- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Somonga nandritra ny fahatapahan'ny Facebook ny alakamisy teo

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Hehy, Teknolojia

Facebook [1] no valan-tserasera (tambanjotra sosialy) lehibe indrindra manerantany amin'ny fananany mpikirakira azy mihoatra ny 500 tapitrisa. Tapaka nandritra ny ora vitsivitsy ny serasera tamin'ny facebook ny 23 septambra 2010 noho ny resaka teknika. Nanaraka izany fahatapahana izany ny somonga maro dia maro hita tamin'ny Twitter, ka nisy tamin'izy ireny no niako in'amanjatony (miala tsiny amin'ilay fomba fitenenana ny hoe anjatony re-tweeted azy). Vitsy amin'ireny no hozaraina eto ambany:

[2]

[2]

[2]

Facebook outage

Sary hita tao @ Twitpic amin'ny alalan'ny TWITTERWHALE

@liammalone: [3]

While Facebook Isnt Working, Twitter will go over capacity, (and MySpace remains unused,) some Americans will finally meet their neighbours.

Facebook no tsy niasa ka Twitter no ho difotra, (ary tsy mbola azo nampiasaina ny MySpace) hifampihaona amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy ihany ny Amerikana sasany.

@Lord_Voldemort7: [4]

I shut down facebook. That'll teach The Social Network for trying to steal attention from the Deathly Hallows Trailer. Take that, Zuckerberg

Nakatoko ny facebook. Izany no lesona ho an'ny valan-tserasera (tambajotra sosialy) misarika ny fifantohana tsy hibanjina ilay Lamasinin'ny sisan- taolan-dRafahafatesana. Henoy izany ry Zuckerberg

@MTVClutch: [5]

Facebook is down. We can't tell who's hungry or tired.

Simba i facebook. Tsy lazaina intsony izao hoe iza no noana na reraka.

@AyyddG [6]:

i love the way @facebook has to use @twitter to tell everyone why it isnt working. #fail.

Tiako mihitsy ilay @facebook voatery nampiasa @twitter hilaza amin'ny rehetra ny antony tsy nampandeha azy (tsy nahafahana niserasera taminy).

@MetsMerized: [7]

Facebook is down! Employee productivity skyrockets, rioting reported in major cities, USA climbs out of 6-year recession

Tsy mandeha ny facebook! niakatra dia niakatra ny asa vitan'ny mpiasa, nahenoana fitaterana fisian'ny rotaka tany amin'ny tanandehibe, tafala tao amin'ny fahaenin-taonan'ny fitotonganana i Etazonia.

@danicrino: [8]

DNS FAILURE: Facebook is down which means 9 months from today, many children will born.

FAHASIMBANA DNS: Tsy mandeha ny facebook izay midika fa ho maro ny zaza teraka afaka sivy volana hatreto.

@alqaeda: [9]

#facebook is down. Not sure if we did that, but we should claim credit anyway. Hitting the infidels where it hurts, etc

simba ny #facebook. Tsy haiko loatra aloha raha efa nataontsika, fa tokony hitaky trosa (crédit) isika. Mikapoka ny tsy matoky any amin'ny tena maharary azy,sns

Namoaka [vaovao farany] (fanankotrihana) tahaka izao manaraka izao tao amin'ny Twitter ny @Facebook [10] nandritra sy taorian'ny fahatapahana:

We apologize for today's outage. Read technical details about how it happened and how we've been fixing it: http://ow.ly/2J5dA [11]

Miala tsiny indrindra izahay tamin'ny fahatapahana androany. Vakio antsipiriany ara-teknika eto ny olana nitranga sy ny namahanay izany olana izany: http://ow.ly/2J5dA [11]

We've resolved the tech issues that caused the site to be unavailable for some people. Everyone should now have access.

Efa voavahanay ny olana ara-teknika nahatonga ny sasany tsy ho tafiditra tato amin'ny vohikala. Efa tokony ho afa-miditra avokoa ny rehetra izao.

Facebook may be slow or unavailable for some people because of site issues. We're working to fix this quickly.

