- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: tatitra momba ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana farany

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ny mpamaham-bolongana Jentilisa no nanome antsipiriany ny hitany maso [1] [mg] tamin'ny herisetra [2] [fr] nifanaovan'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 18 Oktobra teto Antananarivo, Madagasikara.  Mpikambana avy amin'ny mpanohitra heverina ho 1500 eo ho eo no nanao fihetsiketsehana [3] nanoloana ny fitsarana izay niantsoana ny mpitarika. Ity moa misy ny lahatsari-na olotsotra nisian'ny fihetsiketsehana [4] nialoha ny fifandonana.