Tantara tamin'ny 13 Oktobra 2010
Afrika: Sarimihetsika mandiso ny fijery an'i Afrika
Africa is a Country no miresaka ilay sarimihetsika Madagascar amin'ny fomba fijery an'i Afrika anaty sarimihetsika: “Tsy mila mandinika lalina akory dia hahita fa fomba fitantara-na mpanjanatany (ilay sarimihetsika) Madagascar....
Sina: Rehefa tapaka ny tambajotra ao Xinjiang…

Taorian'ny sahotaka tao Urumqi tamin'ny 5 Jolay 2009 dia tapaka nandritry ny volana maro ny tambajotra sy ny fifandraisana tao Xinjiang. Hatreto, tsy dia nisy tatitra mazava mikasika izay zava-niseho. Tsy ela akory izay dia nisy mponin'ny aterineto nanome antsipirihany momba ny zava-nitranga teo anelanelan'ny 6 Jolay sy ny 25 Desambra 2009 tao Xinjiang ao amin'ny daynew.net. Ity ambany ity misy famintinana fohy an'ilay tatitra.
Maraoka: Manohitra ny fampijaliana, na aiza na aiza
Naneho ny tsy hafaliany noho ny tsy firaharahàn'ny mpampahalàla vaovao mahazatra sy ny mizàna tsindriana ila ataon'ny governemanta ireo mpitoraka bilaogy, taorian'ny nahafatesan'ny tanora Maraokana iray teo am-pela-tànan'ny manampahefana solontenam-panjakana.
Shina sy Tibet: Demaokrasia an-tsesintany
Misy fahabangana amin'ny endrika maro izany hoe Tibetana an-tsesitany izany: very tanindrazana sy very zo koa ao anatin'izany. Amin'ny lafiny sasany ihany koa anefa dia toy ny fitahiana miova tava ihany izany fahabangana izany. Nihamafy ny fiavaham-pirenena, ny fahalalaham-pitenenana sy ny fampielezana ny fivavahany tsy misy tahotra fanenjehana ary ny fahafaha-mifidy ho an'ny Tibetana mialokaloka any Dharamshala. Tsy mba mizaka ireo rehetra ireo kosa anefa ny Tibetana mbola mitoetra any Tibet entin'ny Shinoa (foko) Han.
Hongria: Mampidi-doza ny toerana fanangonana fako simika
Araka ny fanadihadihana, nandrakotra tanàna maro tany antsinanan'i Hongria ny fikorianan'ny fotaka misy poizina simika tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo. Nahakasika tanàna fito izany fahapotehana izany vokatry ny fikorianan'ny fako misy...