Madagasikara: Fitsapa-kevi-bahoaka momba ny Lalampanorenana vaovao

Handingana ny 20 volana ankehitriny ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara ary hita fa mbola ho tolona lavitr'ezaka ho an'ity nosy ambavahoanan'ny ady ity ny fiverenana hofehezin'ny Lalampanorenana. Misy ny fitsapa-kevi-bahoaka momba ny Lalampanorenana vaovao hotontosaina amin'ny 17 novambra ho avy izao (nokasaina hotontosaina ny 12 aogositra tamin'ny voalohany). Mbola ifandirana amin'ny mpanohitra sy ny fiarahamonina iraisampirenena izay niantso ny solontenany hiala eto an-tanindrazana noho ny tsi-fisian'ny Lalampanorenana mazava loatra.

Taorian'ny fialana ireo vato misakana isan-karazany sy ny fitsoahana an-daharana ny sasany amin'ireo mpandray anjara voalohany (fr), dia vita rafitra ihany Lalampanorenana vaovao [fr]  tamin'iny herinandro iny. Maro amin'ireo mpamaham-bolongana Malagasy no namahavaha, namakafaka ary nanasongadina ny lohahevitra nivoitra tamin'ity volavola ity.

Ao amin'ny bolongana Fijery, ny mpahay lalàna sady vahinin'ny mpamaham-bolongana  Sahondra Rabenarivo no nanasongadina ny lesoka amin'ity volavola vaovao ity ary nanamarika fa mitovy amin'ny Lalampanorenana norafetina tamin'ny 2007 ihany izy ity amin'ny ankapobeny.  Nohazavainy ary fa [fr]:

Sur 160 articles à l’origine, hors dispositions transitoires, seules trois phrases ont été effacées ; environ 39 phrases, alinéas, paragraphes ou articles ont été ajoutés ; et 23 articles ou sous-articles ont été modifiés. La structure et les grandes rubriques de la Constitution de la 3è République demeurent donc inchangées, [..] les dispositions transitoires de ce texte prévoient le maintien au pouvoir non seulement de Andry Rajoelina mais aussi de toutes les institutions de la transition jusqu’à la mise en place des institutions de la soi-disant 4è République, sans date limite.

Amin'ny andininy 160 eo ampiandohana, ankoatra ny ankoatra ny fepetra raisina mandritra ny tetezamita, dia fehezanteny telo ihany no nofafana. Fanapahana, andininy na fehezanteny 39 no nampiana; ary andininy na zanak'andininy 23 no novaina. Tsy misy miova noho izany ny firafitra sy ny votoatin-kevitra lehibe [..] Ny fanitsiana mifandraika amin'ny fotoana tetezamita ao amin'ity volavolan-dalampanorenana ity no mametraka an'i Andry Rajoelina sy ny rafitra tetezamita rehetra hitoetra mandra-pitsagan'ny antsoina hoe Repoblika fahaefatra izay tsy misy daty mamarana ny fotoanany

Patrick kosa nampitandrina fa efa novain'ny Filankevitry ny Lalampanorenana ny sasany tamin'ireo volavola taorian'ny nampisehoana azy tamin'ny haino aman-jery tamin'ny 24 Septambra. Nolazainy ary fa manosihosy ny fisarahana mazava eo amin'ny fahefam-pitsarana sy ny fahefana mpanatanteraka [fr] izao fanovana aoriana valan-dresaka izao.

Vatom-pifidianana ho amin'ny fanovana ny Lalampanorenana

Madagoravox indray namoaka ny tabilao famintinana[fr] ny fanitsiana sy ny nampiana tamin'ilay Lalampanorenana sy ny dikany tsotsotra avy amin'ny fitenin'ny mpahay lalàna azy.

Na izany aza anefa dia efa niteraka adihevitra mafana eo amin'ny tontolom-bolongana Malagasy ny volavolam-panovana vitsy efa hita. Ohatra, tsikaritra fa naverina ho ny teny Malagasy sy Frantsay [fr] ihany ny teny ofisialy, izay manala ny teny anglisy tsy ho teny ofisialy intsony. Nomarihan'ny mpamaham-bolongana Razanajatoma ihany koa fa niova ny tarigetran'ny Repoblika izay “Tanindrazana, Fahafahana, Fandrosoana” no lasa “Fitiavana, Tanindrazana, Fandrosoana”. Tsy very teo anatrehan'i Citoyenne malgache ny nampidirana ny “fitiavana” hitoetra ao amin'ny volavolan-dalampanorenana ao anatin'izao firenena misara-bazana tanteraka izao.   Madagate, izay vohikala mpanohana ny fitondrana ankehitriny, no nandresy lahatra fa mifanaraka amin'ny toe-tsaina malagasy ny nampidirana ny “fitiavana” ho tarigetra nasionaly.

