- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Votsotra tamin'ny Panama ny fandraisana ny lalao Bolivariàna

Sokajy: Amerika Latina, Panamà, Fanatanjahantena

Voatonon'ny Mpanoman-dalao fanatanjahantena Bolivariana (ODEBO) [1] hampiantrano ny faha-XVII ny Lalao Bolivariana [2] hontontosaina amin'ny 2013, tamin'ny volana mey lasa teo i Panama. Izany no vaovao lehibe ho an'ny firenena, izay tsy nampiantrano intsony ity lalao ity hatramin'ny 1973 [3] [es]. Saingy noesorin'ny fifandaminana tsy hampiantranoan'i Panama indray io lalao io. Tamin'ny 20 Oktobra, The Panama Digest [4]no namoaka hoe:

Tamin'ny alalan'ny fandatsaham-bato nivoahan'ny vokatra ho dimy sy iray no nandraisan'ny Mpikarakara ny lalao fanatanjahantena Bolivariana fanapahan-kevitra tsy handraisan'i Panama ny lalao.

Ny antony voalaza moa dia “tsy fironana na tsy fahazotoan'i Panama loatra hampiditra ny Komity Mpikakara na tsy mandray andraikitra raha tsy misy ny fitsabahana na fidirana an-tsehatry ny sampana na vondrona ivelan'ny hetsika Olaimpika. ”

[5]

Saripika nalain'ny mpampiasa Flickr M0n3d4 araka ny fahazoan-dalana Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic Creative Commons license

Ao anatin'ny tatitra nataon'i Kathyria Caicedo ao amin'ny vohikalam-baovao Telemetro [6] [es] no hanazavany fa:

Dicha decisión se remite a la existencia de dos Comité Olímpicos en Panamá, uno que consta con personería jurídica y otro no, la Odebo estaba exigiendo el reconocimiento de la organización dirigida por Miguel Sanchiz. Sin embargo, este es un caso que se encuentra en las esferas jurídicas de Panamá.

Ny ao ambadik'ity fanapahan-kevitra ity dia noho ny fisian'ny Komity Olaimpika toa any Panama, Ara-dalàna ny iray raha tsy izany kosa ilay hafa, nangataka ny fanekena ny fifandaminana tarihan'i Miguel Sanchiz ny ODEBO.  Saingy mbola eny ampelatanan'ny Fitsarana moa ny raharaha ankehitriny.

Efa voambara any amin'ny fampitam-baovao mahazatra any Panama sy any amin'ny vohikalam-baovao iraisam-pirenena sasantsasany any moa ny vaovao sy ny setriny avy any amin'ny manampahefana; Saingy efa misy moa ny nataon'ny mpikirakira ny Twitter tamin'ny fampielezana ny vaovao sy ny fahafaha-mitaratra ny ambiansy tamin'ny fandrenesana azy. Hoy i Carol Carito (@carolcarito [7]) :

Qué mala noticia lo de la sede de los juegos bolivarianos #fail :((( #panama

Mba tena ratsy koa izany vaovao namotsorana ny lalao bolivariana izany #fail :((( #panama

Nambaran'i Noel David Ortega (@noelpty [8]):

Enterandome q le quitaron la sede de los bolivarianos a #Panama…. es por gusto q haga un coment, estos ineptos q tenemos por dirigentes :@

Nahare ny vaovao fa noesorina tamin'i #Panama ny fampiantranoana ny [lalao] bolibaviana…Tsy ilaina intsony ny hilaza hevitra, ireto mpitarika antsika tsy mamely ireto :@

Hafa indray ny fomba fijerin'i Sr Criticón (@SrCriticón [9]):

Mejor q nos hayan quitado la sede de los Bolivarianos. Inviertan ese dinero para obras sociales y cosas que realmente necesitamos. #Panama

Tsara kokoa ny nanalana tamintsika ny fampiantranoana ny Bolivariana. Tokony hampiasaina amin'ny resaka sosialy sy ny zavatra tena ilaintsika ny vola.  #Panama

Nila fananganana fotodrafitrasa goavana i Panama mba hamaliana ny filana rehetra takian'ny lalao.  Tamin'ny volana aogositra i Rogelio Adonican, Panama America [10] [es] no nilaza  “Inona no mety ho azon'i Panama amin'ny Lalao?,” izay namintinany ny tombotsoa, araka ny filazan'ny mpikarakara azy, ho azon'ny firenena ka iray amin'izany ny fototrafitrasa. Nomarihan'ny lahtsoratra ihany koa ny tombony ho an'ny orinasan'ny fizahantany sy ny haizatra mety ho azon'i Panama raha nandrindra hetsika manana hadiry toy ireny izy.

Mora ny mahazo ny tsinapan'i Yadisel Buendia (@yadiselbuendia [11]) niteny hoe:

#Panama ha perdido tanto al perder la sede de los #juegosbolivarianos. Todo x diferencias absurdas e intereses egoistas. Super #fail

Maro ny zava-botsotra rehefa votsotra tamin'i #Panama ny fampiatranoana ny #lalaobolivariana.  Izany rehetra izany dia noho ny fifandirana tsy misy dikany sy ny fitiavan-tombotsoa loatra.  Super #fail