- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: “Ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'i Peace Corps an'i Belle”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Hehy, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

Bilaogin-tsary mahatsikaiky iray no nitety ireo vehivavy Mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps any Maraoka, na dia tsy nilaza ny loharano niaviany aza ireo mpitoraka bilaogy namoaka ilay sary mahatsikaiky, dia nilaza ireo vehivavy roa fa mikasika azy ireo izy ity.
Ilay sary mahatsikaiky fototry ny resaka ve? «Nahoana i Belle, avy amin'ilay tantara “IManja sy ilay Biby – Beauty and the Beast”, raha ny marina dia Mpirotsaka an-tsitrapo iray ao amin'ny Peace Corps any Maraoka.”

Tamin'ny famoahana video iray (eto ambany) avy amin'ilay horonan-tsarimihetsika, ilay lahatsoratra (navoaka eto [1]noho ny fisalasalana tanteraka sy eto [2]amin'ny bilaogy momba ny Dian'i Hilary tany Maraoka) dia mitanisa fitoviana 25 ao amin'ny fiainan'ilay mpilalao fototra sy ny an'ireo vehivavy mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ilay firenena. Manazava i Hillary:

Raha tianao foana ny hahafantatra ny zavatra lalovako amin'ny maha vehivavy mpirotsaka an-tsitrapo ahy ao amin'ny Peace Corps aty MAraoka dia jereo ity ampahana sarimihetsiky ny “IManja sy ilay Biby – Beauty and the Beast” ity. Izay zavatra iainan'i Belle ao anatin'io ampahana sarimihetsika io, izay no fiainako aty Maraoka raha fintinina amin'ny teny fohy.

Mikaika ny ” Arahaba e! ” avy eny am-baravarankeliny sy eny an-dalambe eny ny olona”, ny famakiana ny ohatra # 2. # 15 no mamaritra trangam-piainana iombonana manerana ny Fanjakana: “Miroso hatrany i Belle amin'izay zavatra tiany izay ilàna indrindra indrindra ny mpiandry ondry mora mba hanolotra izany ho azy. Hitanao matetika io ao Maraoka.”