- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chile: Namarana ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina ny ankamaroan'ny gadra Mapuche

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Teratany, Zon'olombelona

Tamin'ny faha 2  Oktobra , taorian'ny fifandresen-daharana nafàna niaraka tamin'ny governemanta Siliana, gadra Mapuche [1] miisa 25 izay voatazona tany am-ponja tao amin'ny tanànan'i Concepción [2], Angol [3], Temuco [4] ary Valdivia [5], no namàrana ny fitokonany  tsy hihinan-kanina izay naharitra 82 andro. Na teo aza izany, gadra  Mapuche miisa [6]14 [6]izay voatazona sy nampidirina toeram-pitsaboana tany Angol, Victoria, Cholchol ary Temuco no mbola nanohy ny fitokonana [es] [6].

[7]

"Tsy manaiky ny fitsaran'ny foloalindahy izahay." Sarin'ny Flickr mpampiasa Periódico El Ciudadano, nampiasàna ny Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic license.

Araka ny efa notaterina teo aloha tamin'ny alàlan'ny Global Voices [8], dia nangataka ny fitsaharan'ny lalàna maneritery ao Chili ny Mapuche miisa 38, nisy lalàna nandritra ny fitondran'i Pinochet [9] nanome alalana “ny fitsarana ny olon-tsotra eo ambanin'ny fitsarana miaramila, ary koa ny fanolorana  ‘fiarovana’ ireo vavolombelona tsy nitonona anarana noraisina feo sy nandraisana porofo afaka hohenoina .”

Nanao tatitra [es] [10]ny mpiasa ao amin'ny vata fandraisam-peo  Radio Tierra (Earth Radio) [es] [11] iray fa:

El Ejecutivo desistirá de todas las causas bajo ley antiterrorista que están en los tribunales del país.

Ny [ sampana] mpanatanteraka dia mety hiala andraikitra amin'ny fitsarana ny raharahan'ny olon-tsotra rehetra izay tafiditra anatin'ny lalàna manohatra ny faneriterena any amin'ny fitsarana manerana ny firenena.

Nanampy izany koa ny mpanao gazety El Observatodo [es] [12] fa [es] [13]:

Entre los acuerdos comprometidos, el ejecutivo desiste de los encausamiento por delitos considerados como actos terroristas, ya que no tiene convicción de que estos califiquen bajo esa denominación. Además, el gobierno continuará impulsando las medidas para modificar la legislación, con el fin de que los civiles no sean encausados bajo la justicia militar.

Anisan'ireo fifanarahana vita, dia niraviravy tànana teo amin'ny heloka bevava mifandray amin'ny endrika fanagejana ny fahefana mpanatanteraka satria tsy azo antoka ho tafiditra anatin'io fizarana io izy io. Ankoatra izany, mbola hanohy hamoaka fitsipika eo amin'ny fanovàna ny lalàna ny  governemanta mba tsy hanenjehana ny olon-tsotra amin'ny [endrika] fitsaran'ny foloalindahy .

Notarihan'ny arsevekan'i Concepción Ricardo Ezzati [es] [14] ny fifanarahana . Azonao vakiana eto [es] [15] ny lahatsoratra iray manontolo ao anatin'ilay fifanarahana teo amin'ny governemanta sy ny gadra Mapuche .

Ny fihetsiky ny mpikambana ao amin'ny Twitter

Ao amin'ny Twitter, nampiasaina ny ‘ hashtag’ #mapuche [16] nandritra ny faharetan'ny fitokonana hifady hanina mba hizarana vaovao sy ahitana ny fizotry ny fandrosoana. Taorian'ny filazana fa nampiato ny fitokonana tsy hihinan-kanina ny gadra Mapuche, maro ireo mpampiasa blaogy, toy ny Bligoo (@bligoo [17]), izay naneho hafaliana. I Felipe Salazar Tobar (@fhsalazar) dia  faly dia faly tokoa, nefa nampiseho fampitandremana ihany koa [es] [18] izy:

Me alegro por el fin de la huelga de hambre de los comuneros, pero con ello no se termina el conflicto #mapuche [19].

