- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika: Mbola mitolona ho amin'ny fahalalahana an-gazety ny mpanao gazety

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Eritrea, Kamerona, Madagasikara, Nizera, R.D. Kongo, Rwanda, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana

Reporters Sans Frontières no namoaka ny Filaharan'ny fahalalahan-gazety [1] androany (20/10/2010). Nomarihan'ity fizarana momba an'i Afrika moa fa faninefany misesy izay no nitazonan'i Eritrea ny laharana farany ary amin'ireo firenena afrikana mpiteny frantsay dia mampanahy tokoa ny fahalalahan-gazety [2] [fr] any Roandà, RD Kongo, Kamerona, Cote d'Ivoire ary Madagasikara.