- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Bloqosfer 2010

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Tanora, Teknolojia

[1] Tonga ihany izy ity nony farany. Bloqosfer 2010 [2], hetsika iray efa nandrasan'ireo mpitoraka blaogy maro any Azerbaijan efa ho roa volana eo ho eo, dia natao tamin'ny 10-12 Septambra tany amin'ny tanàna amorontsirak'i  Nabran. Maherin'ny 100 ireo mpitoraka bilaogy efa manana traikefa naka toerana teo anilan'ireo vao nisondrotra, manampahaizana manokana amin'ny media vaovao sy ny aterineto, mpandraharaha, ary solontena avy amina fiarahamonim-pirenena hatramin'ny manampahefana.

Ilay hetsika dia nahazo famatsiana avy amin'ireo malala-tanana iraisam-pirenena toa ny Soros Foundation, ny  masoivoho Amerikana ao Azerbaijan, ary  mpiara-miombon'antoka iraisampirenena sy ny maro hafa. Naka tahaka ny endriky ny  Barcamp, izy ity dia nikendry ny hifanakalo resaka momba ny toerana misy ny ontolon'ny fitorahana bilaogy ao Azerbaijan ankehitriny sy koa hamolavola tetika vaovao mba hahatonga azy ity hahitam-bokatra sy ho fantatry ny maro.

Ny fanomanana ny Bloqosfer 2010 dia nanomboka volana maro mialoha, niarahana tamin'ireo tranonkalana tambajotra sosialy toy ny  Facebook indindra indrindra izay  nanapariaka [3]ilay hetsika [3] ho an'ny besinimaro [3]. Nisy horonantsary fampahafantarana ilay hetsika efa noraketina mialoha ihany koa ary nozaraina tamin'ny mpikirakira Facebook marobe.

Saingy, satria iny Bloqosfer 2010, maro ireo mpitoraka bilaogy no nisaintsaina momba ilay hetsika, indrindra fa taorian'ny nifaranany. Ahmadzada.tk blog [AZ], ohatra, miteny fa ilay hetsika dia nandeha tsara tamin'ny ankapobeny ary fiolahana iray nanamarika ny tontrolon'ny fitorahana bialogy  Azerbaijani [4] na dia tsy dia tomombana loatra aza ny fandraisam-pitenenana sasany.

Forumu baş tutmuş hesab etmək olar, çünki, çox maraqlı və yeni bir hadisə idi. Hətta, özünün qüsurları ilə də. Şəxsən, mənim foruma uyğun görmədiyim qeyri-peşəkar və müştəbeh insanlar yer alsalar da, ümumi götürəndə, forumun əhəmiyyəti böyükdür. Və yeni medianın inkişafı istiqamətində aparılan texnoloji mahiyyətli müzakirələrdən də görüldü ki, İlqar Mirzənin rəhbərlik etdiyi , özlüyündə mühüm perspektivlər daşıyır.

Ny tsirairay dia samy afaka nanao tsoa-kevitra fa nahazo toerana ny seha-pifanakalozan-kevitra ary hetsika vaovao sy nahaliana tokoa iny na dia teo aza ireo teboka hafa tsy lavorary taminy. Izaho manokana dia mihevitra fa nisy tamin'ireo olona nandray anjara no nivoaka ny lohahevitra sy somary tsy nahalala fomba, saingy tamin'ny ankapobeny dia nanana ny lanjany ihany ilay seha-pifanakalozan-dresaka. Nazava be avy amin'ireo resadresaka notarihan'i  Ilgar Mirza, mifandraika amin'ny teknolojia eo amin'ny tontolon'ny fivoaran'ny media vaovao fa ny  “Bloqosfer-2010”  dia hisy fiantraikany azo tsapain-tànana eo amin'ny hoavy.

Fa na izany aza, tsy faly ny sasantsasany tamin'ireo mpitoraka bilaogy nandray anjara tamin'ny hetsika fa tsy voaresaka mihitsy nandritra ny hetsika natao ny olana mianjady amin'ireo tanora roa mafana fo mpitoraka bilaogy an-tsarimihetsika isan'ny misongadina nogadraina, Adnan Hajizade [5] sy nogadraina tamin'ny taon-dasa fa nampangaina noho ny resaka “hooliganism [6]“. Action Meinhof [AZ] no nikitika an'ity resaka ity tamin'ny  filazana fa ny bilaogy tsy voatery ho ampiasaina fotsiny amin'ny raharaha politika foana, fa azo aòpiasaina koa amin'ny resaka ara-barotra . [7]

Və sonda bir məsələyə aydınlıq gətirmək istərdim ki, bloq yalnız siyasi mövzularda yazılmır. Əgər bununla razılaşmayan varsa, bir zəhmət çəksin, “google”a müraciət etsin, bloqların növləri və onların tematikaları barəsində məlumat əldə etsin, bundan sonra fikir mübadiləsi aparsın. Evdar qadının belə bloqu ola bilər, orada yemek resseptləri yazaraq geniş bir auditoriya əldə edə bilər.

