Ny marainabe, ny andron'ny alarobia, ny filoha teo aloha, Nestor Kirchner, sady vadin'ny filoha ankehitriny Cristina Fernandez no nodimandry noho ny aretim-po tany Calafate, toerana any Patagonian toerana izay niainany tamin'ny herintaona.
Niteraka fivorivoriana isan-karazany nanerana ny afovoan-tanànan'i Buenos Aires sy nandritra ny tontolo andro ity fahafatesan'i Kichner tampoka ity na dia andro tsy niasana aza ny fotoana noho ny fanatanterahana ny fanisam-bahoaka. Antenaina hisy ny fiaretan-tory ao amin'ny Casa Rosada (Lapan'ny Governemanta), toerana mahazatra fiasan'ny filoham-pirenena.

Nestor Kirchner. Sary ao amin'ny flickr an'i Mariano Pernicone, ary nampiasaina noho ny alalana Attribution 2.0 Generic Creative Commons license
Maro ny fitohizan-dresaka taty amin'ny bolongana. Ao amin'ny ArtePolítica [es], i Juan Pablo Cappelli no manoratra ny fandraisana anjara lehibe nataon'i Kirchner,
fue devolverle la política a la sociedad, al pueblo. Demostrar que el cambio es posible, descolonizar nuestro pensamiento. Antes pedíamos que se vayan todos y ahora muchos queremos entrar, antes decían “algo habrán hecho” y ahora decimos “hagamos algo”, porque sabemos, ahora mas que nunca, que es la política la única herramienta de transformación de la sociedad
Ao amin'ny Los Tres Chiflados [es] no ilazan'i Larry,
Gracias Néstor, ahora voy a despedirte junto al pueblo, en forma de agradecimiento por demostrarme con actitud y hechos que otra Argentina es posible, que la historia puede cambiarse si se tiene coraje y convicciones

Hoy ny vakin'ny sora-baventy: "Misaotra anao Nestor tamin'ny namerenanao ho anay ny zonay. Tsy hanadino anao na oviana na oviana izahay. Mahereza Cristina." ISaripika avy amin'ny mpampiasa flickr Beatrice Murch, nampiasaina araka nyfahazoan-dalana Attribution 2.0 Generic Creative Commons license
Ao amin'ny La Ciencia Maldita, no ilazan'i Lucas Llach,
Pobre Cristina — nuestras humildes condolencias. Ojalá que tenga el ánimo para que el ciclo kirchnerista termine con el balance generalmente positivo que –en el neto de causas y azares de todos colores– tiene de momento
Noticias del Sur [es] moa nanangona ny fanambaran'ny mpitondra Amerikana Latina hafa. Ao amin'ny Mide/No Mide [es] sy ny Lo que digo y no hago [es] no mivoitra fa nampiaka-tsanda ny tahiry sy ny [vola] Arzantina ny fahafatesan'i Kirchner.
Resaka hafa any amin'ny bolongana: Mendieta el Renegáu [es]; Denken Uber [es]; República Unida de la Soja [es]; Conurbanos [es]; Tirando al Medio [es]; ary Finanzas Públicas [es].
Tao amin'ny Twitter, “Néstor Kirchner” wasno iray amin'ny fironana nalaza manerantany nandritra ny andron'i Alarobia.