“Mario Vargas Llosa” no nitana ny lohalaharana tao amin'ny serasera Twitter tamin'ny 7 oktobra lasa teo, raha nifoha ny vahoaka latino-amerikana niaraka tamin'ny vaovao fa ilay Peroviana no nahazo loka Nobel ho an'ny Litaratiora. Noraisina ho tahaka ny fandresena izany vaovao izany ho an'ny tontolon'ny literatiora latino-amerikana sy ny teny Espanola. Voice of America (Feon'i Amerika) nanome lohateny ny lahatsorany, “Nilaza ilay mpanoratra peroviana fa ny loka azony dia ho fanomezam-boninahitra ny literatiora latino-amerikana.” Naneho hevitra samy hafa any amin'ny twitter sy ny bilaogy ny mponina any Amerika Latina.
Any Mexique, Alfredo Guzman (@ideasdelmaza) no mahita fa fitenenan-dratsy ny fahazoan'i Vargas Llosa ny loka Nobel, ary Humberto García Neri (@hacheoficial) miserasera ao amin'ny twitter:
¿Celebrar a Vargas Llosa? Mejor celebren a los Incas y la belleza de su pueblo. Perú es hermoso.
Mifanohitra amin'izay, ilay mpanoratra meksikana, Alberto Chimal (@albertochimal) milaza fa faly be noho ny nahazoan'i Vargas Llosa ny loka. Tryno Maldonado (@tryno), mpanoratra avy any Oaxaca, Mexico, miresaka ny momba ny mpifaninana hafa efa hatramin'ny ela, dia ilay mpanoratra meksikana Carlos Fuentes, 81 taona:
Sólo una persona en el mundo ambicionaba más ese premio. Carlos Fuentes debe estar retorciéndose en su tumba. Momento. ¿O sigue vivo?

Mario Vargas Llosa. Saripikan'ny mpampiasa Flickr Daniele Devoti, dadevoti, dinan'ny Attribution 2.0 Generic Creative Commons
Araka ny fandroson'ny andro, dia namoaka lahatsoratra maro natokana ho an'ilay mpanoratra peroviana daholo ny mpitoraka bilaogy rehetra any Amerika Latina.
Ilay mpitoraka bilaogy avy any Arzantina Juan Carlos Lynch [es] milaza fa tamin'ny alalan'ny twitter no nahalalany ny vaovao. Manazava izy fa “manana fifandraisana manokana” amin'ny zanaka lahin'i Mario Vargas Álvaro, ary noho izay dia efa imbetsaka izy no nifanena sy nifampiarahaba tamin'ity mpandresin'ny loka Nobel ity. Juan Carlos Lynch mamaritra an'i Vargas Llosa tahaka ny,
un gran señor. Un hombre alto, de pelo blanco, mirada muy profunda y gesto duro, que está siempre impecablemente vestido. Que inspira respeto. Pero esa imagen esconde a un gran ser humano. No sólo una persona de trato afable y un interesante sentido del humor, sino además un hombre de convicciones firmes, “familiero”, apasionado por todo lo que hace y, sobre todo, sumamente generoso.
Martha Colmenares [es], mpanoratra sy mpanadihady avy any Venezuela manoratra ao amin'ny bilaoginy:
Me da muchísima alegria el Premio Nobel de Literatura 2010 al escritor peruano Mario Vargas Llosa a quien tuve la oportunidad de conocer y entrevistar para mi libro “La otra Piel” junto a la escritora Norka Armand, hace unos años, y aparte de nuestra admiración por su obra, quedamos deslumbradas por su personalidad.
Ao amin'ny bilaogy El Clavo en el Zapato [es], Fadrique Iglesias Mendizábal avy any Bolivie shared mitantara ny traikefany manokana mikasika ny asa soratry Vargas Llosa:
Fue el primer autor que pude leer con atención en mi adolescencia. […] Se cierra un ciclo de grandes escritores. Ahora quedan los nuevos, sus sucesores aunque es muy aventurado soltar nombres.
Fradrique manoro mpanoratra tanora roa latino-amerikana avy any amin'ny faritra manodidina an'i Andes: Daniel Alarcón syRodrigo Hasbún.
Mario Cordero, ao amin'ny bilaogy Diario Paranoico [es] avy any Guatemala, manazava fa ny sasany amin'ireo mpanambany an'i Vargas Llosa, tsy mitovy hevitra amin'ny resaka politika, no mihevitra fa tsy mendrika azy ny loka Nobel:
Sí, Vargas Llosa es de derecha, políticamente hablando. Pero el Nobel no es un premio político (o al menos, no debería ser tomado como esto). Es un premio literario. […] Entonces, habría que resaltar que Vargas Llosa es un excelente escritor, y su premio lo respalda con calidad literaria.
Hoy izy mamehy,
Aprendamos esa lección: separemos al Vargas Llosa escritor, que merece el Nobel, y el Vargas Llosa político, que podría no simpatizar con todos.