- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Horonantsary] Tafatafa iarahana amin'i Olzod Boum-Yalagch avy ao amin'ny Nomad Green

Sokajy: Rising Voices

Olzod Boum-Yalagch dia mpanolo-tsaina ofisialin'ny Nomad Green [1], ilay tetikasa Mongoliana momba fanaovan-gazetin'olon-tsotra, miorina any an-drenivohitra  Ulaanbaatar [2]. Ao amin'io horonantsary io, miresaka i Mr. Boum momba ny fanampian'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra amin'ny fampahatsiarovan-tena ny olona, ary mazava ho azy hitondra any amin'ny vahaolana ho an'ny fahasimbàn'ny tontolo iainana any amin'ny firenena. Tamin'ny roa taona lasa teo, nanoratra momba ny ampahany amin'ireo olana goavana amin'ny sehatra rehetra ireo ekipana olon-tsotra mpanao gazety isan-karazany [3], na any amin'ny faharitràn'ny renirano [4] izany hatramin'ny asa saina any an-toerana noho ny fahamaroana tafahoatra ny valam-bilona ho an'ny ondry [5].

Mongolia dia firenena malaza amin'ireo tsy manam-ponenana ao aminy izay nitety tany nandritra ny arivo taona maro. Manantena Atoa Boum fa indray andro ireny fianakaviana ireny dia ho afaka handray anjara koa amin'ny fifanakalozam-baovao izay ahafahany miresaka momba ny fombam-piainany nentin-drazana sy ny fahasahiranana maro atrehany, indrindra ireo ateraky ny fahasimbàn'ny tontolo iainana.