Teknolojia ho an'ny Fangaraharahana : lesona dimy azo notsoahina
Niara-niasa mikasika ny rindra tsaratsara kokoa ho amin'ny fanasokajiana sy fitsinjarana ireo fikambanana ampolony hita amin'ny tranonkalantsika izaho sy i Renata Avila raha niroso tamin'ny dingana faharoa amin'ny Teknolojia ho an'ny Tambajotra mangarahara isika. Iray amin'ny tanjona napetrakay ny mba ho mora ho an'ireo mpampiasa ny hahita ireo tetikasa izay tsy miorina fotsiny eo amin'ny firenena misy azy fa eo amin'ny sehatra manokana na ny olana izay mahaliana azy ihany koa — satria koa anie isika mikatsaka ny Teknolojia ho an'ny Tambajotra Mangaharaha e — ireo fitaovana samihafa izay ampiasain'izy ireo .
Sintony ny fanolorana: Teknolojia ho an'ny tambajotra mangarahara : lesona dimy azo tsoahana
Ao anatin'ity fandaharan'asa ity, vao haingana izahay no nanao fampahafantarana ho an'ny vondron'ny mpikaroka ny mangarahara mikasika ireo lesona dimy azonay hatreto mikasika ny fampiasana ny aterineto sy ny finday hanapariahana ny fangaraharana sy ny andraikitra miaraka amin'izany. Zavatra iray tena mora miova haingana ny teknolojia ho an'ny fangaraharahana — teo anelanelan'ny fotoana nanaovanay ny fampahafantarana hatramin'izao anio izao, nandefa ny Crowdmap ( sarintany ifandrimbonana) fitaovana fanaovana sarintany Ushahidi izahay, izay mamela ny tsirairay ho afaka hiditra ao amin'ny Ushahidi nefa tsy mila mampiditra ny Ushahidi ao amin'ny solosaina lohamilin-dry zareo akory. Ny dikan'izany dia hoe ireo lesona sy teknolojia izay faritantsika eto ambany dia asa mivoatra, ary isaorana mialoha ireo kiana sy fanontaniana avy aminareo. Aorian'ny famoahanay ny dingana manaraka mikasika ny tranga nohalalininay, dia mihevitra ny hiverina hijery ireo lesona ireo izahay ary hijery hoe inona no niova .
Lesona #1: teknolojia manampy amin'ny fanangonana ny soratra fototra (données)
Any amin'ny toerana tsy ahafahana na tsy tian'ny governemanta sy ireo fikambanana hizaràna vaovao ( na tsy famoahana an'izany amin'ny endrika mora vakiana), dia matetika no ny mponina no loharano tsara indrindra ahazoana vaovao mikasika ny asa ataon'ny governemanta sy fikambanana tsy miankina . Misy maro ireo fitaovana hanamorana ny fanangonana io soratra fototra io, na avy amin'ny tetikasa ifandrimbonana izany, ka ao ny vondron'olona manokana voaofana mpilatsaka an-tsitrapo na ny mpiasa ( izay antsoina matetika hoe mpifarimbona fanampiny na “bounded crowdsourcing”), na avy amin'ny fitambaran'izy roa. Azo ampiasaina hanampy ny angona efa misy ireo vaovao voaangona avy amin'ny olona ao amin'ny aterineto na avy amin'ny alalan'ny finday ( ohatra ny fanampiana amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana ) na amin'ny fanazavana hafa vaovao ny fomban'ny fahefana na ny rafi-pahefana ( ohatra amin'ny alalan'ny fandalinana ny vokatry ny tetikasa fampivoarana ) .
Azo apetraka amin'ny fitaovana na firaketana isan-karazany, miankina amin'ny vokatra tadiavina sy ny tontolo iasàna, ny angona. Misy ny tolotra sasany toy ny Frontline SMS izay mampiasa ny somaiso tsotra amin'ny ankapobeny, fa ny hafa tahaka ny Ushahidi kosa mampiasa fomba maro hafa anisan'izany ny Simaiso , ny Twitter, mailaka ary ireo endrika hafa ao amin'ny tranonkala.
