Nisy nanatrobaka antsy tamin'ny Alahady maraina ny pastora Luspida Simanjuntak sy Sintua (zokiolon'ny fiangonana amin'ny fiteny Batak ) Asia Lumban Toruan avy amin'ny fiangonana Ciketing Huria Kristen Batak Protestan (HKBP) ao Indonezia. Nisy nikapoka teo amin'ny fihirifany ankavia ny pastora Simanjuntak. Etsy ankilany, tsy maintsy nodidiana i Sintua Toruan, mba ahafahana manakatona ilay tataka be mirefy 3cm nahazo ny atiny vokatr'ilay tsindron'antsy. Ny tatitra farany indrindra dia nilaza fa nahavita nanajanona ny rà ilay zaitra natao taminy ary efa nanomboka mihatsaratsara ny fahasalaman'i Sintua Toruan.
Efa voararan'ny manam-pahefana indray mandeha ny fiangonana Ciketing HKBP noho ny tsy fananana fahazoan-dàlana ara-dalàna. Nofoanana izany rehefa nanaiky ny fangatahana sasany nataon'ny fanjakana ny fiangonana. Na teo aza izany, dia nasaina nakatona indray io fiangonana io nandritra ny roa andro taorian'ny nanokafana azy raha nanambara ny governemanta tao an-toerana fa tsy ilain'ny fiarahamonina ao an-toerana io fiangonana io. Niforona tamin'ny taona 1990 io fiangonana Ciketing HKBP io ary manana mpiangona miisa 1500.

Sarin'ny katedraly ao Jakarta tazanina avy ao amin'ny Moske Istiqlal, izay Moske lehibe indrindra ao Azia atsimo atsinanana. Sary tao amin'ny Flickr an'i TeeJe ary nampiasàna ny Creative Commons
Tany aloha, efa im-betsaka no nanafika an'io fiangonana io ny vondron'ireo mahery fihetsika misora-tena ho Fiaraha-midiniky ny Silamo avy amin'ny Distrika Atsimon'i Jaya mitondra ny anarana hoe Mustika Jaya mpanatanteraka fivoriana ao amin'ny distrikan'i Mustika Jaya Moslem (FUI).
Nilaza i Don Sisco, mpitoraka blaogy ao amin'ny Pemuda Indonesia (Tanora Indoneziana), fa nopotehin'ny mpampihatra lalàna an-keriny indray ny zo hivavaka ananan'ny fiangonana. Naneho hevitra ihany koa izy nanoloana ny fandraisan'andraikitry ny filoha Indoneziana fa hoe hofongorina ny fanafihana toeram-panompoana.
Presiden Yudhoyono menegaskan tak ada ruang bagi para pelaku tindak kekerasan di Indonesia. Tindak kekerasan atas dasar dan alasan apa pun, lanjutnya, tidak dapat ditoleransi. Pelaku pun mesti dipastikan mendapat sanksi sesuai peraturan dan perundang-undangan berlaku. Presiden memerintahkan, polisi mampu memastikan kejadian serupa tak terulang.
Melihat sikap SBY ini, kita ingin rasanya tertawa terbahak-bahak dan merasa sangat iba, Mengapa begitu bodoh Presiden kita. Apakah pelajaran Sekolah Dasar saja Presiden kita tidak tamat ? Karena pada SD pernah diajarkan lebih baik mencegah dari pada mengobati, Sedia payung sebelum hujan. Akan tetapi Presiden kita yang satu ini Sakit dulu baru diobati, kehujanan dulu baru beli payung.
Nanambara ny filoha Yudhoyono fa tsy misy efitra natokana ho an'ireo voaheloka noho ny herisetra ao Indonezia. Nilaza izy fa ny herisetra amin'ireny toe-javatra ireny dia tsy ho leferina mihitsy ary ho enjehina sy hosaziana araka ny lalàna ireo nanao izany. Nanome baiko ny polisim-pirenena ihany koa ny filoha mba hiantohana ny tsy hiverenan'ireny trangan-javatra ireny indray.
Nampihomehy anay ny naheno izany fanambarany izany ary somary nitsetra azy izahay. Tena maivan-doha mihitsy ny filohantsika. Adinony ve ilay fitenenana hoe “Aleo misoroka toy izay mitsabo, na koa ny hoe “omany dieny mialoha ny elonao mialoha ny hilatsahan'ny orana”? Nefa ny ataon'ny filohantsika dia “mitsabo ny aretina” sy “mamelatra elo nefa isika efa tena kotsa tanteraka”.
Nilaza ny heviny ihany koa i Don Sisco momba ny fitarozaham-piasan'ny filoha Yudhoyono izay diso tafahoatra.