[…]

[…] İndi bəzi şəxslər dirəniblər ki, nə üçün Emin Milli və Adnan Hacızadənin adı orada heç çəkilməyib və ya buna imkan yaradılmayıb. Nəzərinizə çatdıraq ki, bu mövzu artıq uzun zamandır müzakirə olunur və əminliklə deyə bilərəm ki, Bloqosfer 2010 layihəsindən qat-qat güclü tərəflər – qurumlar və təşkilatlar bu məsələnin önə çıxmasına çalışırlar və hələ də davam edirlər. Bəs nəticə? Yoxdur nəticə! Olmamasına səbəb isə məhz köhnə stereotiplərə ilişib qalan bir insanlığa məxsus xalqımız olmasıdır. Orada müzakirə olunmalı olan “necə edək ki, gələcəkdə digər bloqerlərimiz də azad sözə görə həbsxanaya düşməsinlər” olmalı idi, daha “Emin və Adnan niyə həbsdədirlər” yox.

Fa koa, tiako ny hanazava fa ny bilaogy tsy voatery ho momba ny olana ara-politika foana. Raha misy tsy mitovy hevitra amin'izay fanambarako izay dia aoka izy ireo hampiasa ny “google” mba hikaro-baovao mikasika an'izay karazana lohahevitra fanao am-bilaogy, avy eo vao mba miverina mampiasa saina sy miteny. Ny vady andefimandry afaka manana bilaogy, ifampizarana fomba fandrahoan-tsakafo sy hisarihana olona mpanaraka.

[…]

[…] Dia amin'izao fotoana, misy olona miahiahy hoe nahoana no tsy noresahana ny amin'i  Emin Milli sy Adnan Hajizade nandritra ireo fifanakalozan-dresaka ary nahoana no tsy nisy fotoana ho amin'izany. Aleo tsoriko aminareo fa efa noresahana betsaka io olana io ary azoko atao ny mizara tsiambaratelo fa ny ankolafy rehetra, matanjaka lavitra noho ny  Bloqosfer 2010 – sampan-draharaha sy fikambanana, miezaka mitondra avo io resaka io ary manohy manao izany hatrany. Inona no vokany? Tsy misy! Ny anton'izany dia ny fisian'ireo olontsika mbola mifikitra foana amin'ny fomba fihevitra ntaolo be.  Ny olana tena mila resahana dia ny hoe inona no tokony hataontsika mba tsy hisy indray mpitoraka bilaogy hafa hosamborina noho ny resaka fahalalahana miteny toy izay  hoe nahoana ry Emin sy Adnan no mbola any am-ponja foana.

Ao anatin'ny lahatsorany, “Inona no nomen'ny Bloqosfer 2010 ho an'i Azerbaijan,” Жизнь как Метро [AZ] dia tonga niaraka amina tolo-kevitra vitsivitsy, sady mamehy fa nitondra zava-baovao ilay hetsika, nahatratra ny tanjony ary angamba betsaka lavitra noho ny fametrahana teboka vaovao ho fiaingàna [8].

İkincisi, Bloqosfer 2010 dağınıq halda olan Azərbaycan bloqçuluğunu birləşdirə bildi. […]

Üçüncüsü, Bloqosfer kifayət qədər özünə qapanmış formada fəaliyyət göstərən və barmaqla sayılacaq qədər olan region bloqçularına mərkəzə doğru açılmaq imkanı verdi.

Dördüncüsü, Bloqosfer – 2010 Azərbaycanda bloqqerlik fobiyasını az da olsa qırmış oldu. […]

Beşincisi, Bloqosfer bloqqerliyi siyasilikdən çıxarıb sosiallaşdırdı.

Faharoa, Bloqosfer 2010 dia afaka hampiray hina ny tontolon'ny fitorahana bilaogy izay nanana endrika nipatitaka tao  Azerbaijan. […]

Fahatelo, Bloqosfer dia nanome vintana ho an'ireo mpitoraka bilaogy avy any amin'ny faritra miasa mangina any ambadimbadika any sy amina isa miparitadritaka mba hiseho masoandro.

Fahaefatra, Bloqosfer 2010 dia mety hanala sarona ny thotra hitoraka bilaogy ao Azerbaijan, na dia ho kely monja aza. […]

Fahadimy, Bloqosfer dia nitondra ny fitorahana bilaogy hihataka amin'ny politika ka hanjary ho sosialy kosa.

Ireo famelabelarana natao tao amin'ny  Bloqosfer 2010 dia mety hampakarina anaty sary mifandimby [9] sy ao anatin'ny tranonkala ofisialiny [10]. Ireo horonantsary noraketina nandritra ny hetsika koa dia ho azo jerena ao amin'ny Youtube [11]. Ireo vaovao farany ao amin'ny Twitter mikasika ilay hetsika dia hita ao amin'ny  #bloqosfer10. [12]