- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sina: Zo hitokona

Sokajy: Azia Atsinanana, Rosia, Shina, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Sendikà, Zon'olombelona

Hatramin'ny niandohan'ny taona 2010, toa nisy onjam-pitokonan'ny mpiasa izany nitranga tao Sina, niitatra hatrany amin'ireo filazam-baovao Tandrefana mahazatra,  toy ny the Financial Times niaiky ny fipoirana endrika vaovaon-ny tolon'ny mpiasa [1]. Vao haingana, nanao hetsika nitakiany ny zon-dry zareo amin'ny asa tany Rosia ireo mpiasa Sinoa.

Raha ny filàzan'ny RIA Novosti, tamin'ny 13-14 Septambra dia maherin'ny 150 ireo mpiasa Sinoa [2] no nitokona noho ny asa vita nefa tsy nandraisan-karama tamin'ny nanangànana ny foto-drafitrasa ho an'ny Fihaonana an-tampony APEC 2012 ao Rosia.

Feng Shanzhi avy amin'ny Mil Forum dia nanamarika ny vaovao sady nanakiana [3] ny governemanta Rosiana tamin'ny nandefasana polisy sy miaramila handràva ny fitokonana. Na izany aza, maro ireo fanehoan-kevitra tsy miombona amin'ny mpanoratra:

sunnyrain: 你在国内罢共产党的工试试?普京够仁慈的了。

翅膀:资本主义国家的外交政策都不是国际主义,都只讲利益.就跟我们现在现实中人与人之间的关系是一样的.
所以在资本主义世界里,只有共同的利益,没有坚固的朋友.这点是必然.
他们是不能体会国际主义的.也不知道国际主义的伟大.所以时常咒骂毛主席援助非洲等国家.却不知道到今天我们还因彼受着许多益处.
而且资产阶级对工人罢工这样的事,只会越来越强硬,而且手段也越来越高.威逼利诱,忽悠分化.无论在哪个资本主义国家都是这样.
说到底,全世界的资产阶级联合起来了。可是无产阶级还没觉醒.

sunnyrain: Azonareo atao ny mitokona manohitra ny Antoko Kaominista Sinoa, tsy dia mifankaiza amin'izany i  Vladimir Putin.

翅膀: Ny politika ara-diplaomatikan'ireo firenena kapitalista dia tsy misy resaka iraisam-pirenena izany. Ny maha-dodona an-dry zareo dia ny tombontsoa, tsy misy valaka amin'ny fomba fiainana sy fifandraisantsika isan'andro. Izany no antony ipetrahan'ny hoe miray tombontsoa fotsiny ny firenena samihafa fa tsy misy firahalahiana ao anatin'ny tontolo kapitalista. Tsy azo ihodivirana izany.

Tsy fantatr'izy ireo izay fifandraisana iraisam-pirenena àny, na hoe ho takany ny halehiben'io fomba fijery io.  Matetika ry zareo ireny no nanozona mihitsy ny Filoha  Mao tamin'ny nanampiany an'i Afrika tamin'izany fotoana, tsy fantany fa nahitantsika tombontsoa amin'izao fotoana izao ny nanampiana ireny tany mahantra ireny.

Ambonin'izany, ireo kapitalista dia hametraka bebe kokoa ny dian-tànan-dry zareo amin'ireny fitokonana ireny, ary hain-dry zareo tsara ny mampiasa ny tetika sy ny fihokoana miainga avy ao anatiny. Niray hina hatrany ny tontolon'ny kapitalista, fa ny fianakaviamben'ny mpiasa no tsy mety mifoha foana.

Na dia somary ideolojika loatra aza itsy fanehoan-kevitra etsy ambony, maro amin'ireo mpanohana ny zon'ny mpiasa no mino fa ny fepetra tsy lavorary iainan'ny mpiasa ao Sina dia vokatry ny fitrandrahana ataon'ireo vondron'orinasa goavambe maro rantsana maneran-tany. Ohatra, Qianhong, mpanentana sy mpanadihady malaza be, dia  nanakiana [4] ny fihevitry ny solontenan'ny Goldman Sachs China momba ny fitokonan'ny mpiasa:

这些资本代言人担忧什么呢?不就是跨国资本在中国劳动力产品低成本、低价优势的丧失,而以投资重点投向印度、越南、印度尼西亚、巴西等地相要挟,阻遏中国劳动生产率、产品价值和整个社会产出消费价值提升吗?!

Inona no mampiahiahy ny solontenan'ny mpanambola amin'izany? Ity dia resaka momba ny tombontsoan'ny vondron'orinasa maro rantsana amin'ny fampiasana amin'ny karama vary masaka. Mampitahotra ny hampiasa ny volany any amina firenena hafa ry zalahy toa an'i India, Vietnam, Indonezia ary Brezila mba hampakàrana ny taham-pamokarana sy hahazoana amboniampanga bebe kokoa.

