Shina: lahatsoratra iray tapitrisa isan'andro no esorina ao amin'ny Baidu Tieba

Araka ny tatitra ao amin'ny tech.163 tamin'ny 13 Oktobra 2010, nolazain'i Shu Xun lehiben'ny Baidu Tieba, fanaovana dinika mipoitra amin'ny nahiny (automatique) amin'ny alalan'ny fikarohana voambolana, fa dinika eo ho eo amin'ny iray tapitrisa eo ho eo no esorina isan'andro. Hoy ny tatitra:

Nandritra ny kabary nataon'i Shu Xun tao amin'ny  “Vovonan'ny fandraharahana Haivarotra Shinoa amin'ny aterineto 2010″ omaly , no nilazany fa mifototra amin'ny fahamarinan'ny vaovao ny fivelaran'ny fiarahamonina an-tserasera (virtoaly) . “Saingy, amin'izao fotoana izao dia maro loatra ny vaovao “diso” mivezivezy manerana ny aterineto. Ka raha tsy hain'ny mpampiasa sy ny orinasa ny mahita ny vaovao tena ilain'ny mpanjifa dia tsy ho afa-mivelatra tsara ny dokambarotra (haivarotra) an-tserasera”.

Navoakan'i Shu Xun amin'izay fa eo ho eo amin'ny iray tapitrisa isan'andro eo ny lahatsoratra esorin'ny Baidu Teiba. Ny antony iray amin'izany dia ny hanadiovana ny spam famoakan'ny orinasan-dokambarotra an-tserasera.

Efa malaza amin'ny mpampiasa aterineto Shinoa fa mampihatra ny politikan-tsivana henjana dia henjana ny Baidu Teiba, indrindra amin'ny fanakanana sy fanesorana voambolana mety hanohintohina eo amin'ny lafiny politika voafaritry ny minisiteran'ny fampielezan-kevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.