19 Oktobra 2010

Tantara tamin'ny 19 Oktobra 2010

Madagasikara: tatitra momba ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana farany

  19 Oktobra 2010

Ny mpamaham-bolongana Jentilisa no nanome antsipiriany ny hitany maso [mg] tamin'ny herisetra [fr] nifanaovan'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 18 Oktobra teto Antananarivo, Madagasikara.  Mpikambana avy amin'ny mpanohitra heverina ho 1500 eo ho eo no nanao fihetsiketsehana nanoloana ny fitsarana izay niantsoana ny mpitarika. Ity moa misy ny...

Grèce: Figadrana mandra-pahafaty no sazin'ilay polisy namono zatovo iray ka nitarika korontana tamin'ny 2008

  19 Oktobra 2010

Tamin'ny desambra 2008, niteraka korontana sy fanoherana tao amin'ny tanàna maro tany Grèce ny nahafatesan'ilay zatovo iray antsoina hoe Alexandros Grigoropoulos, 15 taona, tany amin'ny polisy, tezitra ny olona noho ny herisetra ataon'ny polisy tsy mitsaha-mitombo, miaraka amin'ny tsy fahazoana sazy, ny tsy fahaizana sy ny kolikoly, ny resabe  izay nanafaingana ny  olana...

Arabia Saodita: Antso ho fanavotana an'i Samar Albadawi

Samar Albadawi, vehivavy Saodiana iray nisara-panambadiana no tazonina ao amin'ny fonjan'i Brayman ao Jeddah amin'izao fotoana fa hoe tsy nankato an-drainy. Raha nisafoaka ny mponin'ny aterineto sasany , ny hafa kosa kely finoana momba ny tranga mahazo azy ary mbola mitohy foana ny adihevitra eo amin'ireo Saodiana mpitoraka bilaogy sy mpandefa bitsika 'tweets'.