Faly aho nohon'ny fitsaharan'ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanin'ireo “comuneros,” nefa tsy manafoana ny disadisa eo amin'ny #mapuche [19] izany. [Any Espana, io teny “comuneros” io dia midika hoe “mpiara-monina.” Raha ny any Chili indray, ny teny hoe “comuneros” dia natao hamaritana indrindra ireo mpiara-monina Mapuche. Noho izany, mampiasa ny teny “comuneros” koa ireo gadra tamin'ny fotoanan'ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina].

Paz Ramírez García (@pazrg) said [es] [20]:

No se pude hablar de FIN de huelga hasta que TODOS los comuneros depongan, de eso se trata todo esto, de igualdad. http://bit.ly/c90HvB [21]

Tsy afaka miresaka momba ny FITSAHARAN'ny fitokonana isika raha tsy mamarana azy io ireo “comuneros” REHETRA. Izay no mikasika an'iny, izany hoe miresaka momba ny fitoviana. http://bit.ly/c90HvB [21]

Ny fahasalamàna sy ny olana eo amin'ny politika

Nanao tatitra tamin'ny fomba malalaka ny blaogy País Mapuche [es] [22] nandritra ny fitokonana. Nampahafantatra izy io vao haingana kely mikasika ny fahasalaman'i Felipe Huenchullán izay miharatsy hatrany, izy io moa dia olona anisan'ireo mpitokona.

Según los datos entregado por los medico del hospital de victoria, el peñi Felipe Huenchullan anoche sufrio un preinfarto y se encuentra con una grave neumonia, con mucha fiebre, los familiares del peñi y su comunidad se encuentran muy preucupada por lo que puede suceder.

Raha araka ny vaovao nomen'ny dokotera tao amin'ny toeram-pitsaboana marary tao Victoria tamin'ny alina farany teo, dia voan'ny angine [23] ny rahalahitsika Felipe Huenchullán ary mararin'ny aretin-tratra mahery izay narahana fanaviana lehibe. Miahiahy mafy momba ny zavatra mety hitranga ny fianakaviany sy ny mpiara-monina aminy.

Nanao tatitra ihany koa ny País Mapuche [es] [22] mikasika ny fanambarana nataon'i Sabás Chaguán, mpisolo tenan’ ny manam-pahefana ao Chili, izay nilaza hoe:

“del punto de vista procesal penal estamos haciendo nuestra labor, nuestro trabajo, y sería notable abandono de deberes si no aplicamos la ley Antiterrorista. Ahora, si se modifica la ley, aplicamos la ley modificada”.

“raha araka ny lalàna famaizana, dia manatanteraka ny asantsika sy ny andraikitsika isika, ary azo faritana amin'ny tsy fanaovana ny andraikitsika izany raha toa ka tsy ampiharitsika ny lalàna manohatra ny faneriterena. Ankehitriny, raha efa niova ny lalàna, dia tokony ampiharitsika io lalàna vaovao io.”

Rivotry ny tsy fifampitokisana misy eo amin'ny rehetra

Niteraka tsy fifampitokisana ny fandendrikendrehana vao haingana teo izay tsy voamarina.  Ny blaogin'ny vondrona mahaleo teonan'i Temucuicui [es] [24] dia nanendrikendrika mafy [es] [25] ny Minisitry ny fahasalamana tao Chile, Jaime Mañalich (@jmanalich), ary niely vetivety tao amin'i Twitter izany:

El ministro de salud, Jaime Mañalich concurrió esta tarde a las dependencias del hospital de victoria, donde se encuentran internados 6 de los presos polìticos Mapuche de la cárcel de Angol […] Al ver que los comuneros no desistían en dejar la movilizaciòn […] les amenazó señalando quedaría la orden para que retornacen a la cárcel de Angol y que ahí los dejaría morir.”

