazany nanerana ny afovoan-tanànan'i Buenos Aires sy nandritra ny tontolo andro ity fahafatesan'i Kichner tampoka ity na dia andro tsy niasana aza ny fotoana noho ny fanatanterahana ny fanisam-bahoaka. Antenaina hisy ny fiaretan-tory ao amin'ny Casa Rosada (Lapan'ny Governemanta), toerana mahazatra fiasan'ny filoham-pirenena.

[1]

Nestor Kirchner. Sary ao amin'ny flickr an'i Mariano Pernicone, ary nampiasaina noho ny alalana Attribution 2.0 Generic Creative Commons license

Maro ny fitohizan-dresaka taty amin'ny bolongana. Ao amin'ny ArtePolítica [2] [es], i Juan Pablo Cappelli no manoratra ny fandraisana anjara lehibe nataon'i Kirchner,

fue devolverle la política a la sociedad, al pueblo. Demostrar que el cambio es posible, descolonizar nuestro pensamiento. Antes pedíamos que se vayan todos y ahora muchos queremos entrar, antes decían “algo habrán hecho” y ahora decimos “hagamos algo”, porque sabemos, ahora mas que nunca, que es la política la única herramienta de transformación de la sociedad

nitondra ny politika ho an'ny fiaraha-monina, ho an'ny sarambambem-bahoaka. Nanaporofo fa mety ho tanteraka ny fiovana, nanala ny fanjanahana ara-tsaina tao anatintsika. Nahazatra antsika ny mitaky ny rehetra hiala fa ankehitriny te-hiditra ao ny maro amintsika, nahazatra antsika ny niteny hoe “tokony hanao zavatra ry zareo” fa ankehitriny isika miteny hoe “Andao isika hanao zavatra,” satria efa fantatsika, indrindra ankehitriny ho mandrakizay, fa ny politika irery ihany no fitaovam-panovana ny fiaraha-monina.

Ao amin'ny Los Tres Chiflados [3] [es] no ilazan'i Larry,

Gracias Néstor, ahora voy a despedirte junto al pueblo, en forma de agradecimiento por demostrarme con actitud y hechos que otra Argentina es posible, que la historia puede cambiarse si se tiene coraje y convicciones

Misaotra anao, Nestor, hiaraka amin'ny olona aho hanao veloma anao, mba ho fomba ankasitrahako tamin'ny nampisehoana tamiko fa mety ho tanteraka tokoa izany hoe Arzantina hafa izany, fa mety hiova ny tantara raha manana fahasahiana sy fandresen-dahatra anaty isika.
Poster reads: Image by flickr user Beatrice Murch, used under an Attribution 2.0 Generic Creative Commons license [4]

Hoy ny vakin'ny sora-baventy: "Misaotra anao Nestor tamin'ny namerenanao ho anay ny zonay. Tsy hanadino anao na oviana na oviana izahay. Mahereza Cristina." ISaripika avy amin'ny mpampiasa flickr Beatrice Murch, nampiasaina araka nyfahazoan-dalana Attribution 2.0 Generic Creative Commons license

Ao amin'ny La Ciencia Maldita [5], no ilazan'i Lucas Llach,

Pobre Cristina — nuestras humildes condolencias. Ojalá que tenga el ánimo para que el ciclo kirchnerista termine con el balance generalmente positivo que –en el neto de causas y azares de todos colores– tiene de momento

Eny ry Cristina [mampalahelo]– mahaiza mionona. Manantena aho fa ho hitan-dRtoa ny mamarana ny vanim-potoanan'i Kirchner amin'ny endrika tsara fahita amin'ny ankapobeny.

Noticias del Sur [6] [es] moa nanangona ny fanambaran'ny mpitondra Amerikana Latina hafa. Ao amin'ny Mide/No Mide [7] [es] sy ny Lo que digo y no hago [8] [es] no mivoitra fa nampiaka-tsanda ny tahiry sy ny [vola] Arzantina ny fahafatesan'i Kirchner.

Resaka hafa any amin'ny bolongana: Mendieta el Renegáu [9] [es]; Denken Uber [10] [es]; República Unida de la Soja [11] [es]; Conurbanos [12] [es]; Tirando al Medio [13] [es]; ary Finanzas Públicas [14] [es].

Tao amin'ny Twitter, “Néstor Kirchner [15]” wasno iray amin'ny fironana nalaza manerantany nandritra ny andron'i Alarobia.