- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hong Kong: Mafàna fo telo anaovan'ny Facebook antsojay

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fitsipika, GV Mpisolovava

[Fanamarihana: Ny rohy rehetra miasa ato dia amin'ny teny anglisy avokoa] Tamin'ny herinandro lasa, kaontina mafana fo telo avy ao Hong Kong no nahanton'ny Facebook. Izy ireo dia mpitantana vondrona iray miady manohitra ny tetikasa fampivoarana ny fananganan-trano avolenta eo amin'ilay honahona kasain'ny Henderson Land Development Company Ltd. [1]hatao.

Araka ny tatitra avy amin'ny Apple Daily News [2], Ho Lok, Sinoa iray mpianatra ao amin'ny Anerimanontoklo momba ny Filaozaofia no nanokatra vondrona iray, Manohitra ny Fampivoarana ny Fananganan-trano Avolenta any Nan San Wai, tao amin'ny Facebook tamin'ny herinandro lasa iny. Tanatin'ny ora fohy monja, maherin'ny 360 ireo olona niditra ho mpikambana tao amin'ilay vondrona. Saingy ny alin'iny ihany, tonga dia nahantona ny kaontiny tao amin'ny Facebook. “Ny filazàna dia nilaza fa hoe sandoka ny anarako. Fa tsy maintsy mampiasa ny tena anarantsika koa angaha isika rehefa hisoratra ao? Nanokatra ny kaontiko aho herintaona lasa izay ary nahazo fankatoavana izany, koa nahoana no tampotampoka teo no nandraisany fanapahan-kevitra hampiantona ny kaontiko? Rehefa nitady tao amin'ny Facebook aho, mbola maro ny Ho Lok ao anaty aterneto ao!”

Ny vokany tonga dia tsapa avy hatrany dia tsy afaka nandrindra ilay vondrona intsony i  Ho Lok. Namerina nampiditra ny mombamomba azy rehetra tao amin'ny Facebook iondray izy, famin'ny fanantenana fa ho afaka mamerina manokatra ny kaontiny.

Roa hafa koa mpandrindra ilay vondrona ihany no nahita ny kaontin'izy ireo nahantona vonjimaika, dia i  Kim Ching sy Joanne. Kim Ching dia naharay fampitandremana nilaza fa nanararaotra ny fampiasàna ny bokotra  “Add Friend – Mandray ho namana” izy ka dia nahantona nandritry ny 4 ora ny kaontiny. Ny kaontin'i Joanne dia nakaton'ny Facebook tampoka raha iny izy nanandrana handefa hafatra tamin'ny alalan'ilay vondrona iny indrindra. Ahian-dry zareo ho vokatry ny fitarainana nataon'ny tompon'ny tetikasa izao faneriterena izao, saingy nanambra ny Hinderson Land Development Company fa hoe tsy mbola nandre mikasika ilay vondrona mihitsy ry zareo hatramin'izay.

Charles Mok, izay Lehiben'ny “Hong Kong Internet Society” dia namoitra fa tena manao zavatra an-jambany ny Facebook amin'ny fitantanana ny kaontin'ireo mpampiasa azy. Ary noho izy tsy manana afa-tsy birao tokana ho an'i Azia, izay any India no misy azy, dia sarotra be ho an'ireo mpampiasa ao an-toerana ny hanara-maso ny tolotra omen-dry zareo.