Ohatra: Ny Tambajotran'ireo mpanara-maso ny fifidianana amin'ny alalan'ny finday ao Nizeria
Natao hanaraha-maso ny fifidianana ny filoham-pirenena tamin'ny taona 2007 tany amin'ny firenena ny Tambajotran'ireo mpanara-maso ny fifidianana amin'ny finday tao Nizeria (Network of Mobile Election Monitors ) (NMEM). Matetika no voafetran'ny fotoana sy ny toerana ireo mpanaramaso ofisialy ny fifidianana, eny fa na dia eo noho ny satany ofisialy aza — mety hampihena ireo tsy fanarahan-dalàna ka handiso ireo valin'ny fanaraha-maso mety hitranga any amin'ireo biraom-pifidianana ny fametrahana azy amin'ny toerana talaky maso ao amin'io toerana manokana io. Niara-niasa tamin'ny Frontline SMS ny NMEM mba hananganana ny rafitra fanaraha-maso ny fifidianana izay mety hanampy ny vahoaka hanaraka kokoa ny fitsipika ara-politika raha toa izany ka difotry ny olana niaraka tamin'ny ezak'ireo mpanaramaso ny fifidianana teo aloha. Mpiara-miasa voasoratra anarana, voaofana avy amin'ny faritra isan'isany ao Nizeria no nanara-maso ny fifidianana raha nanaparitaka ny akon'ny ezaka nataon-dry zareo tamin'ireo mpifidy, izay namporisihana ihany koa mba handefa vaovao .
Maherin'ny 10,000 ny hafatra voaray sy voaporofo fa marina. Nanakoako ny vaovao farany mikasika ny fahombiazana teo amin'ny fanaraha-maso iraisam-pirenena nefa koa nanome fitaovana misimisy kokoa ho an'ny Nizeriana izany ao amin'ny fomba fiasa ara-politika . Ho fanampim-baovao, jereo ny tatitra faran'ny NMEM (PDF).
Lesona#2: Manampy ny mponin'ny aterineto hitety& hahalala ny angona (soratra fototra) ny teknolojia
Maro ny governemanta sy ny orinasa izay mametraka ny angona azony ao amin'ny aterineto no mametraka izany amin'ny fandikana hosary (scanner) ireo antontan-taratasy goavana sy sarotra ary mamoaka izany ho failo PDF sarotra kirakiraina. Amin'ireo tranga hafa, diso betsaka sy diso manahirana loatra ho an'ny ankamaroan'ny olona ny mahazo ireo raki-tahiry ireo. Fitaovana maro karazana no misy mba hanamoràna ny fnmpakarana ireny angona ireny ho ao amin'ny aterineto , lalana mora aleha hitetezana mba hahitan'ny olona ny zava-misy sy ny olona tena manan-danja. Afaka manakiana kokoa ny governemanta sy ny fikambanana avy amin'ny sehatra tsy miankina ho tompon'andraikitra ny olona manam-pahafahana miditra sy mahalala ny zava-misy amin'ny zava-miseho amin'izay fotoana izay.
Ohatra : Sarintanin'ny fanampiana an'i Haiti
Manome vaovao amin'ny antsipiriany mikasika ny fanampiana amin'ny maha-olombelona sy ny ezaka fanampiana ao Haiti ny Sarintanin'ny fanampiana an'i Haiti . Azon'ny mpitsidika ilay tranonkala atao ny misafidy ny vaovao, na ny fandrindrana ny fanampiana, na ireo vondrona sy sehatra manampy na ny toerana. Mihoatra ny iray lavitrisa dolara no hetsika fanampiana hita ao amin'ilay sarintany izay manamora ny fijerena hoe iza no manao inona ary aiza.
