Malezia: Nambara ny tetibola 2011

Omaly no namoahan'ny praiminisitra Najib Razak, izay mitazona ihany koa ny minisiteran'ny fitantanambola ny tetibola 201izay mamaritra ny drafitra politika mandritra ny taona vitsivitsy indray.

Anisan'ny nivoitra tao amin'ny tetibola ireto manaraka ireto:  drafitra hanokafana lalana mahazaka zotra enina (six voies) sy tilikambo mahatratra rihana zato, fanampiana isa ny fitaterana haingam-pandeha ho an'ny sarambambem-bahoaka [Mass Rapid Transit (MRT)] any Kuala Lumpur, fananganana hopitaly vaovao, fampitomboana ny isan'ny dokotera, ny mpitsabo mpanampy ary ny fitaovam-pitsaboana ary ny fampivelarana ny teny anglisy sy ny Bahasa Maleziana.

Na dia maro aza ny faniriana ataon'ny olo-tsotra ao amin'ny bolongan'ny praiminisitra dia valinteny tsy marisika loatra no somary nanjaka tamin'ny setrin'ny famoahana ity tetibola ity.

Ny mpamaham-bolongana I Am Malaysian ohatra dia iray amin'ireo tsy mahita loatra ny ilàna fananganana tilikambo (trano avo dia avo) mahatratra zato rihana:

Mitady ny tilikambo avo indrindra ny rehetra. Ka tokony hanao izany ihany koa isika. Oh, andraso aloha, hay moa tsy misy hevitra intsony ny hahavitantsika tilikambo zato rihana avo indrindra izany, satria ny rihan'ny Burj Khalifa ary efa mihoatra ny 160 rihana koa. Noho izany tsy afaka ny hanintsana ny zavabita tsara indrindra manerantany indray isika, ka inona indray ary ny mbola hanaovana izany?

Ny mpamaham-bolongana James Ooi koa moa dia mitaraina fa na dia eo aza ny tolokevitra hahatonga ny (mpiray) firenena ho anisan'ny manana fidiram-bola betsaka, dia tsapany kosa fa mihena hatrany ny fahafaha-mividiny noho ny fidangan'ny vidim-piainana.

Saingy mahita kosa ny mpamaham-bolongana Eric Yong fa mety io tetibola io.

Tahaka ny hita fa mandrisika ny toe-karenan'ny firenena izy io. Raha jerena manko ny ao amin'ny faritra izay mitady ny fifehezan-kibo, dia mahasahy koa i Malezia raha betsaka toy izao ny tetibolany, saingy azo tanterahina tsara ny tanjona.

Azo vakiana ato moa ny kabary iray manontolo nataon'ny praiminisitra, ary ny misongadina amin'ny tetibola 2011 kosa dia azo vakiana ato.

Ny Hajian-tsary moa dia avy amin'ny takelaka Flickr an'i ~ezs ary arovan'ny CC License Attribution 2.0 Generic

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.