- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Sary andavanandron'ny zavakanto sy ny tantara Persiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Tsy resaka politika sy fanoherana ihany tsy akory no ataon'ny olo-tsotra tia mampita hafatra, fa miresaka momba ny fiainana, ny zavakanto ary ny tantara ihany koa. I Vahid Rahmanian dia mpamaham-bolonga-tsary tia mamorona ka mamoaka ny sarin'ny toerana manantantara any Iran [1]. Namoaka ireto sary eo ambany ireto ihany koa izahay rehefa nahazo alalana avy amin'i Vahid. Azonao tsindrina ny sary hahitanao sary lahibebe kokoa ao amin'ny bolongany.

Moske Maroloko

[2]

Moske Nasir AlMolk , Shiraz [3]

Dihy Persiana

[4]

Hosodoko eo amin'ny rindrin'ny Chehel Sotoun (andry 40) ao Esfahan [5] (Isfahan) mampiseho ny dihin'ny mpandihy Persiana eo amin'ny tandapan'ny mpanjaka Safavid.

Vilia amina haikanto isan-karazany

[6]

Ireto vilia ireo dia mampiseho ny fahamaroan-karazan'ny MinaKari, asatanana mampiavaka an'i Esfahan.