Mety handeha miadana na tsy ho tafiditra ny olona sasany noho ny olana teo amin'ny vohikala. Efa miezaka ny hamaha izany haingana izahay izao.

Efa nametraka fialantsiny noho ny fahatapahana [12] ny Facebook :

Early today Facebook was down or unreachable for many of you for approximately 2.5 hours. This is the worst outage we’ve had in over four years, and we wanted to first of all apologize for it. We also wanted to provide much more technical detail on what happened and share one big lesson learned.

The key flaw that caused this outage to be so severe was an unfortunate handling of an error condition. An automated system for verifying configuration values ended up causing much more damage than it fixed…

Vao maraina androany dia tsy nandeha na tsy tafiditra tao amin'ny facebook nandritra ny adiny roa sy sasany ny ankamaroanareo. Io no fahatapahana ratsy indrindra ho anay nandritra ny efa-taona ka tsy maintsy miala tsiny noho iny aloha izahay voalohany indrindra. Te-hanome ny antsipiriany ara-teknika tamin'izay nitranga izahay ary hizara ny lesona lehibe azonay.

Ny lesoka voalohany nahatonga ny fahatapahana ho henjana dia noho ny hadisoam-pikirakirana zavatra tsy nety iray. Tapaka (tampoka) niteraka fahasimbana hafa kokoa fa tsy namaha ny olana ny rafitra tsy miandry baiko mpanamarina ny hatanjaky ny bikabika(n'ny vohikala).

Manana famindrampo lehibe kokoa kosa [13] mpamakin'ny Mashable sasany momba ity fahatapahana ity:

Ao amin'ny famoahan-kevitra no nanoratan'i [14] fpd toy izao:

I never get the public outrage anytime something like this happens. It's the Internet, no site is safe from these types of issues. A lot of code goes into these sites and expecting 100% uptime is ridiculous. It happened to Google with Gmail, happens to twitter all the time, it probably happened to Yahoo! or Bing recently too and no one noticed. If you are honestly that dependent on these apps that if something happens to them you are screwed, you need to consider a backup plan.

Tsy mbola nahita fahatezeram-bahoaka mihitsy aho rehefa misy ny tranga toy itony. Izany no aterineto, tsy misy vohikala afa-belan'ny tahaka itony. Maro dia maro ny zavatra mankany amin'ireny vohikala ireny ka fahadalana ny manantena hahazo fahavononan(‘ny vohikala) 100%. Efa nitranga tamin'ny Google io tamin'ny Gmail, mpitranga amin'ny Twitter isan'andro, mety ho efa nitranga tamin'ny Yahoo na Bing ihany koa vao haingana izay saingy tsy nisy nahamarika. Raha toa ianao miankina tanteraka tamin'itony fampiasana itony ka mahaletra anao raha vao misy zavatra mitranga aminy dia mila drafitra voatahiry ianao izay.

Nanampy tamin'izany fijery izany koa i [15] Sakima Oak :

Every website experiences problems but a website the size of Facebook and to be resolved and back online in less than 4 hours is incredible.
As Neale had mentioned, a custom system built from the ground up on PHP and I can't think of any other website that compares. Well done Facebook techies 😉

Samy efa niharan'ny fahasimbana avokoa ny vohikala rehetra fa tsy mampino kosa ny nahafahan'ny vohikala manana habe (goavana) tahaka ny facebook voamboatra sy tafaverina an-tserasera latsaky ny efatra ora.
Araka ny efa nomarihan'i Neale, amin'ny rafitra miorina amin'ny tontolon'ny PHP dia tsy mahita vohikala hafa aho hanaovana fampitahana. Mampiaiky ny tekinisianan'ny Facebook 😉

Te-hamarana ny resaka amin'ny alalan'ity somongan'i JayNerd [16] ity aho:

Facebook goes down once every four years.
Twitter still goes down every four hours

Isan-taona no simba i facebook. Fa hatramin'izao kosa dia isaky ny efatra ora no simba i Twitter.