- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Antso ho fanavotana an'i Samar Albadawi

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona

Samar Albadawi, vehivavy Saodiana iray nisara-panambadiana no tazonina ao amin'ny fonjan'i Brayman ao Jeddah amin'izao fotoana fa hoe tsy nankato an-drainy. Nahoraka tanatin'ireo lohahevitra Saodiana tao amin'ny Twitter ilay tantara – azo arahana amin'ny tenifototra #samar sy #Samar- hatramin'ny faran'ny herinandro teo. Raha ny antpntan-taratasy navoaka tananty  lahatsoratra am-bilaogy iray [1], avy amin'i Fouad Al-Farhan [2], dia nanome rariny ny rainy izay sady mahery setra no mandray zavamahadomelina ilay mpitsara, Abdullah Al-Othaim na teo aza ny porofo manohitra azy, ny fijoroana vavolombelona avy amin'nyfianakaviana mitàna azy, ary ny taratasy nataon'ireo manampahefana manohitra ny didy navoakan'ny mpitsara mikasika ilay raharaha.

Niteraka fifandroritan-kevitra maro teo anivon'ny tranonkala media sosialy sy bilaogy maro ny tranga tantaran'i Samar. Raha mirona mankany amin'i   Samar ny sasany, manohana azy sy mamerina mandefa amin'ny alalan'ny bitsika ireo teny miditra any anaty bilaogy ho fanafahan azy, ny hafa kosa mametra-panontaniana mikasika ireo antontan-taratasy momba azy navaoka tamin'ny biolaogy, hoe ofisialy ve sa tsia izy ireny.

Afaho i Samar !

Mitsangana manohana an'i Samar amin'izay fomba rehetra azony anaovana izany ny Saodiana; lahatsoratra anaty bilaogy, sary mombamomba ny tsirairay anaty, bitsika (tweets) sy fanomezana endrika.
Ireto manaraka ireto ny fanehoan-kevitra sasany avy amin'ireo mpanohana.

Avy ao amin'ny Twitter, Ibrahim Falaqi [3]dia manainga ny vahoaka mba hampiasa ny Twitter ho fanampiana an'i Samar:

تويتاتكم تجبر وزارة العدل على التحرك, تويتاتكم ايقظت النائمين. تويتاتكم اقوى من خطابات الاستجداء, اللهم احفظ تويتر واعل شأنه #Samar
Manery ny Ministera hanao hetsika ny tweets alefanareo, manaitra izay matory ny tweets avy aminareo, matanjaka lavitra noho ny taratasy ofisialy. Ho tahian'Andriamanitra anie ny Twitter!

Waleed Abu Alkhair [4] mitondra fanamarihana mikasika ny anton'ny fanohanany:

#Samar سيدة سعودية بنت بلدي مسجونة ظلماً ستة شهور ونصف دون حكم قضائي محرومة من رؤية ابنها ، ويسألني أحدهم لماذا تدافع عنها ؟ أين شيم الحرية
Vehivavy Saodiana iray, zanakavavin'ny fireneko, voaheloka hifonja enim-bolana sy tapany, tsy nisy fitsaràna, tsy avela hifankahita amin'ny zananilahy. Dia mbola manontany ahy ihany ny olona hoe fa maninona aho no manohana azy? Aiza no dikan'ny hoe fahalalahana?

Free Samar Campaign Design

Esty andanin'izany, i HapHazard dia manoratra bilaogy iray momba ny fomba atao hanohanana an'i Samar [5].

Tsy mbola manana antoka isika na dia kely aza!

Amin'ny lafiny iray, kely finoana ny ankamaroan'ireo Saodiana mikasika ny tantaran'i Samar, ary manontany momba ny maha-ara-dalàna ireo antontan-taratasy navoaka tamin'ny bilaogy.

Avy ao amin'ny Twitter dia milaza i Bandar Bin Naif [6]:

#samar تقرير الطب النفسي ينص على سلامة والد سمر من الناحية النفسية ولا يوجد أي تقرير يثبت تعاطيه المخدرات هل يجوز نشر وثيقة تتهمه بتعاطيها؟
Ny tatitra ara-pahasalamana momba ny aretin-tsaina dia manaporofo ny maha olona tomady ny rain'i Samar, ary tsy misy mihitsy porofon'ny fandraisany zavamahadomelina. Ahoana no ahafahanareo mamoaka antontan-taratasy mitoroka azy ho mpidoroka zavamahadomelina?

Raed AlSaeed [7] nilaza ny fitsapan-kevitra iray natao tao amin'ny Twitter ka ireto ny vokatra azo:

http://twtpoll.com/r57vig #Samar ٢٢١ صوت ٥٣٪ منهم لن يحكم الا بعد سماع الطرفين و ٣٦٪ يدافعون عن سمر
221 no mpandray anjara. 53 isan-jato no  tsy milaza hevitra mandrapahafantany ny feon'ny roa tonta. 36 isan-jato manohana an'i  Samarna dia tsy mbola nandre izay nambaran'ny rainy aza.

Miandry

Na izany aza, ny ezaka fanohanana dia mbola mitohy, ary amin'izao fotoana dia efa manana pejy Facebook ho an'ny mpankafy [8], sy pejy iray ao amin'ny CrowdVoice [9], sady mbola miasa foana koa ny lohahevitra sy tenifototra Samar ao anatin'ny fanantenana ny hisian'ny hetsika ofisialy.

Teny farany, Eyad Qaes [10] dia manolo-kevitra:

أعتقد أن الهدف من الحمله تحقق ، كل واحد يروح بيته 🙂 #samar
Inoako fa nahatratra ny tanjona nokendreny ny fanentanana natao, ankehitriny dia afaka mody any an-tokantrano amin'izay ny tsirairay.