Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

20 Oktobra 2010

Tantara tamin'ny 20 Oktobra 2010

Nomad Green: Dinika an-databatra boribory rehefa Sabotsy

Rising Voices

Singa iray niampy tamin'ireo atrikasan'ny andro Sabotsy ireo ny fanatrehan'ny lehiben'ny vondrom-piarahamonina iray teo an-toerana izay nanaiky ny fanasan'ny tetikasa azy mba hiresadresaka sy handray anjara amina latabatra boribory miaraka amin'ireo olon-tsotra mpampita vaovao. Ny vahiny vao haingana tao dia ny Minisitry ny Vola taloha tao Mongolia sy ny Tale...

Lahatsary: Mifandimby mamaky Don Quixote an-tserasera

Nitsanga-ko velona, amin'ny alalan'ny Youtube indray, ny iray amin'ny tantara foronina be mpitia indrindra, Don Quixote. Anjatony ny nanolo-tena hamaky ny sombintsombin'ny asa-soratr'i Miguel de Cervantes' ity ary mampakatra ireny ao amin'ny fantson'ny ElQuijote.

Frantsa: Mitantara angano momba ny fananana vady maro any amin'ireo fianakaviana mpifindra monina ny gazetiboky

Le Point, gazetibokim-baovao Frantsay mpivoaka isan-kerinandro, no lasibatry ny “mpitolona” iray karazany vaovao izay manohitra ny endrika omena ireo mponina any amin'ny fiarahamonin'ny mpifindramonina. Niteraka adihevitra be teo amin'ny haino aman-jery i Abdel tamin'ny nisandohany ho renim-pianakaviana ao amina fianakaviana marovady.