- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Cote d'Ivoire: Herisetra manakaiky fifidianana

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia, Zon'olombelona

Mpikaroka momba an'i Afrika Andrefana ao amin'ny Human Rights Watch (fanaraha-maso ny zon'olombelona) Corinne Dufka no niteny [1]:” Raha mbola misaritaka amin'ny fikarakarana fifidianana ny mpanao politika sy ny diplaomaty vahiny, ny mponina any Côte d'Ivoire andrefana kosa levon'ny tahotra sao voaendaka na voasintona avy ao anaty fiara fitaterana dia misy manao an-keriny.” Nanangana sehatra ho avy amin'olo-tsotra entina hanaraha-maso ny fifidianana [2] ny ONG Akendewa amin'ny fampiasana ny sehatra Ushahidi [Fr].