明眼人谁都知道,“提高工资,可能会使得一些纯粹成本导向盈利的企业转移生产基地”,但是,也会使得一大部分底层劳动者的消费能力增加,进而增加国内消费市场的容量…

Raha ny olona maranin-tsaina dia hahatakatra fa ny fikatsahana karama ambonimbony kokoa dia mitarika amin'ny famindràna toerana ny  toeram-pamokarana hankany amin'ny sehatra ahafahana maka ny tombom-barotra avy ao anatin'ny masonkarena. Na izany aza, ny politika koa dia hanaitaitra ny fanjifàna  angovo ataon'ny sarangan'ny mpiasa sy hampiroborobo ny tsenan'ny fanjifàna  anatiny…

Tsy misy valaka amin'ireo avara-pianarana maro sy mafana fo miaro ny zon'ny mpiasa, Qianhong dia niantso fanavaozana ny lalampanorenana mba hiarovana ny zo hahazo mitokona:

如果中国工人的维权举措,必须在“跳楼”或“罢工”之间作非此即彼的选择,那么,滾滾诸公,行行好,还是让他们享有“罢工维权”的自由和尊严吧!

与时俱进的口号,在中国已经喊快二十年了,从1982年到未来2012年正好三十年了,中国共产党18大也将在这一年召开。中国工人的罢工自由这一条,再也不能在中华人民共和国宪法中堂皇缺位了,中国该修宪了!

Raha afaka misafidy ireo mpiasa Sinoa, na  “famonoan- tena” na  “fitokonana” mba hiarovana ny zon-dry zareo, miangavy, meteza ho olona manana moraly ka avelao ry zareo ho afaka misitraka ny zony hitokona, miangavy mba hamelana azy ireo hiaina am-panajàna!

Ny teny filamatra “mivoatra miaraka amin'ny fotoana” dia nampiasaina foana nandritry ny 20 taona tao Sina. Ny politikan'ny varavarana misokatra dia mananika ny faha 30 taonany  (1982-2012) ary ny Kaongresim-Pirenena faha-18 ho an'ny CCP dia hatao amin'ny 2012. Ny zo sy fahalalahana hitokona dia tsy tokony hiala ao anatin'ny lalampanorenan'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Sina. Fotoana izao tokony hanovan'i Sina  ny lalampanorenany.

Taorian'ny Fitokonana tao amin'ny orinasa Honda tany ampiandohan'ny volana Jona [5], olona maro no velom-panantenana fa atsy ho atsy dia  hanjary ho làlana iray tsara hahafahan'ireo mpiasa Sinoa manatsara ny fepetran'ny asan-dry zareo ny fanaovana fitokonana. Nanamarika i  Lin Da Min [6] fa ireo fampahalalam-baovao mahazatra dia efa manomboka mampiasa ny teny hoe  “Fitokonana” (罢工) any anatin'ny tatitr'izy ireny:

由于种种因素,一直以来,“罢工”只是个历史名词和法律名词。现实中,对于工人这一争取权益的方式,别说少有发生,就是有,类似出租车司机罢工,也往往以“集 体喝下午茶”这样的奇怪方式表达,至多是一个听起来温柔一些的“罢运”。事实上,媒体在关注本田中国工人罢工一事上,也有微妙之处。比如,本田中国员工 “走向操场”、“停工”……在些许犹豫之后,“罢工”一词终于出现在新闻报道和标题里。这是一个进步的信号。

Noho ny antony maro samihafa, ny teny hoe “fitokonana” dia mazàna no nampiasaina tany anatin'ireny antontan-taratasy rakitry ny tantara sy ny ara-pitsarana ireny. Raha ny zava-misy, na dia misy aza ireo mpiasa mitolona mitaky ny zony sy ny tombontsoany, toy ny fitokonan'ireo mpamily fiarabe, dia somary ahodinkodina ihany ny filàza azy, toy ny hoe “nàka tolakandro iray mba hiarahana misotro ranom-boafotsy ry zareo” na “mandà tsy hamily”. Raha ny marina, ny mpampahalala vaovao no voalohany nampiasa ny hoe “manao rodobe mankeny ankianja filalaovana”, “niato tsy nihodina ny ozinina” mba hamaritana ny fitokonan'ny mpiasa tao amin'ny Honda. Taorian'ny toa fisalasalana kely sy tsy ankiteniteny betsaka, nanomboka nampiasa ny hoe “fitokonana” ry zareo tamin'ireo lohateny lehibe an-gazety. Efa mariky ny firosoana izany.

Na izany aza, toa lasa aloha loatra ny tsirim-panantenana toy izany. Ny teny hoe “fitokonana” dia mitondra mankamin'ny resaka ara-politika. Voasivana io ary tatavanin'ny ankabeazan'ireo lohamilina fikarohana. Ity ambany ity dia dikasari-na fàfana iray maneho valim-pikarohana ny teny hoe  “fitokonana” (罢工) tao amin'ny  Baidu Tieba (resadresaka iray mandeha ho azy). Milaza ilay fanamarihana fa: “Miala tsiny aho, araka ny fandrindràna sy ny lalàna misy, tsy azo sokafana ity resadresaka ity”. Fanamarihana tsy misy valaka amin'izany no mipoitra amin'ny vavahadin'ny ankamaroan'ireo tranonkala.

[7]