Nitsidika ny toeram-pitsaboana marary tao Victoria ny Minisitry ny fahasalamana, Jaime Mañalich, gadram-politikan'i Mapuche miisa 6  avy any amin'ny fonjan'i Angol no nampidirina tao […] Noho ny hitany hoe tsy hanajanona ny fihetsiketsehana ny “comuneros” […] dia nandrahona azy ireo izy ka nilaza fa “handefa baiko  izy hamerenana azy ireo any am-ponjan'i  Angol ary ho avelany ho faty any izy ireo”

Ny mpikambana ao amin'ny Global Voices, Felipe Cordero (@felipe_cordero) dia nampiasa Twitter mba hifaneraserana amin'[es] [26] ny Minisitry ny fahasalamana sy nanontany mikasika io fanendrikendrehana io:

felipe_cordero [27]: @jmanalich [28] Ministro, Es cierto lo de la amenaza a huelguistas? Le agradecería si me lo aclara, gracias http://ow.ly/2Nub1 [29] (ver tweet) [26]

felipe_cordero [27]: @jmanalich [28] Ministra, Marina ve io fandrahonana ny mpitokona io? Faly tokoa aho raha afaka manazava amiko momba izany ianao, misaotra betsaka http://ow.ly/2Nub1 [29] (jereo ny  Tweet) [26]

jmanalich [28]: @felipe_cordero [27] Ni siquiera me imagino a que se refiere. (view tweet) [30]

jmanalich [28]: @felipe_cordero [27] Tsy azoko an-tsaina mihitsy ny zavatra tianao lazaina. (view Tweet) [30]

@jmanalich [28] Ministro, su respuesta me confunde un poco La acusación hecha aquí: http://ow.ly/2Nub1 ¿es cierto o no?Es bueno saber su versión. (ver tweet) [31]

@jmanalich [28] Ministra, tsy dia mazava tsara amiko ny valim-panontanianao. Ny fanendrikendrehana niseho teto http://ow.ly/2Nub1 [29] Marina ve io sa tsia? Tsara ny maheno ny fanazavanao (view tweet) [31]

jmanalich [28]: @felipe_cordero [27] Es falsa. Mi solicitud es que se hospitalicen los tres últimos comuneros que quedan en Angol. (ver tweet) [32]

jmanalich [28]: @felipe_cordero [27] Tsy marina izany. Ny fangatahako dia ny hoe ampidirina toeram-pitsaboana  ireo comuneros telo farany ireo izay mbola tavela any Angol. (view Tweet) [32]

Taorian'ny fivoriana niarahana tamin'ny mpitondra tenin'ireo gadra Angol sy ny filohan'ny fitsarana ambony Milton Juica [es], [33]dia  nilaza [es] [34] ilay mpitondra teny hoe: “ankehitriny, anjaran'ny governemanta indray izao no mitady vahaolana ialana amin'ity olana ity, toy ny fandrosoana vahaolana mivaingana azo tsapain-tanana, vahaolana izay mampibaribary fa ity governemanta ity dia manana [karazana] zavatra mahaliana tokoa raha oharina amin'ny governemanta sasany eo amin'ny resaka fangatahana ny tany izay ananany, indrindra indrindra moa any amin'ny vondrona niavian'ireo gadra politika ireo.”  Namaly [es] [34] izany ny “Ministeran'ny atitany” nanao hoe: tsy fiafaran'ny olana akory ny fitsaharan'ny fikotonana amin'ny tsy fihinanan-kanina, fa fiandohan'ny dingana vaovao.”

Araka ny nandrasana dia tokony haneritery hatrany ireo mpitokona ny governemanta, nefa tsy tokony hisy fifandraisany amin'ny disadisa amin'ny resaka tany aloha izany amin'izao fotoana izao, fa manomana fotoana  hanolorana foto-kevitra malalaka eo amin'ny ara-politika mba amahana ny olana eo amin'ny  disadisa amin'ny  tany niaviany. Ny fiangonana Katôlika ihany koa dia nantenaina mba hanao mpanelanelana ialana amin'io olana io.