Lesona#3: Mba hahazoana olona betsaka indrindra, dia mila mandehandeha ianao
Eran-tany, in-telo avo heny amin'ireo olona maro manana finday ny olona tafiditra amin'ny aterineto (PDF). Mitombo ho avo dimy heny kosa izany any amin'ireo firenena an-dalam-pandrosoana — izay ny vahoakany no mameno 64 isan-jaton'ireo mpampiasa finday eran-tany . Noadinoin'ireo fitaovana izay miasa manokana amin'ny aterineto ny fisian'ny vondron'olona lehibe mpampiasa azy io, nefa soa ihany fa misy ireo seha-pifaneraserana maro sy rindrambaiko amin'ny finday izay manampy ny fikambanana hanatratra io vondrona io . Na dia lahatsoratra tsotra indrindra -sy-resaka fotsiny amin'ny finday aza, dia afaka manampy ny olona hitatitra ny olana sy hahazo vaovao.
Ohatra: Fitaovana fanaraha-maso ny vola (Budget Tracking Tool) any Kenya
Miisa 4 tapitrisa fotsiny any Kenya ny mpampiasa aterineto raha maherin'ny 19 tapitrisa kosa ny mpampiasa finday (loharano: Banky Iraisam-pirenena ). Mamela ny vahoaka hahazo vaovao mikasika ny vola izay natokana ho an'ny tetikasa fampandrosona ny faritra misy azy amin'ny alalan'ny fandefasana hafatra tsotra an-tsoratra fotsiny ny Fitaovana fanaraha-maso ny tetibola (Budget Tracking Tool) . Mahangona simaiso-manontany eo amin'ny 4000 hatramin'ny 4500 isam-bolana eo ny tranonkala ary mampiasa ireo vaovao voarainy ny vahoaka hamakiany bantsilana ny kolikoly misy any amin'ny faritra hatrany anivon'ny governemantam-pirenena .
Lesona #4: Aza mamorona indray ny zavatra efa misy
Mba tena hampahomby ny fampiasana ny teknolojia, dia mila ianao mahita ny olona any amin'ny toerana izay misy azy . Raha toa ny olona ka efa mampiasa ny vondrona Facebook hanoherana hetsika iray manokana ataon'ny governemanta, dia mety hoe tsy ilaina intsony ny manangana seha-pifaneraserana vaovao mitovitovy tanjona amin'izany sady mandany fotoana manandrana ny hitarika ny olona ho any. Na dia tsy vita tamin'ny fomba mangarahara sy ny ezaka ho fampandraisana andraikitra araka ny fisainana loatra aza ny Facebook, YouTube ary ny Twitter , dia azo ampiasaina tsara ihany izy ireo ho fitaovana tena mahomby, ary hanjary ho tena fitaovana mahomby miaraka amin'ireo mpijery .
Raha manangana fandaharan'asa iray miorina amina fitaovana efa misy ianao, dia ilaina foana ny mahatadidy fa mety tsy ho azon'ny hafa idirana ny fitaovana nasiana fomba fiteny iray monja na amin'ny faritra iray monja . Ohatra , iray amin'ireo vohikala tena malaza indrindra any Brezila sy Inde ny Orkut ary mety hahatratra mihoatra ireo mpampiasa Facebook any amin'ireo firenena ireo .
Ohatra: Mitsongo dia ny fiaramanidin'ny Filoha Toniziana
Tamin'ny taona 2007, nahasarika ny sain'ireo mpitoraka bilaogy ny isan'ny dia izay nataon'ny fiaramanidin'ny Filoha Toniziana, izay manontany tena hoe nahoana, oviana ny Filoha no tany Tonizia ary ny fiaramanidiny any Parisy . Nasehon'ny mpitoraka bilaogy iray ny sarin'ireo vohikala ahitana ny fiaramanidin'ny Filoha. Narahany ny lalan'ny fiaramanidina eran'i Eoropa ary hitany fa ny vady andefimandrin'ny filoha no mampiasa ny fiaramanidina hanampy azy amin'ny diany miantsena — fampiasana tsy mety sy tena mazava ny volam-panjakana izany. Google Earth no nampiasainy hamaritana ny lalan'ny fiaramanidina , ny sary izay ao anaty sarintany , YouTube sy Vimeo hamoahana ny horonantsarin'ny zava-mitranga .
