Tantara tamin'ny 04 Oktobra 2010
Pakistan: Heverinao ve ny fangirifirian'ireo tra-boina tamin'ny tondra-drano?
While some countries of the world came forward to donate for the victims of the recent Pakistan Floods, most international responses were slow. Cindy Yang looks for the answers in the blogosphere.
Ekoatera : Mpitsara lalao baolina kitra taloha tratra nanondrana zava-mahadomelina tany Etazonia
Taitra sady gaga tamin'ny vaovao mahakasika ny anankiray amin'ny olom-pireneny ny vahoaka any Ekoatera : tamin'ny herinandro lasa teo, ilay mpitsara baolina kitra Byron Moreno Ruales no tratra tao amin'ny seranam-piaramanidina JFK ao New York, saika hanondrana zava-mahadomelina 6 kilao nafeniny tany amin'ny tenany. Mpitsara lalao tsy azo hiadiana hevitra...
Faritr'i Sahel: Momba ny fandoavana tamby hanavotana ireo takalonaina
Ny fakàna takalon'aina nataona vondrona Islamika iray antsoina hoe Al-Qaeda in The Islamic Maghreb (AQIM) izao no malaza any amin'ny Faritr'i Sahel izay nipariaka nanerana ny firenena maro any avaratr'i Afrika. Ho fanafahana ireo takalon'aina, manao tsindry ara-politika amin'ireo firenena Afrikana voakasika amin'izany ireo governemanta sy orinasa, na hizotra amin'ny fandoavana tamby mivantana. Na izany aza, ny tetikasa hoe handoa tamby dia mazàna no dradraina ho tsy mahomby sy mampidi-doza ao anatin'ny fotoana maharitra.
Kaoety: Mihinàna, Mijere dia Mivavàha
Orinasa goavana mpamokatra sarimihetsika ao Kaoety no nanambara fa mikasa ny hametraka 10 mn ho fakàna aina amin'ny ora fiasany efa voafaritra isanandro mba hanomezana fotoana ireo mpino marobe hanaovan'izy ireny ny maghreb izay fotoam-bavaky ry zareo. Nifangaro be ihany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter naterak'ilay fanambarana