- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Panama: Volavolandalana iadiana amin'ny fanavakavahana noho ny safidy olona iarahana

Sokajy: Amerika Latina, Panamà, Lalàna, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

Nanomboka miady hevitra mikasika ny lalàna vaovao hiaro ny olona amin'ny fanavakavahana mifototra amin'ny safidy amin'izay tian'ny olona iarhaana ny Antenimeram-pirenena Panameana.

Nanoratra tao amin'ny vohikala Corresponsales Clave [1] [es] i Dayra García:
La Comisión de Gobierno, Justicia y Asuntos Constitucionales de la Asamblea Nacional aprobó en el primer debate (con cinco votos a favor y uno en contra) el Anteproyecto de Ley No 50, “que dicta medidas para prevenir los actos de discriminación por razones de orientación sexual e identidad de género” y que fue presentado por la Asociación de Hombres y Mujeres Nuevos de Panamá (AHMNP).
Nandany ny ilay volavolandalàna laharana faha 50, “izay mametraka ny fepetra rehetra isorohana izay mety endrika fanavakavahana miorina amin'ny karazan'olona iarahana” izay natolotry ny Fikambanan'ny lehilahy sy vehivavy vaovao ao Panama (AHMNP) ny vaomieran'ny mpanatanteraka, fitsarana ary ny raharahan-dalampanorenana ao amin'ny Antenimieram-pirenena .
Ny lahatsoratra ihany koa dia mitatitra ny nambaran'i Ricardo Beteta, filohan'i AHMNP [es] [2]:
La falta de una legislación contra la discriminación hacia la población gay, lésbica, bisexual y trans coloca al país atrás de la tendencia internacional de extender derechos a personas de diferente orientación sexual.
Ny tsy fahampian'ny lalàna manohitra ny fanavakavahana miantefa any amin'ireo lahy tia lahy, vavy tia vavy, sady tia lahy no tia vavy ary niova toe-batana na taovam-pananahana no mahatonga ny firenena hilahatra amin'ilay fironana iraisampirenena hanome ny zon'ny olona manana ny sokajin'olona tiany.
Niteraka adihevitra lehibe io lohahevitra io. Raha araka ny nambaran'ny lahatsoratra iray navoakan'ny mpitatitra vaovao Enterate [3] [es], dia nanazava ny arseveka tao Panama, Jose Domingo Ulloa fa:
Esta ley es muy delicada y muy problemática porque al final también va a discriminar a otros grupos…No es un proyecto válido en estos momentos y realmente trae más confrontación y discriminación.
Saropady sy ahiana hiteraka olana ity lalàna ity satria hifanavakavaka ny olona any aoriana any…Tsy mitombina io volavolan-dalàna io ankehitriny fa tena hiteraka disadisa sy fanavakavahana bebe kokoa.
Nanazava ihany koa io lahatsoratra io fa ny arseveka dia:
se inclina por “crear una cultura de no discriminación”, algo que a su juicio ya está contenido en la actual Constitución panameña.
mirona mankany amin'ny “fananganana kolontsaina tsy misy fanavakavahana”, izay araka ny fomba fijeriny dia efa tafiditra ao anatin'ny Lalàmpanorenan'i Panama ankehitriny.
Asongadin'ny lahatsoratra fa mampiahiahy izy ity ho teny fampidirana ny adihevitra mikasika ny fanambadiana sy ny fanekena ny zon'ireo mpifankatia izay mitovy fananahana, lavin'ireo vondrona nanolotra ny lalàna izany.
[4]

Sary tao amin'ny Flickr nampiasain'i Marlith nahazoan-dàlana Attribution 2.0 Generic Creative Commons license