Ataukah hal ini memang keingingan SBY ? agar dia seolah-olah menjadi pahlawan kebebasan beragama . Paling tidak metode ini masuk kategori Politik Pencitraan
Tao amin'ny Being Me on Mine, nilaza ny mpitoraka blaogy iray izay fantatra fotsiny amin'ny anaram-bositra hoe Kupretist fa nitranga ireny satria tsy zatra niaina tao anatin'ny fahamaroan'ny fomba fijery ny fiarahamonina. Nanontany tena izy hoe nahoana ny ankamaroan'ny Silamo ao Indonezia no manakana ireo avy amin'ny vitsy an'isa tsy ho afaka hidera / hivavaka?
Menurut pemerintah penyerangan tersebut adalah kriminal murni dan bukan konflik agama, akan tetapi bagaimana jika terjadinya penyerangan tersebut adalah dikarenakan motif atau tendensi agama.
[…] Sebagai umat Islam seharusnya mengerti tentang prinsip-prinsip pluralisme dan toleransi yang dicanangkan dalam al-Qur'an bahwa “Laa ikraha fi al-diin.” yakni tidak ada paksaan dalam beragama.
Notsarain'ny governemanta ho toy ny heloka bevava io fanafihana io fa tsy resaka adim-pinoana velively; ary mba ahoana moa raha niompana tamin'ny resaka finoana io fanafihana io (fanenjehana)?
[…] Amin'ny maha-Silamo, tokony ho tsapantsika fa ny Korany Masina dia mitanisa ireo fitsipiky ny fahamaroana sy ny fandeferana “Laa ikraha fi al-diin”, izay midika fa tsy azontsika ifanerena ny finoana (ho an'ny tsirairay).
Ireo mpino hafa dia tokony ho afaka midera an-kalalahana, hoy izy nanampy izany:
Mungkin saya takkan terburu-buru mengatakan bahwa oknum yang menusuk pendeta itu adalah orang Islam, akan tetapi saya hanya mengomentari kenapa kita orang Islam begitu susahnya menerima perbedaan di tengah masyarakat, begitu sulitnya berinteraksi dengan orang non-muslim. Apakah hanya karena secara prosedur tidak mendapatkan izin dari masyarakat yang mayoritas beragama Islam lantas kita harus menggempur segolongan umat yang minoritas tersebut.
Nilaza ilay mpitoraka bilaogy fa miombon-kevitra amin'i Pasitora Luspida Simanjuntak izy, izay nilaza fa “tsy mahazo rariny mihitsy ireo hafa finoana”. Nanambara ihany koa izy hoe mety hanenjika izay nahatontosa io famonoana io ny governemanta saingy tsy mijery ny tena fototry ny olana:
Sekarang ketika terjadi penusukan itu apa bisa diselesaikan hanya dengan mencari pelaku penusukan dan mengatakan bahwa hal tersebut adalah kriminal murni, sementara akar persoalan tidak bisa diselesaikan, di mana sebagai mayoritas umat beragama di Indonesia, umat Muslim seharusnya lebih bisa menerima perbedaan di tengah masyarakat dan berinteraksi dengan umat agama lain dengan sikap toleran dan tenggang rasa. Mereka umat non-muslim meskipun sedikit jumlahnya juga membutuhkan tempat ibadah dan kebebasan untuk menjalankan ibadah mereka sebagaimana umat Islam bebas menjalankan ibadahnya.
Ny andraikitry ny haino aman-jery mahazatra
Niresaka momba an'io tranga io sy ny fomba nitateran'ny haino aman-jery azy ireo mpampiasa facebook Fitri Bintang Timur sy Suluh Legowo:
Suluh Legowo: gw sendiri ga yakin itu ‘tindak kekerasan terhadap kebebasan beragama'…kalo misalnya yang ditusuk ustadz, paling kalimat pertama itu ilang…Mino aho fa tsy maintsy manjaka foana ny fihetseham-pon'ny mpanao gazety mandra-pahitan'izy ireo ny tena marina ka hanitsiany ny zavatra voaloazany raha toa ka diso ny eritreriny…
bukannya gw ‘mengamini’ tindakan kekerasan begitu, cuma pemberitaan yang seperti itu ‘kan cuma mancing emosi orang aja demi popularitas sebuah artikel…
oke lah diberitain, cuma jangan pake embel2 ‘kebebasan beragama’ kalo tindakan perorangan gitu…pelakunya juga ga dikenal, apalagi alasan perbuatannya apa…aza MANAIKY FAHATANY ny zava-drehetra…
Ny FANEKENA FAHATANY dia MANADONTO ny SAINAO fa tsy ny AHY…
Tsy hoe nankasitraka io fanafihana io aho akory , fa hoe ny tatitra toy ireny dia mety hahatezitra ny olona noho ny lazan'ilay lahatsoratra fotsiny.
