- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Fepetra Vaovao Hanaraha-maso ny Votoatin'ny SMS

Sokajy: Ejipta, Fitsipika, GV Mpisolovava

Ny National Telecommunications Regulatory Authority [1] (NTRA), Manampahefana mpandrindra ny fifandraisandavi-pirenena, dia nanapa-kevitra hametraka rindran-damina vaovao ao Ejipta tamin'ny 11 Oktobra  hanerena ireo orinasa rehetra mpandefa hafatra fohy (SMS) gaboraraka  mankany amin'ny finday mba haka fahazoan-dàlana avy amin'ny sampan-draharaham-pirenena sy hàka fankatoavana mikasika ny votoatin'ny hafatra alohan'ny handefasana azy ho ana sokajin'olona manokana, izay napetraka hanaramaso ny  tolotra SMS.

Ho an'ny gazety Al-Masry Al-Youm [2], mila mahazo ny fankatoavan'ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Komity ambonin'ny asa fanaovan-gazety ankehitriny ireo orinasa mpanome tolotra SMS alohan'ny handefasany ho an'ny mpanjifany.

Andro vitsy taty aoriana, ny Fikambanana Miaro ny Fahalalahana ara-Pirehana sy Fitenenana [Association for Freedom of Thought and Expression [3] (AFTE)], ny vondron'ireo mpahay lalàna eo an-toerana dia namoaka tranga manohitra ny NTRA mba hanafoanana ilay fepetra vaovao [4].

Mahmoud el-Gweini, mpanolotsaina ao amin'ny Ministeran'ny Fifandraisan-davitra Ejiptiana dia  niteny tamin'ny The Associated Press [5] fa ilay fanapahan-kevitra “dia tsy natao ho sakantsakana amin'ny fanaovana asa politika akory“, raha ny iray tamin'ireo orinasa mpanome tolotra SMS nilaza [4] [AR] TATO AORIANA fa mitohy mahazo mampiasa ny tolotra fanaony ihany ireo orinasa rehefa tsy miresaka politika ny votoatin'ny SMS, raha mifanohitra amin'izay dia tsy mahazo mampiasa ny tolotra ilay orinasa.

Ilay fepetra vaovao napetraka dia mamorona fefy vaovao ho an'ny fivezivezena malalaky ny vaovao sy ny zo hahazo vaovao ao Ejipta, satria maro amin'ireo vondrona, ary tafiditra amin'izany ny antoko politika sy ny gazety no mampiasa SMS ho fizaràna sy fanapariaham-baovao.