Tao anatin'ny blaoginy Al Ser Distinto: Psicología y Diversidad [5][es] i Alvaro Gomez Prado  , dia nandrisika ny mpamakiny mba hanaraka ny vaovao mikasika ny lalàna faha 50, izay resahan'ny Antenimieram-pirenena amin'izao fotoana izao:
La intención del proyecto de ley no es lograr el matrimonio homosexual, sino proteger la seguridad y la salud de la comunidad sexualmente diversa. No permitan, mis respetados lectores, que les lave el cerebro quien se opone a reconocer los derechos humanos de los grupos minoritarios. No importa si son Psicólogos, Periodistas, Políticos, Empresarios, Artistas o Padres de familia. Porque lo más seguro es que lo hagan por razones personales que les impiden reconocer que todos los seres humanos somos igualmente humanos y que es un día muy triste el día cuando aceptamos la agresión (institucionalizada o no) hacia nuestros semejantes.
Tsy ny hahatanteraka ny fanambadian'ny mitovy fananahana no tanjon'ity lalàna ity, fa ny hiarovana ny vondrona isan-karazany sy ny fahasalamany ara-pananahana.  Aoka ianareo, ry mpamaky hajaina, tsy hanaiky ho voasasan'ireo manohitra ny anomezana ny zon'ireo vondrona vitsy an'isa atidoha . Tsy maninona mihitsy na psikology, na mpanao gazety, na mpanao politika, na mpandraharaha, na mpanakanto na havana ihany koa. Azo itokiana ny filazàna fa amin'ny ankapobeny, dia noho ny antony manokana no mahatonga azy ireo tsy manaiky fa mitovy zo avokoa ny olombelona rehetra ary tena mampalaelo tokoa ny fanekentsika ny fanitsakitsahana ny mitovy amintsika (efa mijoro ho fikambanana izy na tsia).
Nodinihan'ny mpitoraka blaogy maro tao Panama tamin'ny endrika maro io lohahevitra mikasika ny fanavakavahana vokatry ny fahasamihafana eo amin'ny safidy amin'ny sokajin'olona tiana iarahana io. Nandalina akaiky mikasika io lohahevitra io i Ariel, tao amin'ny blaogy Contr [6]apunto [6] [6][es], tao anatin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe ” fanavakavahana noho ny antony fahasamihafana eo amin'ny safidy amin'ny olona tiana iarahana (lahatsoratra iray noezahana natao ho mazava tsara nefa tsy mazava mihitsy)”, nivoaka tamin'ny volana desambra 2009. Hoy izy nanambara izany:
ser homosexual no te hace menos persona, ni te hace menos digno, no te hace menos merecedor de amor, comprensión, un trabajo, amigos, un trato justo y cualquier otro derecho inalienable que viene en ese paquete que llamamos vida. Pero ser heterosexual y sentir desagrado por el estilo de vida que llevan los homosexuales tampoco te hace un energúmeno recién emergido de las cavernas. Que sí quiero decir que me da asco ver a dos hombres besarse no significa que estoy diciendo que soy más que él o que perdió su valor como ser humano. Igual me da asco ver a una persona escupiendo a diestra y siniestra en la calle y nadie piensa por eso que le estoy discriminando.
Raha toa ka tia ny mitovy fananahana aminao ianao dia tsy mahatonga anao ho tsinotsinona akory, na koa hoe mampihena ny lanjanao, tsy mampihena ny voninahitrao eo amin'ny fitiavana sy fahalalana, eo amin'ny asa aman'andraikitra, namana, ny fitandrovana ny rariny na ny zo hafa rehetra izay fonosin'ilay antsoina hoe fiainana. Ary raha toa ianao ka tia olona hafa fananahana  ka mankahala ny fomba fiainan'ny olona tia mitovy fananahana aminy dia tsy mahatonga anao ho olona ambony  mihitsy izany. Raha te hiteny aho hoe marikoriko ahy ny mahita lehilahy roa mifanoroka dia tsy midika akory izany fa manan-danja noho izy aho na koa hoe very ny hasiny amin'ny mahaolombelona azy. Torak'izay koa, raha miteny aho hoe mahatsiravina ahy ny mahita olona iray mandrora havia sy havanana manerana ny làlana dia tsy hisy olona afaka hiteny amiko mihitsy hoe manavakavaka olona aho.
Ao Panama, ny lalàna iadiana hevitra ankehitriny dia ny momba ny fanavakavahana mifototra amin'ny safidy eo amin'ny sokajin'olona tiana iarahana fa tsy mikasika ny fanambadian'ny olona mitovy sokajy sy ny fanekena ny zo, na izany aza, nanokatra varavarana nanombohana resaka momba ireo olana ireo ny adihevitra mikasika io lalàna io. Vao haingana kely, nanambara ny vohikala Enterate [7][es] fa:
Casi ocho de cada diez panameños se opone al matrimonio entre homosexuales.
Saika ny olona valo amin'ny folo ao Panama dia tsy nanaiky ny lalàna mamela ny fanambadian'ny olona mitovy sokajy (fananahana).
Tamin'ny volana jolay tamin'ity taona ity, i  Nelva Arauz Reyes, dia nanoratra tao amin'ny blaogy Escritores de la Libertad [8] [es], mikasika ny fanekena ilay lalàna izay mamela ny fanambadian'ny olona mitovy sokajy sy ny fanomezana ny zon'izy ireo tao Argentine, izay firenena voalohany tao Amerika Atsimo namoaka lalàna mikasika an'io teo anivon'ny firenena. [9] Nanoratra izy:
No alcanzaron los rezos de los curas y los laicos ortodoxos. Pienso que tal vez no se han dado cuenta que Jesús propugnaba por el amor y la igualdad. Y es que como dijera uno de los senadores argentinos para terminar las largas y acaloradas horas del debate legislativo en su país “¿Por qué tenemos que hacer tanto esfuerzo para impedir que otras personas tengan los mismos derechos que nosotros?”.
Tsy dia maro an'isa ireo antoko mpivavaka avy ao amin'ny pretra sy orthodoksa. Mieritreritra aho fa mety tsy tonga saina izy ireo fa nampirborobo ny fitiavana sy fitoviana i Jesoa. Ary tahaka ny iray tamin'ny senatera avy any Argentine io izay nilaza fa tokony atsahatra ny adihevitra ela be sy naharitra ora maro teo amin'ny fireneny “Fa maninona moa isika no tsy manao ezaka goavam-be andavana ny hoe manan-jo mitovy amintsika ny hafa?