- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Sarimihetsika an'aterineto mampirisika ny olompirenena hifidy

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora

Hifidy ny vahoaka any Venezuela ny faha 26 septambra hanavao ny solombavam-bahoakany [1], sehatra mpanao lalàna tokana mandrafitra ny kongresy, ary amin'ny aterineto kosa, olona 12 no manao sy manatontosa sarimihetsika maromaro mitaona ny mponina handatsa-bato.

Ny Los Hermanos Electorales [2], na Electroral Brothers dia manana andiana sarimihetsika efatra mandefa ny zavamisy samihafa an-kira mahakasika ny mahazava-dehibe ny fandehanana mifidy handraisana fanapahan-kevitra manoloana ny herisetra, ny fahalalahana maneho hevitra, ny ekonomia ary ny tsy fahampian-tsakafo. Ny sarimihetsika nataony farany [3] dia miresaka ny tsy fandriampahalemana, ny herisetra ary ny fangalana an-keriny izay mihatra amin'ny vahoaka any Venezoela ary manafangaro izany amin'ny gadona reggae sy mpandihy mihanjakanjaka, mandefa hafatra fa ny vintana hanatsarana izany dia tokony hifidy ianao.

Ny sarimihetsika Quetelleva2010 [4] (Ny ho azonao) dia milaza amin'ny endrika maloka ny tsy fandriampahalemana ihany. Olona niharam-boina tamin'ny fangalana an-keriny no matahotra mandritra ny alina raha iny izy mitondra fiara iny handeha haka ny volany rehetra any amin'ny banky, napetraka teo amin'ny biraom-pifidianana izy ka ireo mpitazana no miteny hoe: raha tsy mitarika anao hifidy ny tsy fandriam-pahalemana, inona no ho azonao ?

Voto Joven [5]manana fampielezan-kevitra hafa koa, manindry tsara fa tsy jerena ny toerana misy anao, na mpanaraka na mpanohitra ny fitondrana ianao, dia ilaina foana ny fandatsaham-bato. Noho izany dia manome antony 26  tokony hifidianana amin'ny faha 26 ny volana izy [6]:

Ity sarimihetsika manaraka [7] ity dia manontany ny mponina any Venezoela raha ho tonga hifidy izy ireo na hanary ny vatony any amin'ny fanariam-pako, sarin-teny amin'ny teny espanola amin'ny hoe votar izay midika hoe mandatsa-bato sy ny hoe botar izay midika hoe manary:

Sarimihetsika hafa koa mitondra ny lohateny hoe Anton'ny fifidianana any Venezoela [8] no manohana antokona mpilatsaka ho fidiana manokana, tahaka ity iray ity izay manohana ny The Democratic Alternative, izay miantso ny mpifidy any Venezuela hanaraka an'i Cuba :

Tsy voatery ho sarimihetsika natao tany an-toerana ihany no aseho, fa ao koa ny nadika,  tahaka ity iray ity [9]izay nalaina avy tamin'ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana tany Etazonia. Raha mitovy ny feo, ny lohateny kely kosa dia maneho ny zavamisy marina any Venezoela : raha tokony hiantso ny olona hisoratra anarana hifidy izy ireo, dia asainy maka fanampim-panazavana mialoha nny fifidianana ny olona, ary atorony ny bilaogy Cartelera Electoral [10].

Ireny fampielezan-kevitra rehetra ireny dia natao hanatsarana ny tahan'ny tsy fahatongavana mifidy indrindra eo amin'ny tanora, izay mpikirakira internety betsaka indrindra : araka ity sarimihetsika ity [11], izay mamerina ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin'ny taona 2000, dia 75% ny tanora tokony hifidy no tsy tonga nandatsa-bato. Enga anie ka hihena betsaka, tena betsaka izany taha izany amin'ity taona ity.

hajian-tsarin'i Venezuelan Flag [12] avy amin'i Alejandro Andres Alarcon [13] ary ampiasaina mifanaraka amin'ny CC Attribution license. [14]