Marisol Valles García no anarany ary efa nantsoina hoe “vehivavy sahy indrindra any Meksika” izy[es].
Vehivavy manambady 20 taona vao nianatra momba ny fanadihadiana vono-olona tamin'ny herintaona i Valles García; izy ihany koa no lehiben'ny polisy vaovao any Práxedis, Chihuahua. Eo ho eo amin'ny 100 kilometatra miala an'i Ciudad Juárez, tanàna meksikana malaza indrindra amin'ny herisetra any Meksika i Práxedis.
Fa nahoana no taminy no natolotra io andraikitra goavana io? Richard Grabman no manazava ny raharaha ao amin'ny bolongany The Mex Files:
The only candidate to step forward to command the public security force was Marisol Valles García, a twenty-year old criminology student. The new sheriff in town (and the youngest police chief in Mexico) oversees a tiny department that at most can provide two shifts of patrol officers per community.
Miresaka momba ity raharaha ity i Cristhian García, mpamaham-bolongna Meksikana 21 taona:
El alcalde de ese municipio, buscaba un Jefe de Policía, y después de repasar a todos los hombres que tenia dentro de la corporación, Marisol se levanto y dijo: “Aquí toda la gente tiene miedo, todos tenemos miedo, pero vamos a cambiar ese miedo por seguridad”
Y para demostrar su valor, ayer Marisol se dejo fotografiar con la cara descubierta, mostrando así que en Mexico aun hay personas valientes que están dispuestas a luchar contra el narcotráfico y el crimen organizado.
Nijery izay mba ho lehiben'ny polisy tao amin'ity tanàna ity ny Ben'ny tanàna, ary rehefa nohadihadiany avokoa ny lehilahy rehetra manao io asa io dia nitsangana i Marisol ka niteny hoe: “Miforitra daholo ny rehetra, matahotra daholo izahay, fa andao havaditsika ho filaminan-tsaina amin'izay izany tahotra izany”
Ary ho fanaporofoany ny fahasahiany, dia nalaina sary tsy nanafin-tava i Marisol omaly ho marika fa mbola misy hatrany ny olona mivarotra aina eto Meksika vonona ny hiady amin'ny aferan-drongony sy ny andian-jiolahy.
Lahatsoratra iray ao amin'ny vohikalam-baovao La Polaka [es] no nanamafy fa “tsy misy tamin'ny lehilahy no hanolo-tena hanao polisy iry indrindra moa izany hoe hanao lehibe-na polisy izany noho ny tahotra ny hovonoina tahaka ny efa nanjò ireo mpanao fanamiana hafa marobe.”
Amin'izao fotoana izao moa dia nisioka an-tserasera (ni-tweet) izay nandre ny momba ity vaovao mikasika an'i Valles García ity na tao Meksika na avy any ivelany: nisioka ohatra i Adam D. Prince (@rabbitcincouno) avy any Ohio:
#HerooftheWeek Award goes to 20 yr old Marisol Valles Garcia, a criminology student that has become Police Chief in Guadalupe, Mexico…
Nandray anjara namoaka ny heviny ihany koa i Laura Ruíz (@YoSoyBereNice) , avy any Veracruz, Meksika:
Marisol Valles García de 20 años encabeza policía en Chihuahua.-Para que vean quien lleva los pantalones por allá.
Marisol Valles Garcia izay 20 taona no lasa lehiben'ny polisy any Chihuahua. – Hitanareo amin'izany hoe “iza no mipataloha”.
Hita hatrany amin'ny kaontin'ilay mpanao sarimihetsika Tom Cruise ity vaovao ity, (@TomCruise):
20yr Marisol Valles Garcia is a real-life hero as police chief of Mexico's most violent town. Let's show her support: http://bit.ly/ata0wm
Farany, ao amin'ny bolongany Hermosillo ao amin'ny Periodista Digital [es], no voaresaka ity vaovao ity ary nahitana ny anaran'i Valles García izay olona avy ao amin'ny faritra misy azy mampirehareha azy:
Sin duda alguna una vez más la enaguas de la bella y valiente mujer de Chihuahua pone en alto a su región.
De todas maneras bienvenidos los comentarios ya que ELLA, MARISOL VALLES GARCÍA, así con mayúsculas, fue única que aceptó el cargo.
Tsy isalasalana, nanome laza tsara ny faritra misy azy any Chihuahua indray ny “zipo”-n'iray amin'ireo vehivavy mahery sady tsara tarehy.
Izany eo ihany fa dia raisinay tsara ny hevitra amin'ny sora-baventy ahitana hoe IZY (vehivavy), MARISOL VALLES GARCÍA, na ny tahaka izany satria izy irery no nanaiky ilay asa.