Marina fa tsara ny fitaterana izany, fa aza ampidirina ny resaka ”fahalalahana ara-pinoana” raha toa ka efa hita soritra mazava tsara fa vokatry ny nataon'ny olona iray izany. Tsy fantatsika hoe iza no nanao izany na koa hoe inona no antony.
aza MANAIKY FAHATANY ny zava-drehetra…
Ny FANEKENA FAHATANY dia MANADONTO ny SAINAO fa tsy ny AHY…
Fitri Bintang Timur emang sih buat bikin statement butuh penyidikan lebih lanjut. […] orang yang secara tidak sensitif melihat tidak akan menyadari ini adalah upaya peningkatan intensitas konflik seperti yg dilakukan di poso circa 1998-9. dan ini menarik karena kemarin SBY baru komentar keras ttg pembakaran Al Quran pada pastor Jones, jadi many eyes melihat tindakan pak Beye mau ngapain.
Nanasongadina bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fitsipika sy ny etikan'ny asa fanaovan-gazety i Suluh Legowo. Mamelabelatra momba izany izy etsy ambany:
there's no point massa memahami ada usaha peningkatan konflik kalo sembari dipicu emosinya…
masalahnya di sini adalah kompas itu termasuk ‘sumber terpercaya’ di indo…ga perlu lah pake kalimat pembuka model tabloid lampu merah begitu…masih banyak penduduk yang masih blom bisa mikir beyond what's being told and taking things for granted…
Ny Kompas no loharanom-baovao azo antoka indrindra ao Indonezia, tokony ho lavin'izy ireo ny fametrahana ny “tabloid” (vaovao manaitaitra izay saiky fandikana ny lalam-piaraha-monina ny ankamaroany) ho toy ny lohatenim-baovao. Mbola maro mantsy ireo olona no tsy afaka mieritreritra mihoatra ny zavatra noresahana azy ireo ary (misy koa izy ireo no) tonga dia manaiky ny zava-drehetra…
Teo anelanelan'izay koa, raha mitodika any amin'ny vondrona mpanohana ny Silamo (FPI) ny resaka, dia nisy antokon'olona mpanao didy jadona iray voaendrikendrika ho nandray anjara tamin'io voina io satria teo aloha izy ireo dia efa nanafika antokon'olona miara-mivory mba hivavaka na hianatra momba ny finoana, hoy i Suluh:
fpi ormas islam?
HA-HA-HA-HA-HA…
mereka mah orman…organisasi preman…memiliki cara baru memahami islam yaitu dengan menggunakan DENGKUL…
Andiana olona mpanakorontana izy ireo, izay manery ny tenany hahafantatra tsara ny Silamo, amin'ny alalan'ny fampiasana ny lohaliny. (Hafatry ny mpanoratra: “mandohalika am-pieritreretana” dia fomba fiteny Indoneziana malaza iray izay midika hoe “tsy manan-tsaina, eritreritra sy drafitra”).
Tsy manisy sary eo amin'ny takelaka misy ny mombamomba azy ireo mpampiasa Blackberry sy Facebook mba hanoherany ny disadisa eo amin'ny finoana samy hafa, tany aloha ary ankehitriny ihany koa, izany dia mampihena ny lazan'i Indonezia dia ny amin'ny hoe firenena be fandeferana sy manaiky ny tsy fitovizana misy.
Jonathan Jodie: True Story from Kompas.com, verified! Sebagai tanda duka atas kekerasan terhadap kebebasan beragama, mari hitamkan foto contact kita. Pendeta Ditusuk di HKBP Ciketing Bekasi http://m.kompas.com/news/read/data/2010.09.12.1126458
Nilaza ny heviny ihany koa ny mpikambana Indoneziana ao amin'ny twitter momba io voina vao nitranga vao haingana io:
bigbon12 : Perlukah para muslim yg trgabung dlm anti-kristen sampai mencelakai seorang Pendeta?Obama bisa mempertahankan sebuah masjid di NYC,tapi SBY gak bisa mencegah robohnya gereja !
bloody243 RT @La_181: Kok tega yah Nusuk2 pendeta pas lagi ibadah.. 🙁 sebener'nya masyarakat indonesia punya moral nggak sih..?? Sedih banget..
taraarisa : Iba ngeliat pendeta #hkbp bekasi yg dipukulin org2. Mau ke gereja aja susah ya, ampe hrs dipukulin dulu
Alissa Wahid, zanaka vavin'ny filoha farany teo Abdurrahman Wahid (Gus Dur), izay malaza amin'ny fomba fijeriny izay mizarazara teo amin'ny firenena, dia nanavao izay rehetra voalaza tao amin'ny twitter mikasika ny toe-piainan'ireo niharam-boina:
@alissawahid : Dear @dhyudanie .. Sy barusan telp ibu Pendeta Luspida #hkbp dan konfirmasi bhw anggota Majlis Gereja bp.Sihombing semakin baik keadaannya