Achille52 kosa tsy mba taitra ao anatin'izao saritaka momba ny lalampanorenana vaovao izao rehefa hitany ny zavamisy amin'ny fiainana andavanandron'ny mponina. Nanolotra andininy azo ampiharina avy hatrany izay tiany ho hita ao amin'ny volavolandalam-panorenana izy [fr]:

Que les prix des PPN ne font pas le yoyo au gré des spéculateurs
Que les policiers ne demandent pas des pots de vin à chaque occasion
Que les hôpitaux guérissent les malades au lieu de les tuer
Qu’on ne nous vende plus des aliments périmés sous prétexte que c’est bon marché
Qu’on ne pille plus les forêts pour construire des opéras en Chine

Mba tsy ho takalonainan'ny mpianto-barotra ny vidin'ny zavatra iainana andavanandro
Mba tsy hitaky tsolotra isaky izay mihetsika ny polisy
Mba hanasitrana ny marary ny hopitaly fa tsy hamono.
Mba tsy hivarotana sakafo lany daty intsony satria lazaina fa mora ireny
Mba ajanona ny fandrobana ny ala hanorenana Opera any Shina.

Momba ny resaka ifitrandrahana tsy manara-dalàna ny andramena eto Madagasikara kosa, dia nandrisika ny mpamaky azy handray anjara amin'ny fanangonan-tsonia norafetin'ny World Wildlife Fund (WWF) ny mpamaham-bolongana ao amin'ny Foko sy ny ICE club ary mandefa izany any amin'ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny tale kabinetrany Zaza Manitranja Ramandimbiarison hampitsahatra miaraka amin'ny vava ny asam-pitrandrahana ny andramena arymba hampiharina tokoa ny didy hitsivolana 2010-141 mandrara ny fitrandrahana sy ny fanondranana andramena.

Tsy atao mahagaga raha nilatsaka avy any amin'ny 56 to 48 ny isa azon'i Madagasikara ao amin'ny fanondroan'ny Ibrahim momba ny fitantanam-panjakana Afrikana.

Milaza moa ny mpanohana ny Lalampanorenana vaovao fa io ihany no lala-tokana ivoahana amin'ny olana politika misy eto an-tanindrazana ary hizoran'ny firenena mankamin'ny fihavanana. Nanao taratasy misokatra ho an'ny filoham-pirenena malagasy teo aloha anankiroa [fr]ny tale kabinetran-dRajoelina, miangavy azy ireo hiara-dia aminy sy hanohana ny ezaka ataon'ny tetezamita mankany amin'ny fampihavanana.

Lalampanorenana Malagasy azavaina tantara an-tsary

Ao amin'ny Mydago, i Solo Razafy no mampitaha sy fahasamihafan-dalana tamin'ny nametrahana ny lalampanorenana vaovao eto Madagasikara ankehitriny sy ny an'i Afrika Atsimo tamin'ny 1990 sy ny filana vaovao mbamin'ny fanentanana momba ny Lalampanorenana. Navoakany ihany koa ny fandalinana nataon'ilay mpahay lalàna efa voalaza etsy ambony Sahondra Rabenarivo [mg/fr]:

l’approche pragmatique de la RSA quand à la « réconciliation nationale » fut de mettre en place des commissions droits de l’homme, égalité des genres, etc au sein même des institutions constitutionnelles. Ces commissions sont chargé de suivre la mise en oeuvre des principes constitutionnels d’égalité devant la loi et de protection des droits de l’homme.
Là où je veux en venir… la communication et la transparence, d’un côté, l’importance de l’aspect « instructif », d’autre part.[..] le « plus jamais ça » ne commencera qu’avec la campagne de sensibilisation soutenue et honnête sur le contenu de la Constitution [..] oui, on me dira, la RSA a plus de ressources, la communauté internationale était beaucoup plus impliquée, etc, etc, je cherche tout juste à dire qu’ils ont surmonté le problème de manque d’éducation et ont cherché à avoir une vraie légitimité d’une manière admirable.

Ny fomba fiasan'i Afrika Atsimo rehefa niresaka momba ny fihavanam-pirenena izy dia ny nametraka vaomieran'ny zon'olombelona, fitovian'ny lahy sy ny vavy, sns ao anatin'ny rafitry ny lalampanorenana. Ireo vaomiera ireo no misahana ny fanaraha-maso ny fampiharana ny foto-kevi-pitoviana ao amin'ny lalampanorenana eo anatrehan'ny lalàna sy ny fiarovana ny zon'olombelona.Eo no tiako ahatongavana… ny fifandraisana sy ny fangaraharàna, etsy andaniny, ary ny fanasongadinana ny endrika fampianarana, etsy ankilany [..] Tsy miainga ny “aoka tsy hisy intsony” raha tsy misy fampahafantarana maharitra sy marina eo amin'ny votoatin'ny Lalampanorenana [..] Ekeko mihitsy fa hisy ny hiteny hoe ka manana ny ampy kokoa i Afrika Atsimo, efa nandray anajara mavitrika ihany koa ny Fiarahamonina Iraisampirenena sns, fa ny tiako lazaina fotsiny dia hoe voadingan-dry zareo ny olan'ny tsy fahampian'ny fampianarana ary te-hahazo ny tena rariny amin'ny fomba mendrika ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.