Tantara tamin'ny 26 Oktobra 2010
Isiraely: Korian'ny fianianana ho mahatokin'ny Firenena ny demaokrasia
Nolanian'ny filankevitry ny governemanta Isiraeliana tamin'ny 22-8 ny volavolam-panitsiana ny lalàna fizakana ny zo Isiraeliana, izay mitaky amin'ireo rehetra mangataka zom-pirenena ny fanekena an'Isiraely ho "fanjakana Jiosy ny demaokratika." Niteraka adihevitra an-tserasera izany.
Panama: Volavolandalana iadiana amin'ny fanavakavahana noho ny safidy olona iarahana
Nanomboka miady hevitra mikasika ny lalàna vaovao hiaro ny olona amin'ny fanavakavahana mifototra amin'ny safidy amin'izay tian'ny olona iarhaana ny Antenimeram-pirenena Panameana. Nanoratra tao amin'ny vohikala Corresponsales Clave [es] i...
Angola: mpanao gazety nisy namono: Famoretana sa herisetra an-tanàn-dehibe?
Tamin'ny 5 Septambra dia namoy ny ainy teo an-tanan'olon-tsy fantatra ilay mpanao gazety Albert Graves Chakussanga izay tsy nisalasala akory nitifitra azy tao ivelan'ny trano fonenany, tany an-tanànan'i Viana ao...
[Horonantsary] Tafatafa iarahana amin'i Olzod Boum-Yalagch avy ao amin'ny Nomad Green

Olzod Boum-Yalagch dia mpanolo-tsaina ofisialin'ny Nomad Green, ilay tetikasa Mongoliana momba fanaovan-gazetin'olon-tsotra, miorina any an-drenivohitra Ulaanbaatar. Ao amin'io horonantsary io, miresaka i Mr. Boum momba ny fanampian'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra amin'ny fampahatsiarovan-tena ny olona, ary mazava ho azy hitondra any amin'ny vahaolana ho an'ny fahasimbàn'ny tontolo iainana any amin'ny firenena.