Lesona #5:Mba mandefera
Rehefa mampiasa fitaovana nomerika , tandremo tsy ho “latsa-pitia amin'ny zavatra namboarinao .” Afaka mandany andro sy vola ianao manamboatra ny seha-pifaneraserana nomerika tsara indrindra eran-tany, nefa kosa ny tanjonao sao dia eo amin'ny mpanaraka mampiasa kokoa ny fampielezam-peo noho ny solosaina, ka ho kely ny fiantraikan'izany amin'izy ireo. Manambatra ireo fitaovana nentim-paharazana sy nomerika ny sasany amin'ireo tetikasa tena mahomby indrindra hanatratrarana ny vahoaka tsy anavahana na inona ny teknolojia ampiasaina na inona. Manaiky ny fikambanana fa ny fitaovana tsara indrindra hanaparitahana ny fangaraharana sy ny fifampatokisana dia ny iray amin'ireo izay tena ampiasain'ny mponina. Mety tsy ho tena raitra na manaitra noho ny seha-pifaneraserana nomerika ny fampielezam-peo, gazety, fahitalavitra, ivotoerana fiantsoana sy ny fihaonam-bahoaka, nefa amin'ny toerana sasany, mety hahomby kokoa mihitsy izy ireo .
Ohatra : Freedom Fone
Rafitra saika miorina amin'ny fero ny Freedom Fone . Afaka maka ny rindrambaiko amin'ny aterineto maimaipoana ny fikambanana ary mividy ny fitaovana ilaina amin'izany amin'ny vidiny latsaky ny 100 Euro/126 Dolara Amerikana . Tsy mila solosaina ireo mpampiasa farany ary tsy mila mampiasa Simaiso ihany koa – mila miantso fotsiny izy ireo. Alefan'ny Freedom Fone ao amin'ny seha-pifaneraserana fihainoana io” vaovao nalefa io ary tonga amin'ny faritra mampiaraka ny litera sy ny fomba fiteny ary manome alalana ny mpampiasa hanoratra mihoatra ny litera miisa 160, fetra farany raha amin'ny simaiso “. Afaka mampiasa io rafitra io ny fikambanana hanaparitahana ny vaovao, hitarihana ny biraom-pifidianana, na hanangonana ny vaovao avy amin'ny mponina izay afaka marihina sy arahany amin'ny fampiasana ny rindram-baikon’ ny Freedom Fone .
Ohatra: Guatemala Visible
Manaraka ny fitsipika fanivanana ho an'ny mpitsara, ho an'ny mpampanoa lalàna, ny manam-pahaizana manokana amin'ny fanisana vola, ny mpiaro ny vahoaka, ary ny masoivoho nasionaly any Goatemala ny Guatemala Visible izay manaparitaka fanazavana mikasika ny fandehany izay efa nentina tao ambadiky ny rindrin'ny tsiambaratelo. Ankoatry ny fametrahana ireo fanampim-panazavana ho hita eo amin'ny aterineto, mampiasa petan-drindrina ihany koa ny tetikasa, apetaka amin'ny toerana fijanonan'ny fiara fitateram-bahoaka, fandaharana amin'ny fampielezam-peo sy amin'ny fahitalavitra amin'ny fomba fitenin'ny fiaraha-monina eo an-toerana hanandratana ny fahatsapan-tenan'ny tsirairay .
