05 Oktobra 2010

Tantara tamin'ny 05 Oktobra 2010

Malezia: Mandràra boky iray maha-be resaka ny Ministeran'ny Raharaha Anatiny

  05 Oktobra 2010

Nandràra boky iray manakiana ireo mpitondra ambony ny governemanta Maleziana. Nanomboka teo dia navelan'ilay mpanoratra azy ho azo sintonina amin'ny aterineto ilay boky mba hahafahan'ny Maleziana rehetra mamaky ilay boky maha-be resaka. Tamin'ny alalan'ny bilaogy sy twitter dia nanapariaka ny fomba hahafahana mijery ilay boky koa ny mponin'ny aterineto.

Ekoatora: Fiampangana sy Fanombanana Taorian'ny Fihokoan'ny Polisy

  05 Oktobra 2010

Tombana sy fomba fijery mifangaro no nipongatra taorian'ny fihokoan'ny polisy eto Ekoatora, nampitaina teo noho eo tamin'ireo tambajotra sosialy. Nisy fanonganam-panjakana ve teto amin'ny firenena? Ny tontolon'ny fitorahana bilaogy dia mandalina ny resaka sivana, ny fanapariaham-baovao an-tery manerana ny firenena, ny fifanilihana andraikitra sy ny valim-panontaniana, "Inona izao no mitranga ankehitriny?" ao anatin'i Ekoatora tohina sy mihetsiketsika.