- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo: Iray Andro Eto An-Tany – 10.10.10

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Hafanàm-po nomerika, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

[1] Ny tetikasa One Day on Earth [2][Iray andro eto an-tany], izay andro iray ahafahan’ireo olona maneran’izao tontolo izao manao horonantsary, ary mandefa izany mba ho anisan’ireo horonantsary fanadihadiana sy fahalalàna maneho indray mipika ny toetoetran’ny olombelona.
Nisoratra anarana [3] ireo olona maneran-tany mba hitondra ny anjarany amin’ity ezaka ity, ka namorona na nirotsaka anatina'ny iray amin'ireo vondron’olona izay mitontaly 495, izay tsy mitsahatra mitombo manodidina ity hetsika ity : ao ireo mbola ho ray aman-dreny [4], ireo efa manambady [5], ireo mpampianatra [6], na koa sokajy mikasika toerana na firenena voafaritra. Na dia efa mahatratra 10000 aza ireo nisoratra anarana dia misy ihany ireo firenena izay vitsy mpandray anjara amin’ity hetsika ity ka manentana hatrany ny tsirairay mba hirotsakla na hanasa ny hafa monina amin'ireo firenena [7] ireo ny mpikarakara mba hanatevin-daharana sy handray anjara amin’ity hetsika ity.
Ny horonantsary fanandràtana [8] nataon’izy ireo dia maneho sombin-tsary amin’izay mety ho endriky ny sangan’asa andrasana momba ny fanadihadiana mandritra ity andro ity, ka azo vinavinaina avy hatrany ny ho mety fanakambanana ireo sangan’asa rehetra ho azo:

Mbola tsy tara raha izao vao hisoratra anarana sy handray anjara amin’ny hetsika; ary Matt Lambert avy amin’ny bilaogy Motionographer [9] dia mamintina am-pitsikina ny ho mety ho valin’ny soritrasa :

Ny valin’ity soritrasa ity dia ho tahiry-na horonantsary iray- azon’ny mpandray anjara sintonina avy ao amin’ny tranonkala ka ampiasaina tsy hitadiavam-bola fa ho ampiasaina amin'ny asa famoronana sy fampianarana – horonantsary iray asongadina, ary vondron’olona mpamorona sarimihetsika sy ireo mponina liana hizahà ny maha olona antsika amin’ny ankapobeny amin’ny alàlana hetsika fampitam-baovao ifampizaràna.

Na izany aza, araka ity sombin-tsary ity [10], raha te hanararaotra an’ity harem-pahalalàna ity ianao dia mila mampiditra sangan’asa maharitra iray minitra nalaina ny andron'ny 10.10.10. Aza avela mandalo àry ny vintanao !