- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mila ny fanohananao ny mpikatroka Tailandey voasambotra taorian'ny #IAL2010!

Sokajy: Thailandy, Fahalalahàna miteny, GV Mpisolovava

chiranuch-premchaipornVoasambotra tao amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Bangkok Suvarnabhumi [1] i Chiranuch Premchaiporn, mpitantana ny Prachatai.

Niverina avy tany amin'ny Dinidinika “Aterineto ao amin'ny Fahalalahana 2010: Ny Fampanantenana sy ny loza mety hihatra amin'ny Fahalalahana Miteny [2]” natao tany Bodapesta ny mpanao gazety sy mpanohitra ny fanivanana iray (@Jiew [3] ao amin'ny twitter).

Mitondra loharanom-baovao manan-danja ho an'i Thailand izy, firenena izay fantatra amin'ny fitomboan'ny fanivanana ny aterineto, tahaka ny notaterin'ny OpenNet [4], ny fanimbazimbana ny zon'olombelona sy ireo fihetsika manohitra ny fahalalahana miteny [5]. Nanaraka sy nanamarika [6] fisamborana maro an'ireo mafana fo niomerika avy any Thailand ny Feo Voarahona, anisan'izany ny fisamborana an'i Chiranuch teo aloha tamin'ny taona 2009-2010 [7].

Raha te-hahalala bebe kokoa mikasika ny tetikasany dia tsidiho ny Demokrasia Nomerikany [8]. Raha te-hanohana azy ianao dia iangaviana hitsidika ity vohikala ity [9] sy hanohana ara-bola amin'ny tranga manjo azy. Afaka mitoraka tweet ihany koa ianao ao amin'ny “Help free @Jiew #freejiew #Thailand (Ampio maimaim-poana i @Jiew #freejiew #Thailand) ”.

Efa voasambotra [10] i Chiranuch Premchaiporn teo aloha, tamin'ny 6 Martsa noho ny Fandikan-dalàna amin'ny Solo saina any Thailand [11]. Ny fiampangana azy tamin'izany dia ny famelany ireo tsikera apetraky ny mpamaky ny dinika ady hevitry Prachatai ao amin'ny aterineto [12] voalaza ho *lèse majesté* [fanivaivana ny mpanjaka] . Ny 31 Martsa 2010, navoaka i Chiranuch Premchaiporn ary nandoa antoka (300,000 baht tsy maintsy naloa).