- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny voina nateraky ny tondra-drano tao Thailand

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

Olona mihoatra ny 40 no voamarina fa namoy ny ainy nohon'ny fiakaran'ny tondra-drano [1] tany amin'ny faritra avaratra atsinanana sy afovoan'i Thailand. Efa tratran'ny tondra-drano [2]koa izao ny faritra sasany ao Bangkok, renivohitr'io firenena io. Io no  tondra-drano mahatsiravina sy mahery indrindra [3] tao anatin'ny dimampolo taona.

[4]

Sary nalaina tao amin'ny twitpic nampiasain'i sresuda

Tamin'ny alalan'ny tenifototra  #thaiflood [5] tao amin'ny twitter no nanaovana ireto tatitry ny tondra-drano ireto

freakingcat: [6] RT @richardbarrow: Efa hatreny an-kitrokely ny haavon'ny rano tao amin'ny tsenan'i Paknam tao Samut Prakan nohon'ny fiakaran'ny  tondra-drano. Mbola latsaky ny antonony tamin'ity taona ity
freakingcat: [7] RT @richardbarrow: Fampandrenesana tondra-drano ho an'i Bangkok: Avo dia avo ny fiakaran'ny rano tao King androany maraina tamin'ny 9:09. Efa nisy tatitra tondra-drano hafa koa tamin'ny  #thaiflood
veen_NT: [8] Efa tafakatra  eny an-tsisin-dalana natokana ho an'ny mpandeha tongotra amin'ny làlana  Songwaad ny haavon'ny rano: tokony tsy handeha amin'iny lalana iny ny fiara kely rehetra. via @fm91trafficpro #thaiflood
Pataraporn_TV: [9] RT @tukky_nt: Ny foibe miandraikitra an'io resaka tondra-drano io dia efa miomana fa ho tafakatra avo dia avo 2.3-2.4 metatra ny haavon'ny rano ao Chao Phaya BKK amin'ny 9.09 maraina.#thaiflood Via Matichon
tukky_nt: [10] Ny foibe miandraikitra an'io resaka tondra-drano io dia efa miomana fa ho tafakatra avo dia avo 2.3-2.4 metatra ny haavon'ny rano ao Chao Phaya BKK amin'ny 9.09 maraina. Manaraha hatrany ny vaovao!! #thaiflood Via Matichon

Fanehoam-pijery avy ao amin'ny  Twitter  sy ny ezaka vonjy voina ataon'ny governemanta

Pariwat: [11] RT @an_Angeltree: Ny hafatra voaray androany : #Thaiflood, Ny hafatra voaray  ny ampitso : (angamba)#bkkflood..Iza no mahafantatra? < < Izay indrindra
Tulip_Oum: trano mihoatra ny 2,200 tao UbonRatchatani no nilaozana, ny vinavina dia ho tafakatra 1 metatra ny haavon'ny rano tondraka, ireo tena voakasik'izany dia i Warin & Muang. / @satien_nna #ThaiFlood
Pruris: [12] Raha toa aho ka mihosotra ronono hanatsarana ny hoditro, maro amin'ireo niharam-boina tamin'ny tondra-drano no tsy manan-kialofana akory. Ny mba afaka ataoko dia ny mivavaka ho azy ireo. #Thaiflood
juarawee: [13] 5 arivo tapitrisa ny teti-bola natolotry ny ministeran'ny fitaterana hanampiana ireo niharam-boina tamin'ny  tondra-drano, ny ministeran'ny varotra dia nanolotra arivo lavitrisa mba hanampiana ny  vokatra azo avy amin'ny fambolena ankehitriny @Cabinet/@wannasiri_tv #thaiflood

[14]

Sary nalaina tao amin'ny yfrog nampiasain'i anavat

Ity mpitoraka blaogy ity dia nanatri-maso [15]ny fifanampian'ny mponina sy ny firaisankinan'izy ireo mba hiarovan-tena bebe kokoa amin'ny voina ateraky ny tondra-drano

Nahafinaritra mihitsy ny nijery ny mpiara-monina mifarimbona mba hiarovana ny namany. Miisa eo amin'ny 20 eo ho eo ny ekipa iray ary manamboatra gony, ny vehivavy dia sady mamoritra no manjaitra, ny lehilahy sy ny ankizy kosa dia mameno fasika ao anatin'ireo gony ireo, ary misy fiara mivezivezy maka ireo gony ary mametraka azy ireo any amin'ny toerana ilàna izany

Nanamarika ny Political Prisoners in Thailand ( ireo gadra politika ao Thailand) fa maro ireo olona no  tsy afa-po [16] tamin'ny hetsiky ny governemanta

Ity tondra-drano  tao Thailand ity dia tena mahatsiravina mihitsy. Ny tahan'ny fahafatesana araka ny tatitra  dia mihoatra ny 35 ary an-tapitrisa maromaro no voadona mafy. Misy faritra sasany tena rava tanteraka mihitsy ary nilaza ny Praiministra Abhisit Vejjajiva fa misy toerana sasany mety ho anaty rano tondraka madritry ny herinandro na volana maromaro.

Mitombo hatrany toy ny fiakaran'ny rano  ny fanakianana ny hetsiky ny governemanta.