Famaranana: lakile ny tontolo manodidina, ary angano ny bala mahagaga
Miankina amin'ny zavatra tiana ahatongavana ny fomba fampiasa tsara indrindra ny fitaovana, ny teorana, ny fomba fiteny, ary ny tontolo ara-teknolojia, ankoatr'ireo zavatra hafa. Ohatra, mety hoe hampiseho malalaka ny volany ny governemanta sy ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, manao ny vinavina ary ny fandehanana amin'ny données izay tena zava-dehibe kokoa noho ny tatitra avy amin'ny vahoaka mikasika ny tetikasa izay mifantoka amin'ny vola sy ny fanampiana avy amin'ny malala-tanana . Fa raha toa koasa ny tanjona ka ny hampitaha ny zavatra nampanantenaina amin'ny zavatra voaray, dia ny vaovao avy amin'ny tatitry ny vahoaka mikasika ny zava-miseho eny an-toerana no tena mahomby indrindra hanaparitahana ny fanisana . Amin'ny toerana sasany, azo lazaina ihany hoe midika ho fampandrosoana ny fitaovana iPhone miaraka amin'ny sary manaitra sy ny fahafaha-mizara vaovao amin'ny Facebook ny lalana tsara indrindra hahafahana manamora ny vaovao ho eo am-pela-tanan'ny mponina . Any an-kafa, mety ho fanontaniana amin'ny alalan'ny simaiso tsotra sy fandaharana amin'ny alalan'ny fampielezam-peo fotsiny izany .
Na dia misafidy ny fitaovana ara-teknolojia tena mety amin'ny tontolo manokana iray aza ianao, dia tsy ho vahaolana mahagaga ho anao foana akory ny teknolojia amin'ny aterineto sy amin'ny finday . Manamafy mihitsy ny mpamorona ny Ushahidi fa seha-pifaneraserana izy io, fa tsy fomba fiasa . Tena mila ekipa mpanohana mahomby ny mametraka azy — na fitaovana ara-teknolojia izay mety — izay tena efa zatra amin'ny tontolo isehoany izay ampiasana azy ary afaka ny hitady zavatra maro, hampanao fanofanana, fanamarinana ny vaovao, ary ireo asa hafa maro karazana. Mora ny mamafa ao anatin'ny zava-baovao amin'ny teknolojia , fa tsy hamaha olana mihitsy raha ny teknolojia amin'ny tenany fotsiny. Milaza i Philip Thigo ao amin'ny Budget Tracking Tool any Kenya fa raha tsy mahita ny lanjan'ny fitaovana ampiasainao ny fiarahamonina izay ezahanao ampiana, na izy ireo tsy manampy anao amin'izany, dia, ny tena mahagaga, hanjary “hobihobiana ery ary maty avy eo ” ny seha-pifaneraserana izay tena lasa lavitra amin'ny teknolojia izay natsanganao.
Any amin'ny tontolo hafa, zava-dehibe kokoa ny manomboka amin'ny fijerena ireo fitaovana efa misy eo amin'ny vahoaka izay tianao iasana. Mety tsy hahomby ny teknolojia avo lenta raha toa ny vahoaka ka tsy zatra azy, ary tsy hanana fahefa-mividy ho amin'izany, na mety tsy ho tratra ny tanjona. Midika izany amin'ny fahavononana ny hiala amin'ny teknolojia manahirana raha toa ny filan'ny fiarahamonina ka ezaka amin'ny simaiso sy amin'ny fampielezam-peo. Midika izany fa voafetra ny fanaovana lahatsoratra tsotra amin'ny vohikala . Na izany na tsy izany, midika izany fa mila jerena tsara ny tontolo manodidina ny tetikasa sy ny fametrahana ny teknolojia any amin'ny toerana izay tena ilana azy ihany .
Niarahana nanoratra tamin'i Renata Avila ity lahatsoratra ity.
Lahatsoratra anisan-ny Teknolojia mampangarahara asa ikarohanay teknolojia mampiroborobo ny fampandraisana andraikitra sy izay hahampikatroka sivika manerantany . Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anisan-ny Teknolojia mampangarahara asa ikarohanay teknolojia mampiroborobo ny fampandraisana andraikitra sy izay hahampikatroka sivika manerantany . Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...