Jordania: Ho any Palestina, Mitondra Fitiavana
Tamin'ity herinandro ity ireo mpitoraka bilaogy ao Jordania, izay ny ankamaroany dia manana razambe Palestiniana, dia nanoratra betsaka mikasika ny olana mianjady amin'ny Lafintany Andrefana (Cisjordanie) sy ny Afovoany-Atsinanana. Manontany i Jaraad, mpitoraka bilaogy avy ao Jordania, “Iza no Manely ireo Vaovao?”
Rehefa nanambàra fa handoro ny Korany amin'ny andron'ny 11 Septambra ny pasitora tsy dia fantatra loatra avy amina fiangonana kely tao Florida, izay tsy misy afa-tsy 50 monja (ny sasany aza milaza fa 30) no mpanara-dia azy, dia samy naneho hatezerana avokoa na ny Silamo na ny Kristianina. Nanoratra lahatsoratra an'arivony maro ireo Kristianina ho fanamelohany ny fihetsika tsy am-piheverana toy izany, ary ireo Silamo indray nanoratra, nandefa bitsika, nitoraka bilaogy mikasika an'io, ho izao/hanao an'itsy, hihetsika. Tany amina firenena Silamo sasantsasany dia nisy ny korontana ary nisy ny maty. Faly ilay pasitora satria azony ny 15 mn nampalaza azy ary ny Silamo koa faly satria tsy voadotra ny Korany.
Tantara nivalona.
Nefa, nahoana no misafidy ny hangina ny Jiosy sy ny Silamo nony injay ireo voanjo Jiosy mandoro Moske sy Korany maromaro? Nahoana isika no tsy mahita bitsika, pejy facebook na bilaogy miresaka ny heloka bevava tena mitranga? Tsy toa ny an'ilay pasitora any Florida, fa tamin'ity indray mitoraka ity dia tena nandoro Moske sy Korany mihitsy ireo voanjo Jiosy.
Ny fanontaniako dia hoe nahoana no nahazo ny fifantohan-tsaina nokendreny ilay Pasitora te-halàza avy any Florida, ary mihoatra noho izany aza, nefa nony injay ny Jiosy tena nandoro Moske sy Korany dia nikombona daholo ny vava? Iza na inona no nahatonga ny raharaha Pasitora avy ao Florida ho vaovao goavana be manerantany? Nahoana no naha be kabary, fifanakalozan-dresaka sy adihevitra ny manodidina iny tantara iny?Miaraka amin'ireo teknolojian'ny fifandraisana izay ananantsika ankehitriny dia lasa toy ny tanàna kely izao tontolo izao. Nefa mbola voasivantsivana ihany ny fanapariahana ny vaovao.
Arab Crunch dia nanoratra mikasika ny rindrambaiko vaovao an'i Phone izay mampiasa ny teknolojia fanehoana sarintany an'ny Google. Ho valinteny ho an'i Jaraad, io rindrambaiko io dia manome eo noho eo ny vaovao mivoaka ho eo ampela-tànan'ny mpanjifa liana aminy:
Facts on the Ground [Ny zava-misy eny an-kianja] dia mamela ny mpampiasa azy hijery sy hifantina ireo voanjo Jiosy mipetraka any amin'ilay faritra, na izany eo ambany fifehezana tanteraky ny manampahefana Palestiniana, na fifehezana amin'ny ampahany ihany, arakaraky ny…. taona nametrahana azy, ny mponina, ny foto-kevitra ananany (na ny tsy fisiany), ny toetoetrany (fivavahana na laika), ny velaran-tany Palestiniana bodoiny, ary ny sary maneho ny fitombon'ny mponina.
Io no ohatra iray hafa mikasika ny fomba nampiasàna ny iPhone sy ny sarintany Google.
Ny mpitoraka bilaogy hafa kosa mifanakalo resaka ny amin'izay làlana azo andraisana anjara amin'ny ezaka atao ho an'i Gaza. AquaCool dia midera ilay namany izay mandeha am-bisikileta avy any Pise ho any Roma noho izay antony izay.
Mampiely ny feo manerantany ho fampahafantarana ny hirifirin'ireo vahoaka ao Gaza, ary manangom-bola ho an'ny tetikasa maro sahanin'ny “Welfare Association” halefa ho an'ny vahoaka Palestiniana… Ndeha isika samy hanohana an'i Mishal sy hanampy azy hanatratra ny tanjony, dia ny mba hahafahana manampy an'i Gaza sy ny vahoakany.
Ny hafa manohana, na izy tenany mihitsy no mirotsaka hiaraka amin'ny diabe ho fandravàna ny sàkana an-dranomasina atao amin'ny seranantsambon'i Gaza. KinziBlogs no manoratra fankalazàna toy izao:
Ny mpitsabo nify malalantsika … nampianatra nandritry ny dimy taona ireo mpianatra ho mpitsabo nify avy ao Gaza tamin'ny alalan'ny aterineto! Afaka nampiasa ny fanomezam-pahazoavana manokana azony izy, ny talentany, ny traikefany mba hanampiana ireo mpianatra izay tena marani-tsaina tokoa nefa miaina anaty fepetra sarotra. Nambarany fa fifaliany izany ary atsy ho atsy dia hifanatri-tava voalohany indrindra amin'izy ireo izy, hitondra fitaovana ho azy ireo ary hanao tombana an'izay fitaovana efa ampiasain-dry zareo any.
… nilaza tamiko izy fa hiaraka amin'ny andiany faha-5 amin'ny Lifeline Convoy. Mahasarika ano koa ve izany?
Aboudism izao dia niaraka mihitsy tamin'ireny diabe ireny. Nanoratra izy tamin'ny 5 Oktobra:
Afaka ora vitsy monja dia hanainga miaraka amin'ny Global Life Line 5 (Vivapalestina) “Sharyan Al Haya 5” amin'ny diany ho any Gaza aho… Ho any aho anio, miaraka amina fihetseham-po misamboaravoara, fientanentanana, sy andraikitra ary adidy amin'ny tokantrano, ny fianakaviana sy ny hava-malala rehetra nilaozana any ambadika any, ankoatry ny zavatra hafa maro.
Tsy misy mahalala izay ho faharetan'ny dia. Tsy misy mahafantatra na ho voasakana any Latakia, na eny afovoan-dranomasina eny. Ny tokana mba fantatro, tsapako ny tsy maintsy andraisako anjara amin'ity hetsika iraisam-pirenena ity ho fampitsaharana ny fahirano mahazo an'i Gaza.
Ny 6 Oktobra, nanavao ny tatitra izy avy any Tiorkia. Somary taraiky kely tao Siria ny tarika nisy azy, izay:
Tsy maintsy nijanona isaky ny fari-piadidiana izahay noho ny fanasàna kely nataon'ireo mpitondra ny tanàna. Nandany fotoana betsaka ireny ka nahatonga fahataràna be ho anay. Na teo aza ny fahasarotan'ny familiana amin'ny làlana toy ireny rehefa alina ny andro sy ny fanarahamaso ny iray tarika, dia fahatsapàna hafa mihitsy ny fahitàna ireny olona rehetra ireny mivondrona mba hihofahofa hiarahaba anay sy ny fahitàna fa misy olona midera ny ataonao ary ankasitrahany ny ezaka ataonao.
Tsy dia hoe miavaka manokana io fibanjinana io tamin'ity herinandro ity. Ireo Jordaniana mpitoraka bilaogy dia manohy hatrany mibanjina an'i Gaza sy ny Lafintany Andrefana (Cisjordanie), mitory ny fanohanan'ny Jordaniana ny vahoaka Palestiniana izany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...