Koweit: Aleo ho lò ny voatabia!

Lafo avo valo heny amin'ny vidiny tamin'ny iray volana lasa izay ny voatabia any Koweit – ary tsy ataon'ny mponina tsinontsinona izany fiakarana izany. Tsy hitan-dry zareo izay hanazavana ny antony niakaran'ny kesika iray amin'ny vidiny 1 dinar (1,70 dôlara) ho KD4 (14 dôlara) tato anatin'ny andro vitsy monja.

AlDestor manoratra:

أثناء حديثه الشيق والممتع سمو رئيس مجلس الوزراء أدام ظله لنواب الخيبة برر لنا سبب سفراته ورحلاته المكوكية لارجاء العالم بأنه يبحث عن تأمين الغذاء للكويت ولدول الخليج بعد 15 عام
سمو الرئيس هل تعلم بأن الزمن قد سبقك كثيرا كيف لا ونحن في عام 2010 نعاني من ارتفاع أسعار الخضار وأهمهم وهو شيخهم وكبيرهم الطماطم
Nandritra ny kabary nataon'ny praiministra tamin'ny solombavambahoaka tsy misy ilana azy dia niala tsiny tamin'ireo fistidihana nataony nanerana ny tany izy ary nilaza fa nitady hevitra hiarovana an'i Koweit sy ny ambin'ny sakafo any amin'i Helodrano ato anatin'ny 15 taona.
Andriamatoa Praiminisitra,
Tsapanao ve fa mivadika aminao ny andro ary miferin'aina amin'ny fiakaran'ny vidin'ny anambazaha izahay, tamin'ity taona 2010 ity, ary ny lohalaharana amin'izy rehetra dia ny voatabia?

Ein Bagzee milaza fa tsy olana ny hoe fiakaran'ny vidin'entana, fa ny olana dia ny fomba hiainana izany:

ذن المشكلة في ثقافة المستهلك نفسه هو لا يعلم أنه العجلة المهمة التي يعتمد عليها أي تاجر فهو أي التاجر لا يستطيع أبعاد المشتري لو مهما كان الثمن فسوف يبيع لك بضاعته في النهاية هناك درجات في الخسارة التجارية لا احد يرغب أن تصل خسارته ألي درجة تحت الصفر فالجميع يرغب أن يبيع إذا اليوم خسرت دينار واحد فأنا كسبت عميل جيد سوف يشتري مني بسعر دينارين في المستقبل و هكذا تتم الحركة التجارية بالأمس كان البيض اليوم الطماطم غدا الخبز أو الأرز على اعتبار أن المحاصيل الزراعية في بيشاور – باكستان تعرضت للتلف !!
Ny olana dia ny tsy fahalalan'ny mpanjifa ny kodiaran-tsaretin'ny fizotran'ny tsenat iankinan'ny mpivarotra. Tsy afaka hivarotra ny entany amin'ny vidiny mora hitazonany ny mpanjifany ny mpivarotra, satria amin'ny farany dia misy ny fatiantoka ary tsy misy te ho fatiantoka tanteraka izany eo. Te hahalafo daholo ny rehetra ary raha matiantoka iray dinar ny mpivarotra iray androany, dia mety hahazo tombony izy amin'ny manaraka raha misy mpividy mividy KD2 ary toy izany hatrany ny fizotran'ny tsena. Omaly, niakatra ny vidin'ny atody, ary androany dia ny voatabia indray. Rahampitso mety ho ny mofo na ny vary, tsy adino koa ny vokatry ny fambolena any Peshawar – Pakistan – izay potiky ny tondra-drano.

m-vitaminz manontany hoe maninona ny parlemantera no tsy mananga-tanana amin'izao fiakaran'ny vidin'entana izao:

لماذا يانواب الأمة والمعارضة لم تقيمو ندوات وتجمعات وتنزلون للشارع إحتجاجاً لغلاء الطماط ..؟ لماذا لم تهددو رئيس الوزراء بإعتلاء المنصة وأستجوابه لرفع سعر الطماط ..؟ لماذا يانواب الأمة المناظلين لم تكشفوا من وراء هذا الغلاء الفاحش وتشكلو لجنة تحقيق
Maninona kay ny mpikambana ao amin'ny parlemantera sy ny mpanohitra no tsy mivory, miady hevitra ary miaraka manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny voatabia ? Maninona no tsy ampitahorina ny praiminisitra amin'ny alalan'ny fametrahana aminy fanontaniana ao amin'ny parlemanta mikasika ny fiakaran'ny vidin'entana ? Maninona no tsy apoaka izay nahatonga izao fiakarana izao ary hatsangana ny komitin'ny fanadihadihana?

Ary tahaka ny mahazatra rehefa misy olana any Koweit, dia feno hanihany sy fanehoan-kevitra mikasika ny zavatra resahana foana ny twitter.

BoJaij milaza:

كل نائب يستلم سحارة طماط…هدية عودة مجلس الأمة
Hahazo kesika voatabia maimaim-poana tsirairay avy ny solombavambahoaka hanamarihana ny fiandohan'ny fe-potoana hiasany indray.

ary fayounii manafangaro izany amin'ny fanatanjahantena:

قرر اتحاد الكويت لكرة القدم منح كل لاعب صندوق طماط وذلك لفوزهم بالكأس
Ny Kuwaiti Football Association (Federasionan'ny Baolina kitra any Koweit) dia nanapa-kevitra fa homena voatabia iray kesika tsirairay ny mpilalao raha maharesy amin'ny fifaninanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.